Zoma masina
- Izaia 52,13-53,12/
- Salamo 30/
- Hebrio 4,14-16; 5,7-9/
- Md Joany 18,1-40;19,1-45
Tsy lalana mankany amin’ny fahafatesana ny lalan’ny hazofijaliana fa lalana mankany amin’ny voninahitra, mankany amin’ny fandresena. Tsy ny fijaliana hampihetsi-po no tian’ny litorjia sy ny Tenin’Andriamanitra havoitra araka izany amin’ny FANKALAZANA atao amin’ity andro ity fa ny Fitiavan’Andriamanitra mandresy ny ratsy satria “Mahery noho ny fahafatesana ny fitiavana” (Ton 8,6).
Ny vakiteny voalohany dia ny Tononkira faha efatra nataon’Izaia hilazana an’ilay Mpanompon’i YHWH. Ny hoe mpanompon’i YHWH moa dia tsy fanetren-tena fa mari-boninahitra ho an’izay antsoin’Andriamanitra ka manaiky hanatanteraka iraka iray, ka omeny ny Fanahiny, tohanany amin’ny heriny ary asandrany ho fanilo ho an’ny hafa (ohatra hoe ry Môizy: Eks 14,31, ry Davida: Sal 89,21, i Maria Mpanompovavin’i YHWH: Lk 1,38). Ilay Mpanompon’i YHWH lazain’Izaia dia voafidy ho fahazavan’i Israely sy ny firenena rehetra. Olon-dresy no fiheveran’ny sasany azy, saingy ny fahosany sy ny fampijaliana naharava endrika azy ary ny famongorana azy tsy ho ety an-tanin’ny velona no lalana nidirany any amin’ny voninahitra.
Ny aretintsika no nentiny ary ny fahoriantsika no nivesarany kanefa toa olom-boasazy no niheverantsika azy, hoy i Izaia. Ny fahamarinany eo am-piaretana ny fijaliana no zary fanafody hanasitrana ny aretim-pahotan’ny olona sy ho sorom-pifonana ho an’ny ota. Ny fahoriany no nampahiratra ny masontsika hahita hoe hatraiza ny haratsin’ny fahotana ary ny fandeferany dia hahazoantsika fampianarana fa tsy hitondra soa na oviana na oviana ny valifaty.Tsy ny mpanota ihany no mizaka ny sazim-pahotana, (na ny marimarina kokoa tsy sazy fa ny vokatry ny fahotany,) fa ny tsy manan-tsiny ihany koa. Inona tokoa moa no hevitry ny fiainanao raha fahoriana ihany no hainao vokarina eto an-tany ho an’ny hafa, raha sanatria antom-pahoriana ho an’ny hafa no heverinao hanorenana ny fahasambaranao! Aza mamaly ratsy ny ratsy fa hitera-boka-tsoa mandrakariva ny fandeferana, hoy ny Mpaminany (jereo koa 1P 2,21-25), ary ny fahamarinana ijoroana hatramin’ny fahafatesana dia “hahitana taranaka”, “hahalava andro iainana” ary ho “fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra”, hahazoana voninahitra eo anatrehany.
Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany fandresena izany, hoy ny taratasy ho an’ny Hebrio fa safidin’ilay Mpisorom-be, nalaim-panahy toa antsika tamin’ny zavatra rehetra (jereo fakam-panahy telo, indrindra talata I Karemy), niezaka nitsoaka ny fahafatesana (Jo 8,39; 11,54), nahatsiaro ho very sy nilaozan’ny Rainy (Mk 15,34), kanefa tsy nanota satria nifikitra mandrakariva amin’Andriamanitra: “Eo am-pelatananao no ametrahako ny Fanahiko”, fitokisana tanteraka izany.
