ZOMA III KAREMY
- Osea 14, 2-10/
- Salamo 80/
- Md Marka 12, 28b-34
Mialoha ny hitrangan’ny toe-javatra ambaran’ny Evanjely anio dia efa telo andro izao i Jesoa no tao Jerosalema. Fa ny fiakarany ka nandroahany ny mpivarotra tao an-tempoly (Mk 11,15-18) no fihetsika nandrava tanteraka ny fifandraisany tamin’ireo mpitondra fivavahana izay efa nitady ny fomba rehetra hamonoana Azy. Tsy nahomby anefa ny fandrika satria hain’i Jesoa mandrakariva ny namaly am-pahendrena ny fanontaniana napetrak’izy ireo.
Anisan’ireo izay nihaino sy talanjona tamin’ny valintenin’i Jesoa ity Mpanora-dalana iray nametra-panontaniana ity, saingy tsy dia ny hamandrika an’i Jesoa loatra no tiany ho fantatra fa ny fahendreny sy ny fahalalany: Inona ny voalohany amin’ny didy rehetra? hoy izy.
Ho an’ny mpandinika ny lalàna Jody dia misy 613 ny didy ka ny 365 (mitovy amin’ny isan’ny andro amin’ny taona iray na ny lalan-dra amin’ny tenan’ny olona koa hoe araka ny sasany) dia fandraràna (aza manao izao…), ny 248 kosa (lazain’ny hafa fa mitovy amin’ny isan’ny singa mandrafitra ny vatan’ny olombelona) dia milaza ny zavatra tokony hatao [cf. G. Scholem, la Kabbalah e il suo simbolismo]. Mazava loatra araka izany fa voatery nofintinina izany didy izany ka rariny ny mijery izay laharam-pahamehana mba hanampiana ny olona hiaina azy. Na ny hitadidy didy 613 ihany aza manko hanahirana. Eo amin’izay fijerena ny ambaratonga izay anefa no nampiady sy nampisavoritaka ny Mpanora-dalàna, satria samy nanana ny noheveriny ho laharam-pahamehana.
Ho an’i Jesoa, ny fitiavana an’Andriamanitra tokana amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy manontolo sy amin’ny saina manontolo ary amin’ny hery manontolo no voalohany. Raha oharina amin’ny lazain’ny Deteronomy (Dt 6, 4), dia nampian’i Jesoa ny “saina” mba hitiavana an’Andriamanitra manontolo. Raha tiantsika ny ho lavorary sy tsy ho voaozongozona amin’ny finoana dia tsy maintsy mandalina sy mamakafaka, ka ny faharesena lahatra vokatr’izany fisainana sy fandalinana izany no hirosoana. Tsy midika anefa izany fa sty hisy instony ny fisalasalana, fa kosa tsy an-tery fa amin’ny fo te ho tia tahaka Ilay tia no hitandremana ny Didy. Mety misy hilaza hoe “ataoko inona izany, sady aiza no handalinako izany! Raha izany ny finoana maha-kristianina aleoko mankany amin’ny sekta”. Ny fandalinana dia manampy amin’ny fahitana ny zava-misy araka ny hevitr’Andriamanitra, tsy handaniana andro amin’ny “avonavon’ny be saina” anafenan’Andriamanitra ny misterin’ny fanjakany tsy akory, fa amin’ny fahaizana mibanjina sy mankafy amin’ny fo tony sy tsotra ny fiainana sy ny lalana mitondra mankany amin’ny hafenoany.
Tsy finoana fa finoanoam-poana ny fitadiavana tany malemy hanorenam-pangady. Tsy afaka ny tsy hanokana fotoana handalinana ny Baiboly sy ny finoana izay te hiroso amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy. Izany fitiavana an’Andriamanitra amin’ny saina manontolo izany no hahafahana misafidy marina tokoa ka hitiavana ihany koa ny namana tahaka ny tena (Levitika 19, 18). Atao ahoana no hitia raha ny fitiavana aza tsy hay akory hoe inona!
Ahoana anefa ny hiainana izany didy roa izany? Ho an’i Matio dia ny didy faharoa mitovy amin’ny voalohany (Mt 22, 39), ho an’i Joany (Jn 15, 17) dia Didy iray ihany no omen’i Jesoa: ny hifankatiavan’ny mpianatra; ho an’i Md Paoly dia ny fitiavana ny rahalahy no fahatanterahan’ny lalàna (Rm 13, 8-9), ny fitiavana ny hafa tahaka ny tena no fahatanterahan’ny lalàna rehetra (Gal 5, 14). Dia atao ahoana izany ny fitiavana an’Andriamanitra? Rehefa manao soa amin’ny hafa aho izany dia afaka tsy mivavaka alahady, sns?
Mazava loatra fa izay tsy tia ny rahalahiny dia tsy afaka ny hilaza fa tia an’Andriamanitra (1Jn 4, 20). Fa misy olona mitia ny hafa ve kanefa tsy tia an’Andriamanitra? Ny risika mety hitranga dia tsy fitiavana fa fitiavan-tena no manentana ny olona hanampy ny hafa: mba hisehosehoana sy hitadiavana voninahitra, na sanatria an’izany aza, hanambaniana ny hafa. Izay mahatsapa ny voalazan’i Osea amin’ny vakiteny voalohany anefa dia miaiky fa tsy ny herintsika na ny tanjaky ny soavaly na izay heverintsika ho fahaizantsika no hahazoantsika famonjena. Na ny famonjena ny tenantsika aza dia fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ka tokony hisaorana azy.
Izay manan-tsaina, hoy Osea Mpaminany, dia miaiky fa Andriamanitra no hiavian’ny voa. Raha manao soa aho izany, tsy amin’ny anaran’ny tenako, fa fizarako maimaim-poana izany fanomezana avy amin’Andriamanitra noraisiko. Raha mino aho fa avy aminy ny zavatra rehetra dia tsy maintsy hanokana fotoana araka izay tratrako mba hanovozako ny hafasoavana ao aminy (Vavaka, Litorjia, sakramenta, Fandalinana…)
Mazava koa ny valintenin’ilay Mpanora-dalana nanontany an’i Jesoa ka nolazainy fa tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra: ambony lavitra noho ny sorona dorana sy fanatitra hafa rehetra ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Araka izany, raha misy olona mila vonjy maika, izy no hovonjena sa ny lamesa? Izany no mahatonga ny Fiangonana ohatra, mandritra ny fihanaky ny valan’aretina iray, manapa-kevitra tsy hankalaza miaraka akory na dia ny lamesa alahady aza, satria ambony noho ny Sorona (Lamesa) ny fitsinjovana ny ain’ny olona.
Tsy fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra ny famelana ny vavaka mba hamonjena ny mahantra, hoy i Md Vincent de Paul, satria mandao an’Andriamanitra, ho amin’Andriamanitra ihany izany. Ny atahorana dia ny handaozantsika an’Andriamanitra sy ny fanompoana azy mba handaniana fotoana miaraka amin’ny mpanan-karena sy ny namana tsy mila vonjy.
Ampian’i Osea mpaminany isika mba tsy hiantehitra amin’ny mpitondra, na amin’ny tanjaky ny soavaly, fa hanala ny heloka rehetra sy handray izay tsara: miverena amin’ny Tompo (shub). Ny fahamarinan’ny fibebahana dia voaporofo amin’ny fandavana ny asan’i Satana ka hitiavana marina tokoa tahaka ny hitiavan’Andriamanitra antsika.
Ny fanovozantsika hery avy amin’ny Eokaristia anie hanavao ny fo amam-panahintsika ka hitia marina tokoa amin’ny fo tsy voazarazara.