Zoma V Karemy
- Vakiteny I : Jeremia 20,10-13,
- Salamo 18 (17) 2-3a.3bc-4.5-6.7,
- Evanjely : Md Joany 10,31-42.
Miverimberina ao amin’i Jeremia ny fanankinana ny zavatra rehetra (ady) amin’Andriamanitra izay mamantatra ny voa, (כִּלְיָה kil’yah, siège de l’emotion et d’affection: ny fietseham-po) sy ny fo (לֵב leb, l’homme interieur: ny atifo) (Sabotsy IV karemy Jer 11). Manoloana ny haratsian’ny sasany dia halaim-panahy isika matetika hikafara (hanao vava) tsy hanao soa intsony sao voafitaka. Izay matoky anefa fa ny Tompo no mamaly ny soa atao, tsy amin’ny fanomezana ny lanitra, fa amin’ny fanafahana ny fanahin’ny ory amin’ny tanan’ny ratsy fanahy, dia hitozo mandrakariva amin’ny fanaovan-tsoa satria izany no lalam-pahamarinana mahasambatra.
Miha-manakaiky ny herinandro masina ka ampian’ny Litorjia isika hahazo ny antony lalina namonoana an’i Jesoa. Ambaran’ny Evanjely anio fa tsy noho ny asany izay asan’Andriamanitra, no hamonoana Azy, fa noho Izy mitonona ho zanak’Andriamanitra, nefa olombelona fotsiny ihany. Amin’ny Film “la Resurrection du Christ” (Kevin Reynolds 2016), manaitra ahy ny tenin’i Flavius (Joseph Fiennes) hoe tsy mampaninona azy izay mety ho fahamarinana na tsia amin’izay niainany sy hitany niaraka tamin’ireo mpianatr’i Jesoa, fa ny fiainany niova dia ampy azy, izay no zava-dehibe ho azy, vokatry ny fihaonany tamin’ilay nolefoniny. Ho an’izay mino an’i Kristy sy mandray ny teniny manko, dia mahatsapa fa mampitombo ny fahasambarany ny fiainana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra toa an’i Jesoa, eny fa na dia mety ho hazofijaliana koa aza no setrin’izany. Ny vatana no mety hanjakazakan’ny ratsy fanahy, fa tsy ny fanahy, hoy i Jeremia.
Izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia ho enjehina, hoy i Md Paoly (2 Tm 3, 12). Izay matoky ny tenin’Izy Tompo kosa anefa dia hitafy ny Fanahiny ka ho feno ny fitiavany (heriny) hatrany. Anjarantsika izany ankehitriny ny misafidy na hijanona amin’ny fitsikerana ny hafa sy amin’ny fanangonana vato hitorahana izay tsy mitovy hevitra na manembatsembana ny tombontsoantsika (toy ny nataon’ny Jody tamin’i Jesoa) na amin’ny fiekena fa i Jesoa no fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra ao amin’ny Mpaminany sy ny Lalàna, ka izay te honina ny tany nampanantenaina, izay te ho sambatra, dia tsy hahita lalana hafa afa-tsy ny fiainana ny fitiavana natoron’i Jesoa: mahafoy ny aina ho an’ny olombelona rehetra.
“Raha tsy te hino aza ianareo dia minoa ny asako”, hoy i Jesoa tamin’ny Jody. Zanak’Andriamanitra koa isika, tsy toy ny amin’ny salamo 82, 6, fa amin’ny fiombonan’aina amin’i Kristy. Ny asa ataontsika ankehitriny, izany hoe ny fisehoantsika amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika no tsy maintsy anehoantsika amin’izao tontolo izao ny lalana mankamin’ny fahasambarana. Tsy afaka ny hampita ny finoana ny kristianina tsy faly, hoy ny Papa. Haninteraka ny fontsika anie ny hafaliana hiomanantsika ankalazaina amin’izao herinandro masina izao.
Ny Komonio Masina anie, na fiombonana sakramentaly amin’ny Mofo Masina izany, na ny fiombonana asehontsika eo amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina, hanampy antsika handroso amin’ny fahalalana an’i Kristy sy ny Fitiavany (Passio), ka hampanalavitra antsika izay mety manimba ka hanesotra izany hafaliana maha-mpanaradia azy izany ao am-pontsika.