Ambaran’ny Taratasy ho an’ny Hebrio mazava tsara fa nahafantatra izany hamafin’ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra izany i Jesoa (“raha azo atao, esory ity kapoaka ity”, hoy ny Evanjely), fa natoky kosa hatramin’ny farany ilay afa-namonjy Azy tamin’ny fahafatesana! Ahoana izany? Maty no fijerin’ny olona Azy, olon-dresy, saingy olona misandratra amin’ny voninahitra no hitan’izay mino Azy. Tsy manamaivana ny fijaliana hozakaina araka izany ny fitokisana amin’Andriamanitra fa kosa, hahazoana ny hery haharetana hatramin’ny farany, hijoroana ho vavolombelona marina, hanatanteka eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo (Vakiteny I).
Tsy ny fahamarinana amin’ny maha fahamarinana anefa no amonoan’ny ratsy fanahy ny Marina fa noho ny fombany sy ny fiteniny zary fiampangana ny asa ratsin’izy ireo. Tsy afaka handray ny hazavana izay te hijanona ao anatin’ny haizina, ka aleony ny haizina satria ratsy ny asany, hoy Md Joany (Jo 1,4-5; 3,19). Tsara hotadidiana mandrakariva araka izany ireo hazavana nentin’i Jesoa ho an’izao tontolo izao, antony namonoan’ny Jody azy, fa mety ho antony hanohizantsika hamono Azy ao amin’ireo mpianany koa ankehitriny:
1-Nohazavainy amintsika, araka ny fankalazana omaly (fanasana tongotra) fa Andriamanitra “andevo” ny Andriamanitra Rainy, ka izay te ho tonga zanany dia tsy misy lalana hafa azony safidina afa-tsy ny fanompoana. Mazava ho azy fa tsy ho zakan’izay te hanjakazaka sy hanao didiko fe lehibe izany. Andriamanitra “mpamelona” fa tsy mpamono, tsy mpanasazy fa mpanao fety, isaky ny misy zanany miverina ao an-tranony, mitondra ny ondry naniasia an-tsangory mody ao am-bala: fahasorenana ho an’izay hihevitra ny tenany ho “hendry” sy “mpitandrina ny didy” (zokiny) izany; tsy ny sorona dorana no sitrak’io Andriamanitra io fa ny famindram-po: tsy ny fahamendrehantsika na ny haben’ny tolotra no hamonjeny antsika na sanatria ny halavan’ny vavaka ataontsika fa ny fitiavany maimaim-poana, hanahirana an’izay hihevitra hitady harena sy voninahitra tamin’ny tolotra sy ny fombafomba isan-karazany izany.
2- Nohazavainy koa fa endrik’Andriamanitra ny olombelona ka ny fanahafana an’Andriamanitra “andevo” no maha lehibe azy fa tsy izay hoby sy dera azo avy amin’ny olombelona (Jo 5,44): izay hahafoy ny ainy ho an’ny hafa no hahavonjy azy! Mazava loatra araka izany fa ho an’ny mpianatr’i Kristy dia mahazo tombom-pitiavana manokana ny mahantra, ny mpanota sy ireo ailiky ny fiaraha-monina: manahirana ny mpanan-karena sy ny olona mihevitra ho tsongoin’olom-bolo, mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa izany.
Antony namonoana an’i Jesoa, araka izany, ny fanozongozonan’ny fampianarany an’ireo tombontsoa sy voninahitra nimatimatesan’ireo mpitondra fivavahana sy loholona Jody tamin’izany, izay tsy nitady afa-tsy ny voninahitr’izao tontolo izao (Mk 12,38-39). Ambaran’i Joany mazava fa an-tsitra-po no naneken’i Jesoa ny vokatry ny fijoroany ho iraky ny Ray, hanao ny sitrapony na dia hatramin’ny fahafatesana aza. Izy no manolotra ny ainy (Jo 10,17-18) ka ny “fahavalony hihemotra sy hilavo lefona”, nianòtra ka niankarapoka tamin’ny tany (Sal 9,4; 27,2/Jo 19,16). Fankaherezana ho an’izay te hijoro ho vavolombelon’ny marina araka an’Andriamanitra izany.
