Zoma IV Karemy
- Vakiteny I : Fahendrena 2,1a.12-22
- Salamo 34 (33), 17-18.19-20.21,23
- Evanjely : Md Joany 7,1-2.10.25-30
Ampidirin’ny Litorjia tsikelikely isika handinika ny fitiavana nanosika an’i Jesoa hiaritra ny fanenjehana sy ny fankahalana izay niafara tamin’ny famonoana Azy. Mandray anjara amin’izany famonoana izany manko izay rehetra tsy mihaino ny marina ka manameloka ireo mahasahy “manìny (manome tsiny) amin’ny fandikan-dalàna” (Boky Fahendrena). Tsy afaka ny hiombon’antoka ka ho tonga mpianatr’i Jesoa koa anefa izay mihemotra an-dalana ka tsy mahasahy mijoro amin’ny marina, noho ny fitadiavana ny tombontsoa manokana na noho ny fikatsahana ny voninahitra ho an’ny tena.
Tsy misy olona maniry ny hijaly, tsy nitady fijaliana i Jesoa na maniry ny hijaliantsika sanatria, mety ho fahadalàna manko ny Azy sy izay manaraka Azy raha izany. Ny nimasoany dia ny haneho ny endrik’ilay Andriamanitra nivavahan’i Israely, ka niezaka ny hampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapon’ilay Ray izay naniraka Azy. Izany fampifanarahana ny fiainana amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany dia tonga fanafintohinana ho an’ireo efa zatra niliba sy nanararaotra ny “asan’Andriamanitra” hanangonana harena sy voninahitra.
Ambaran’ny vakiteny voalohany, ao amin’ny Boky Fahendrena, fa endrikendrehin’ny ratsy fanahy ny olo-marina satria mihambo ho zanak’Andriamanitra, ary manjary tahaka ny hazavana ny fomba fiainany: mampiharihary izay tian-kafenina ao anatin’ny haizina. I Jesoa no ilay “marina” voaenjika (Asa 3,14; Lk 18,31-34), nohelohina tamin’ny fahafatesana maha afabaraka (Fil 2,8). Ao Aminy no ahitantsika ny fahatanterahana feno amin’izany lazain’ny Boky Fahendrena. Tsy Izy irery ihany anefa fa izay rehetra manao ny marina satria mihaino ny feony dia miaraka Aminy koa.
Atsidik’i Md Joany ao amin’ny Evanjely fa tsikelikely ny fahamatoran’izany fanapahan-kevitr’i Jesoa hisedra ny fankahalan’ny Jody izany. Tsy nety nankany Jodea Izy satria nitady ny hahafaty Azy ny Jody, hoy i Joany. Mankahery antsika izany fanambarana izany satria mampiseho ny maha olombelona mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra an’i Jesoa. Ambaran’i Joany anefa fa tsy tahotra loatra akory no antony tsy niakaran’i Jesoa tany Jodea (Jerosalema) mba hifanehatra amin’ny Lohandohan’ny Mpisorona sy ny Mpanora-dalàna, satria tsy mbola tonga ny fotoana (kairós). Tsy ny hiseho ho mahery fo sanatria, na hanehoana ny tanjaka no anaovana tolona fa ny hikatsaka sy hiaro ny voninahitr’Andriamanitra ka hijoroana ho vavolombelona hatramin’ny farany, tsy noho ny herin’ny tena fa noho ny fitokisana Aminy.
Rehefa lasa ireo rahalahiny hamonjy ny fety dia niakatra koa i Jesoa, na dia “niafinafina” aza. Eo no atsidik’i Joany indray ny fampianaran’i Jesoa izay niantso (κράζω – krazô= nivazavaza, nanao antso avo) tao amin’ny Tempoly: Izy irery no mahalala ny endriky ny Ray satria Andriamanitra no niaviany, ary mibanjina mandrakariva ny tavany Izy (Jo 6,46) ka mahafantatra Azy tanteraka (Jo 8,55; 17,25; Mt 11,27; Lk 10,22). Izay te hahalala ny Ray araka izany dia tsy maintsy mihaino ka mandray ny fampianarany.
Ho haintsika anie ny handray ny fampianaran’i Jesoa ka hialantsika amin’ny fomba taloha ho amin’ny fianam-baovao, izany hoe handaozantsika ny toetra ratsy mety nahazatra ka hanamasinana sy hanavaozana ny fo (vavaka aorian’ny kômonio), tsy noho ny hambom-pontsika fa noho ny herin’ny Sorona Masina atolotra (Vavaka fanolorana).