Zoma manaraka ny lavenona
- Izaia 58, 1-9a
- Salamo 50
- Md Matio 9, 14-15
Omaly dia nasaina hisafidy isika na hanaraka ny lalan’ny fiainana na hisafidy ny lalan’ny ozona sy ny fahafatesana. Safidy malalaka izany fa tsy mora kosa ny mitozo amin’ny lalana nosafidiana. Anisan’ny fitaovana atoron’ny Soratra Masina antsika mba hahafahana mizotra ny lalan’ny fiainana, amin’ny fandavan-tena isan’andro, ny fifadian-kanina. Izany no iompanan’ny vakiteny sy ny litorjia anio.
Tsy fampijalian-tena fa famolahan-tena ny fifadian-kanina. Ny mpianatr’i Joany Batista, tahaka ny Farisiana dia nifady hanina ny alatsinainy sy ny alakamisy, ary natao ho rehareha izany ary izay tsy manaraka ny fombany dia noheverin’izy ireo fa tsy nahazo na inona na inona mikasika ny fivavahana sy ny fanompoana an’Andriamanitra; nihevitra ny tenany ho hafa (ambony) noho ny olon-drehetra izy ireo (Lk 18, 12). Vokatr’izany no nahatonga ireo mpianatra liana tamin’ny fampianaran’i Jesoa (saingy sanganehana ihany amin’ny toetran’ireo mpanara-dia Azy izay efa avy mpianatr’i Joany koa) hametra-panontaniana. Nahoana no tsy mifady hanina izy ireo?
Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampiakatra (ἱ υἱοὶ τοῦ νυμφῶνος= zanaky ny trano fampakarana raha adika ara-bakiteny, ny naman’ny mpampiakatra araka izany) raha mbola eo aminy ny mpampiakatra? Izy no ilay Mpampiakatra ka hafaliana fa tsy alahelo no omeny izay mandray Azy. Raha sanatria ka hohesorina Izy dia hifady ihany koa ny mpianany. Eo amintsika mandrakariva anefa i Jesoa ka tokony hifady izany isika sa tsia?
Tsy ny fifadian-kanina amin’ny maha-fifadian-kanina azy no olana fa noho ity fomba ity tsy nitondra intsony amin’ny fanomanana ny hafalian’ny fampakarana fa amin’ny fanangejana sy ny lalàna mampieboebo sy mampiavonavona indray aza indraindray. Hafaliana no entina manao ny fifadiana ary hafaliana no tokony ho vokatra entiny, hoy i Jesoa (Mt 6, 17). Hosorana zava-manitra ny loha ary atao tsara sasa ny tarehy satria handeha hihaona amin’ilay Mpampiakatra. Tsy fitsitsiana araka izany (satria ny “zava-manitra” lafo hono ny sakafo tsy nohanina) fa fahafoizana. Izay navela araka izany (vokatry ny fifadiana) dia atolotra an-kafaliana ireo niangaran’ny vintana, mba ho fifaliana koa ho azy ireo, izany no hahatonga antsika ho mpitondra ny hanitr’i Kristy (2 Kor 2, 15) amin’izay rehetra mifanerasera amintsika.
Sady miady mifanditra ianareo no mifady ary mamely totohondry an-katezerana aza, hoy Izaia. Tsy izany no sitrak’Andriamanitra. Mazava ny antony hifadian-kanina sy ny fomba fanaovana izany amin’ny fampianaran’ny mpaminany: manapaka ny famatorana tsy an-drariny, mamaha ny fehin’ny jioga, mandefa ny ampahoriana ho afaka, manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany, mizara ny hanina ho an’izay noana ary mampiantrano ny mahantra sy mampitafy ny miboridana ka tsy hanao an-tsirambina ny havan’ny tena.
Ny fifadian-kanina araka izany dia famolahan-tena mba hanesotra izay mety tsy hitovizantsika amin’Andriamanitra, ka hahafahantsika koa ho tara-pitiavana, ho zanaka taha-dRay, hahatonga antsika ho antom-pifalian’ny Mpampiakatra. Mazava loatra fa ny vavaka ataontsika dia hohenoin’Andriamanitra faingana satria Izy no miangavy antsika hamonjy ireo zanany miandry hotiavina, ary Izy rahateo no loharano hahazoantsika ny fahasoavana haharetana amin’izany.
Angatahontsika Aminy mba ho loharanon-kafaliana ho an’ny hafa ny fifadian-kanina ataontsika amin’izao karemy izao, ka haharitra sy ho tonga fomba mahazatra mandritra ny fiainana manontolo.