Asesin’i Joany amin’ny fitantarany (Evanjely anio) ny fiatrehan’i Jesoa ireo rehetra tsy afaka ny handray ny tsirim-pahazavana tiany hiredareda eto amin’izao tontolo izao: Ana sy Kaifa lehiben’ny Mpisorona izay very tombontsoa raha toa ka raisin’ny olona ny fampianaran’i Jesoa momba ny Tempoly, nataon’izy ireo fiheren-jiolahy (Lk 19, 46). Ao ilay mpanompon’ny lehiben’ny Mpisorona namely teha-maina an’i Jesoa, tsy dia hoe manana ny heviny fa manompo masira (mpisolelaka) dia manao izay hahafalifaly ireo heveriny ho lehibe hahazoana tombon-tsoa. Ampian’i Jesoa isika handinika ny mahatsara na maharatsy ny zavatra iray, mialoha ny handraisana “position” hitsarana na hanamelohana ny hafa (Jo 18,23).
Rehefa manomboka maraina ilay andro, izay tonga alina tamin’ny fivoahan’i Jodasy (Jo 13,30, niala teo anatrehan’ny hazavana), nandavan’i Piera intelo hatramin’ny marain’akoho, dia indro entina eo anatrehan’i Pilaty i Jesoa satria ireo Jody efa nikasa hitora-bato Azy im-betsaka indray izao no nilaza fa tsy manam-pahefana hanameloka olona. Nivoaka teo alatrano i Pilaty (satria ny Jody tsy afaka niditra tao aminy mba hahafahan’izy ireo mankalaza ny Paka) dia avy eo niditra ka nampiantso an’i Jesoa hiditra ao an-tranon’ny tsy mpino, hilaza aminy fa Andriamanitra no manome ny fahefana, ka mazava loatra fa tokony ampiasainy araka an’Andriamanitra amin’ny fihainoana ny marina izany fahefana izany. Saingy tsy nijanona nihaino ny Marina i Pilaty fa lasa nivoaka indray.
Aleony mihaino ny vahoaka sy ny horakoraka, toy izay hihaino ilay “Lalana, Fahamarinana ary Fiainana” (Jo 14,6). Mitovitovy aminy ihany ny kristianina avy mihaino ny Evanjely dia mandeha mamonjy ny vahoaka izay tsy hitady afa-tsy ny hamonoana an’i Jesoa sy hanafahana an’i Barabasy (Paka dia avy eo lundi de pâques, avy mivavaka dia mirevy…). Rehefa avy nihaino ny vahoaka i Pilaty dia nanao dingana iray amin’ny fanamelohana an’i Jesoa: nasainy nokapohina Izy. Dia eo ny miaramila, tsy tompon’ny tenany intsony fa ny fijalian’izay resy sy ananany fahefana no hifaliany, ka fehiloha tsilo sy akanjo jaky no nampanaoviny ilay noharabian’izy ireo ho Mpanjakan’ny Jody.
I Barabasy moa, ara-bakiteny dia midika hoe “zanaky ny rainy” (tsy fantatra anarana), dia tandidon’ilay zanaky ny fahaverezana izay rain’ny lainga hatrany am-boalohany (Jo 8,44), saingy heverin’ny olona ho olomangan’ny firenena, rehefa tsy ny fianakaviany sy ny ankohonany no novonoiny nandritra ny fikomiana.
Nivoaka indray i Pilaty nampiseho an’i Jesoa nisatroka fehiloha tsilo sy niakanjo jaky (indro – io ny lehilahy), ary nihaino ny Jody milaza indray fa afaka mamono olona, araka ny lalànany, satria milaza fa Zanak’Andriamanitra i Jesoa. Dia niditra tao an-trano indray izy, satria natahotra, saingy tsy afaka hihaino ny sitrapon’Andriamanitra ka hanatanteraka azy izay matahotra ny fitsaram-bahoaka sy matahotra ny ho very tombon-tsoa (tsy ho sakaizan’i Sezara). Aleon’ny Jody manaiky an’i Sezara ho Mpanjaka, toy izay hanaiky ny marina. Nolazain’izy ireo tamin’ny olona anefa fa ny antony tsy maintsy hamonoana an’i Jesoa dia sao lasan’ny Rômanina ny tanànan’izy ireo (Jo 11,48). Izany ny olombelona: tsy mena-mivadika.
