Zoma V Paka
- Asa 15,22-31/
- Salamo 56/
- Md Joany 15,12-17
Ny Asan’ny Apôstôly dia mampianatra antsika handinika sao sanatria eo anivon’ny Fiangonantsika mbola misy olona tsy nahazo alàlana akory avy tamin’ny Apôstôly mampitabataba amin’ny teniny sy mampitebiteby ny sain’ny mpino, amin’ny fitakiana adidy tsy araka ny Evanjely akory. Mazava moa ny votoatin’ny Taratasy nosoratana ho an’ireo Jentily tany Antiôkia, mamintina ny zavatra nolazain’i Piera sy Jakôba: fifadiana ny fijangajangana sy ny fanompoan-tsampy.
Tsy azo adinoina anefa ny tanjon’ny fitoriana ny Evanjely sy ny ezaka rehetra atao eo anivon’ny Fiangonana: mba hifankatiavana bebe kokoa, izany hoe mba hahatonga ny olon-drehetra ho mpianatr’i Kristy, hitia tahaka ny itiavan’i Kristy azy, hahafoy ny aina ho an’ny hafa. Ny hahalalan’ny olona fa mpianatr’i Kristy isika dia ny fifankatiavana. Ilay fitiavana manambatra ny Ray sy ny Zanaka, dia ilay fitiavana nitiavan’ny Ray ny Zanaka no manambatra ny mpianany amin’i Jesoa ary tonga rohim-pihavanana mampiombona ny mpianatra samy mpianatra koa. Nahafoy ny ainy ho antsika Izy ka isika koa antsoiny hitia amin’ny hafenoan’ny fitiavana: mahafoy ny zavatra rehetra, hatramin’ny aina aza. Io no didy vaovao omeny an’izay te hanara-dia Azy.
Ny fiainana io didy io no hahatongavantsika “sakaizan’i Jesoa”, ary tsy azo adinoina fa ny “sakaiza” ihany no mahalala ny tsiambaratelo, mahafantatra izay nolazain’ny Ray, dia ny lalam-pahasambarana atorony ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Ny fiezahana hiaina ny fitiavana araka izany no hidirantsika amin’ny fiombonam-po sy fiainana amin’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Azy bebe kokoa hatrany. “Izay tsy tia tsy mahay na mahalala an’Andriamanitra”, hoy i Md Joany (1Jo 4,8).
I Jesoa no misafidy ny sakaizany sy nanendry (τίθημι – tithèmi, manamasina, jereo Fan 8,10) azy ireo mba handeha sy hahavokatra ary haharetan’ny vokany. Misafidy maimaim-poana tsy araka ny fahamendrehan’ny olom-boafidy Izy, fa araka ny haben’ny fitiavany, tahaka ny nataony tamin’i Israely (vakio Dt 7,7-8). Tsy ho mpanompo fa ho sakaiza, ho zanaka mpandova no niantsoan’Andriamanitra antsika, ka tsy hihanona amin’izay mety ho baiko na karama, fa ho mpiombon’antoka amin’ny fanitarana ny famonjena tiany ho an’izao tontolo izao.
Izay no iraka ampanaovina ny Eglizy Fanasina sy Fahazavana (Mt 5,13snm), mitondra ny hanitr’i Kristy amin’ny olon-drehetra (2Kôr 2,14), ka tsy teny tsara lahatra fa ny fomba fiainana andavanandro izay hazavain’ny fitiavana no mitondra vokatra hahasarika ny olona hanatona (Jo 12,32) ka hanome voninahitra ny Ray (Jo 15,8), hidera Azy vory vahoaka, hiantsa Azy anivom-pirenena noho ny halehibeazan’ny hatsaram-pony (Sal 56).
Ho haintsika anie ny hampifanaraka ny toe-piainantsika amin’ny Paka ankalazaintsika, ka hitoetra ao amin’ny fitiavany, dia hivelomantsika amin’ny maha sakaiza, amin’ny maha zanaka, ary ho sambatra amin’ny fandaniana ny fiainana hikatsahana izay mahasoa ny hafa, tsy hitadiavana voninahitra ho an’ny tena fa hikatsahana ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany.