Zoma IV Paka
- Asa 13,26-33
- Salamo 2
- Md Joany 14,1-6
Mitohy ny toritenin’i Paoly tamin’ireo Jody tao Antiôkia any Pisidia. Rahampitso moa mbola mitohy izany fitantarana izany ka ny vakiteny (Asa 13,44-52) dia milaza ny fahaviniran’ireo Jody, tsy manaiky izany Andriamanitra manaiky hofantsihina amin’ny hazofijaliana izany. Izany famantsihana tamin’ny hazo izany no nanatanterahan’ny mponin’i Jerosalema sy ny lehibeny ny zavatra rehetra voalazan’ny mpaminany momba an’i Jesoa. Tsy nahita izay antony hanamelohana Azy dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty, ary na ny fanesorana tamin’ny hazo sy ny fandevenana tao am-pasana aza dia nolazainy ho asan’ireo nitsangana ho fahavalon’i Kristy. I Josefa sy Nikôdema moa dia mpikambana tao amin’ny filan-kevitra, ary araka ny lazain’i Matio dia mbola izy ireo (ny lohandohan’ny Mpisorona sy ny Farisianina) no nanisy tombo-kase ny vato sy nametraka mpiambina mba hahazoana antoka marina ny amin’ny fasana (Mt 27,62-66).
Manoloana izany anefa dia hamafisin’i Paoly, tahaka ny efa nataon’i Piera, izay anisan’ireo vavolombelona niara-niakatra tamin’i Jesoa avy any Galilea, fa ny nananganan’Andriamanitra an’i Kristy ho velona no fahatanterahan’ny fampanantenana nataony tamin’ny Razan’izy ireo, ka nananganany an’i Jesoa ho Tompo sy Kristy (Zanak’Andriamanitra).
Ny Evanjely kosa, mitohy amin’ny toko faha 14, taorian’ny fanomezana ny didy vaovao, sy ny hilazany ny handavan’i Piera Azy, dia mankahery ny mpianatra i Jesoa mba tsy hitebiteby noho ny fahafatesany izy ireo, satria tsy fandaozana izany fa fisantarana izay lalana tsy maintsy hizoran’ireo te hanara-dia Azy (jereo alahady V taona A). Ny lalan’ny Lakroà no lalana hankanesany any amin’ny Ray, amin’ny fanekena hatramin’ny farany ny sitrapon’ilay naniraka Azy.
Ny tranon’ny Ray, izay misy toerana maro izay amboariny ho an’ireo mpianany dia tsy inona fa ny fiombonan’aina ho an’ireo izay mino Azy, satria Izy nitsangan-ko velona no manome ny Fanahy, ho mpanafaka alahelo sy ho mpisolovava (alatsinainy V Paka). Izy no Varavarana hidirana ao amin’ny vala, Izy no lalana hizorana mankany amin’ny fiainana, na ny marimarina kokoa, ilay Mpiandry ondry mitari-dalana mankany amin’ny fahasambarana nampanantenain’ny Ray. Lalana Izy satria mampahafantatra antsika ny fahamarinan’Andriamanitra, maneho amintsika ny tena endrik’ilay Andriamanitra tsy hita, ilay tsy manam-paniriana afa-tsy ny hahasambatra ny olombelona, ary hahafahantsika ihany koa mibanjina ny hasina maha olombelona antsika, na dia eo aza ny fahalovana vokatry ny fahotana; izany fahalalana izany no hahafahan’izay mandray Azy hiditra amin’ny hafenoan’ny fiainana.
Ny lalana araka izany dia tsy arabe fa i Jesoa izay arahintsika; ny fahamarinana dia tsy ny hevitra hiadivana fa olona hofantarina ary ny fiainana dia tsy fahavelombelomam-poana fa fahavelomana hitiavana sy hanasoavana ny hafa. Ao amin’i Jesoa araka izany ny fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany, ireo lalana nanampy an’i Israely mba hizotra amin’ny fiainana (Dt 30,15), ka tsy ny tany nampanantenaina, izay nafangaron’izy ireo tamin’ny faniriana tao an-dohany no tanjona fa ny tranon’ny Ray.
Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalan’i Kristy. Izy no hahafahantsika mahalala an’Andriamanitra sy ny olombelona ka hitiavana araka ny didy vaovao nomeny, dia ny fitiavana izay lalana tokana hahafahana manandrana ny fiainan’Andriamanitra ka hahafahantsika kosa hateraka araka an’Andriamanitra (1Jo 4, b).
Hitombo ao amintsika anie ny finoana an’Andriamanitra sy ny fahalalana an’i Jesoa ilay “Lalana sy fahamarina ary fiainana” ho antsika.