Farany, nivoaka niditra teo im-pito, dia nanapa-kevitra hanolotra Azy hovonoina i Pilaty. Dia nentina hofantsihina i Jesoa. Mpanjakan’ny Jody no antony namantsihana Azy. Nosoratany tamin’ny hebrio (teny masin’i Israely), grika (tenin’ny empire – Fanjakana manontolo) ary latinina (tenin’ny mpanjana-tany) izany. Na dia tao anatin’ny fahatahorana ho very tombontsoa aza anefa dia zary fitoriana ho an’izao tontolo izao fa ny tena fanjakàna dia fanompoana hatramin’ny fahafatesana: INRI. I Jesoa Nazareana tokoa no tena Mpanjakan’ny Jody, Mpanjakan’izay manompo an’Andriamanitra amin’ny fanahy sy fahamarinana. Tanteraka ny faminanian’ny salamo mikasika ny fitafiany (Sal 22,19): voazara ho an’ny lafivalon’ny tany ny fitafiany, izany hoe ny fiainany natolony. Ny Akanjo rebarebany kosa, izany hoe ny maha izy azy, dia tsy azo zaraina. Midika izany fa ny Evanjeliny dia tsy azon’iza n’iza ovana na zarazaraina, fa izy manontolo no tsy maintsy hotanan’izay te ho mpianany.
Teo am-pototry ny hazofijaliana no nijoro ny “renin’i Jesoa” sy ny “Mpianany malalany”. Raha raisina ara-bakiteny izany ka hilazana fa teo i Maria sy i Joany, araka ny henontsika sy hitantsika amin’ny “film”, kanefa mety hanakana antsika tsy hahazo ny hevitra tian’i Joany ampitaina amin’izay mamaky ny Evanjeliny izany fanatsotsorana izany.
Tsara ho fantatra aloha fa ny Evanjely hafa dia milaza fa tery lavidavitra tery no nanara-maso ny fianakavian’i Jesoa sy ny vehivavy masina (Lk 23,49/Mk 15,40) satria tsara heverina koa fa tsy afaka nanatona ny hazofijaliana izy ireo araka ny Lalàna rômanina, sady atao ahoana koa moa no hitondra an’i Maria hanatrika ny famonoana an-janany! Ambaran’ny mpandalina Baiboly fa tahaka an’ilay “ravehivavy” voalaza tany Kanà ihany, dia ilay “Zanaka vavin’i Siona” ahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra no tian’i Joany ambara. Tsy mahagaga araka izany raha noraisin’ilay mpianatra Malala (izay mino an’i Jesoa dia malalany avokoa fa tsy misy tombo sy hala) ho “fananany sarobidy”, ho fananana manokana (εἰς τὰ ἴδια, eis ta idia) ny “renin’i Jesoa”, ny “Testamenta Taloha”, lovam-panahy mirakitra ny Tantaran’ilay Zanaka vavin’i Siona, tonga “Vadin’ilay Zanak’Ondry” (Ap 21,9), Reny miteraka ny zanak’Andriamanitra rehetra. Tsy ny Evanjely ihany no harena ho antsika fa ny Testamenta Taloha manontolo.
Ampahatsiahivin’ny Evanjely ihany koa fa “nijoro” (ἵστημι – histèmi) teo am-pototry ny Hazofijaliana ny Reniny sy ny Mpianatra malala. Izany fijoroana izany dia maneho ny finoana tonga lafatra, tsy mihozongozona satria mafy orina, maneho ny fanekena hijoro hatramin’ny farany, tao anatin’ny fahoriana niaretana, tahaka ny nataon’ny Zanaka (Vakiteny I) ka izay manaiky hiara-mijaly aminy, izay manaiky hijoro fa tsy hitanondrika, tsy hilavo lefona manoloana ny hazofijaliana izay tsy maintsy hozakaina no afaka hohenoim-bavaka ka hovonjena amin’ny fahafatesana. Mampianatra antsika ihany koa izany handini-tena na mampijoro antsika ho Mpianatra na tsia ny fibanjinana ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa banjinintsika ao amin’ireo endrika isehoany (Mt 25). Reniny sy Mpianany, miombom-piainana Aminy isika raha tonga alahelontsika ny alahelon’ireo zanak’Andriamanitra rehetra mbola mijaly eo amin’ny hazofijalian’izao tontolo izao.
