Zoma III Paka
- Asa 9,1-20/
- Salamo 116/
- Joany 6,53-60
Ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra dia tsy ny fiitaran’ny Evanjely ivelan’ny tananan’i Jerosalema ihany fa ny fifidianany koa ireo fitaovana araka ny fony, “fanaka voafidy” mba hitondra izany Vaovao Mahafaly izany hatrany am-paravazantany, eny fa na dia “siny tany mora vaky ihany aza” (2Kôr 4,7) izany fanaka izany. Tsy mahagaga àry raha in-telo no tanisain’i Lioka ny fisehoana azon’i Saoly (anio, avy eo Asa 22 sy Asa 26), ka nahatonga azy ho Apôstôlin’i Kristy tafatsangan-ko velona, hitory ny Evanjely amin’ny zotom-po mitovy amin’ny nanompoany an’i YHWH sy ny Lalàna (Torāh) teo amin’i Israely.
Misy zavatra maromaro tsy hitovizan’ireo fitantarana 3 ireo saingy asian’i Lioka tsindrim-peo fa i Kristy sy ny Fiangonany, i Kristy sy ny Mpianany dia iray ihany. Izay manenjika ny mpianany sy ny Fiangonany dia manenjika Azy. Toy izany koa moa ny asa soa ataontsika amin’ny madinika sy ny tsy manan-kavaly, Izy no anaovantsika izany (Mt 25,35).
I Saoly moa rehefa lavo tamin’ny tany ka niarina avy eo dia tsy nahita. Tsy afaka hisokatra amin’ny hazavan’ny finoana manko izay tsy maty amin’ny fahaizana sy ny heveriny ho fahendren’ny tenany, hoy i Bède le Vénérable. Izay miraparapa ao anatin’ny haizina no maniry ny hazavana, ka afaka manandrana koa ny fitsanganan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ho amin’ny fiainam-baovao. Andriamanitra mpamindra fo dia tsy mitsahatra mandefa ny “taratry ny famindram-pony” (dikan’ny hoe Anania), mba hitantana antsika ho amin’ny hazavan’ny Finoana, hanesotra izay mety ho sakana tsy hahitantsika ny hatsaran’ny hazan-drano (lanin-kazandrano), ka hanekentsika hanokana ny fiainana manontolo hanompoana an’i Kristy.
Toa an’i Paoly, voasakan’ny lanin-kazandrano ka tsy mahita ilay ICTHYS (ιχθυς = Ἰησοῦς Χριστός, Θεοῦ Υἱός, Σωτήρ« , Ichthus = Iēsous Christos, Theou Houios, Sôtèr, Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra Mpanavotra), Trondro izay voatono, vonona ho sakafontsika, toa ireo Jody mimenomenona amin’ny fampianaran’i Jesoa, dia toy izany koa isika indraindray: tsy te hiova amin’izay mahazatra, izay mety hanomezan-tsiny ny trondro no atao eo ambany maso ka tsy hahita ny hatsarany, hany ka matahotra ny hanome manontolo ity fiainana ity ho fanamby hahazoana ilay tena izy, tsy te-hitsakotsako (tsy mampiasa ilay φάγω – φάγομαι phagô, mihinana intsony manko i Joany fa τρώγω, trôgô, mitsakotsako, maka fy) ny fiainan’i Kristy mba hahatonga ny fiainantsika hanahaka ny Azy. Tsy hanina atao telimoka araka izany ny Eokaristia fa hanina mila tsakotsakoina maharitra, ka na eny an-dalana mody tahaka ilay Eonoka avy any Jerosalema aza isika, dia tokony hisaintsaina izay hevitra fonosin’ny Eokaristia. Izay tia ny rahalahiny, hoy i Md Joany dia miala amin’ny fahafatesana ary miditra amin’ny fiainana (1Jo 3,14).
Tsy misy afaka mitia araka an’Andriamanitra raha tsy mandinika, mahalala ny fitiavana nitiavan’Andriamanitra azy, ary fantatsika fa ao amin’ny fiainana maha olombelona an’i Kristy no nanehoany izany. Izay mihinana Azy dia ho velona ao Aminy. I Jesoa no tonga loharanon’aina, ka tsy afaka ny ho faly, tsy afaka ny ho sambatra intsony raha tsy misy heviny ny fiainana, ary ny fiainana misy heviny dia ny fiainana laniana amin’ny fitiavana, amin’ny fanaovan-tsoa sy ny fanasoavana ny rahalahy. Ny fankafizana ny nofon’i Kristy, izany hoe ny faniriana hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny Azy anefa dia tsy vokatry ny ezaka ataontsika fa asan’ny “ra omeny hosotroina”, dia ilay Fanahy Fitiavana nanangana Azy ho velona ka hahazoantsika ny fiainam-baovao (vavaka fangatahana).
Ambaran’i Jesoa fa toy ny hahavelomany ao amin’ny Ray no hahaveloman’izay mandray Azy ao Aminy. Ny fiainan’Andriamanitra araka izany no raisin’izay mandray Kômonio, ka tsy afaka ny ho sambatra izy raha tsy mifanaraka amin’izany fiainam-piombonana sy fitiavana izany ny fiainany.
Hanampy antsika hizotra amin’ny fahasambaran’ny lanitra anie ny fandraisana Kômonio.