Tsy azo adinoina ihany koa ny antony lehibe nahatonga an’i Joany nilaza izany. Manoloana ny disadisa nisy teo amin’ny kristianina sy ny Jody, voaendrikendrika ho mpamono ny Mpampianatra, dia ambaran’i Joany mazava fa tonga hampihavana i Jesoa. Io no farateniny, ny sakramentany. Amin’ny fibanjinana ny Lakroà Masina araka izany dia mila mandini-tena mandrakariva isika. Firifiry ny tsy fitovian-kevitra misy eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Antsoin’i Jesoa isika handray hatramin’izay mety tsy hitovy hevitra amintsika. Ny ray aman-dreny sadaikatra amin’ny fomba fihevitry ny zanany, ny zanaka tsy mahazo ny hevitra sy ny torolalan’ny ray aman-dreny, dia samy antsoina hanaiky fa lalana tokana no mitondra amin’ny fahasambarana: ny Lakroà fampihavanana ny lanitra sy ny tany ary fampihavanana ny olombelona natsangan’Andriamanitra ho zanany ao amin’i Kristy.
Mangetaheta ny Tompo ny Fanahiko (Sal 42,3), oviana no hihaonako Aminy? Izy anefa no ilay loharano velona hanala hetaheta, hameno ny sinivato enina fidiovana hanovozana ny hafalian’izay manaiky handray anjara amin’ny fanjakany. Nanondrika ny lohany Izy, hoy i Joany, ka nanome ny Fanahy: io ilay Fanahy, vavolombelona manambara ny fitiavan’ny Ray miaraka amin’ny rano sy ra nivoaka avy amin’ny lanivoany nolefonina (1Jo 5,6), hahatanterahan’ny faminaniana (Za 12,10-11).
Ditin-kazo manitra efa ho 30 litatra (zato livatra: 1 livatra=0,327l) atao inona avy? Tsy milaza fandevenana fotsiny i Joany araka izany fa milaza fampakaram-bady. Ny mira sy aloesy manko ampiasaina amin’ny mariazy (Sal 45,9 /Oh 7,17) ary ny fampahatsiahivan’i Joany fa tao amin’ny “saha” (κῆπος – kèpos, zaridaina) mbola tsy nandevenana olona i Jesoa no nalevina, dia entiny hanehoana amintsika ny maha Mpanjaka Azy, tahaka ny fandevenana ireo mpanjakan’i Jodà (2Mp 21,18. 26) na tahaka an’i Davida ao anatin’ny saha (Ne 3,15-16). Ny fahafatesany no nampakarany ny Fiangonana ho Vadiny, ka “ny reniny sy ny Mpianany” izay tonga tao amin’ny fanasana no mandrafitra ny Eglizy. Isika, miaraka amin’i Masina Maria no ampakarina, mientan-kafaliana te hihaona amin’ilay Mpampakatra, ka hitotorebika satria voaantso handray anjara amin’ny fetin’ny fampakarana. Fahatanterahan’ny faminanian’i Izaia moa izany izay nilaza hoe: Tahaka ny hampakaran’ny zatovolahy izay virjiny ho vadiny no hampakaran’ireo zanakao (manondro maro) anao (Iz 62,5).
Tsy ho fihatsaram-belatsihy anie ny fihobiantsika ny Lakroà fa ho fanamafisana ny fanekentsika fa tsy misy lalana hafa mahasambatra ankoatry ny fandavan-tena, fitondrana ny hazofijaliana sy fanarahan-dia an’i Jesoa, izay inoantsika fa ilay Mpanjaka tokana nampanantenain’Andriamanitra fa ho fahazavana hanilo ny Vahoakany hizotra ho any amin’ny fahasambarany.