Zoma III Fiaviana
- Izaia 56,1-3a.6-8
- Salamo 66
- Md Joany 5,33-36
Amin’ny Vakitenin’ny alakamisy fahatelo (Office des lectures : Izaia 32, 15—33,6) dia ambaran’Izaia Mpampinany fa ny fahamarinana no miteraka fiadanana ary vokatry ny rariny sy ny hitsiny ny fandriampahalemana maharitra, ary ny vahoakan’Andriamanitra honina amin’ny akanin’ny fiadanana, ao amin’ny fonenana tony, amin’ny toerana azo antoka na ho ripaka aza ny ala ka ho rava ny tanàna (and. 17-18). Ary amin’ny famaranana ny vakiteny dia ambaran’ny Mpaminany fa ao amin’ny Lalàn’Andriamanitra no misy ny antoka rehetra ho amin’izany.
Izany lalàna izany no averin’Izaia Faharoa: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. Fitandremana ny didin’Andriamanitra ny fitandremana ny sabata, izany hoe ny fametrahana Azy sy ny fandinihana ny Lalàny ho laharam-pahamehana. Fahatsiarovana ny Asany sy ny famonjeny amam-pahamarinany moa no antony hankalazana ny Sabata.
Mandeha lavidavitra kokoa anefa ny fampianarana ampitain’ny Mpaminany: ny fifikirana amin’ny Tompo sy ny fanompoana Azy no maha-vahoakany, ka ny sabata sy ny fanekem-pihavanana no fototra ijorian’izany fanompoana izany. Tsy natokana ho an’ny Jody ihany fa ho an’ny olon-drehetra ny trano fivavahan’ny Tompo izay hamenoany hafaliana izay voaangona ao.
Mila mandinika mandrakariva isika fa hafaliana no valisoa omen’ny Tompo izay manolotra sorom-pisaorana (Eokaristia) Aminy. Matoa tsy feno fatra ny hafaliantsika dia mazàna tys lavorary ny fisaorana, tsy misy toerana hahitana ny lafitsaran’ny fiainana intsony. Izany no hanentanan’ny Eglizy antsika mba hivavaka ny Prefasy mandrakariva, hikolokolo ny antom-pisaorana isaky ny handeha hamonjy Lamesa, indrindra ny alahady: mendrika sy rariny, ary mety sady mahavonjy, ka mahafeno fatra ny hafaliana ny misaotra an’Andriamanitra lalan-dava. Misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra ho antsika rehetra ao amin’i Kristy Jesoa (1 Tes 5, 18).
Ny fahaizan’ny tsirairay misaotra an’Andriamanitra no hahalalan’ny mpiray tanàna ny vonjin’ny Tompo ary ny mpiray tanàna miara-midera no hitaran’ny famonjena maneran-tany ka haha-masina ny anaran’Andriamanitra eran’ny vazan-tany (Sal 66 setriny).
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava amin’ny teny nolazainy. Ambaran’i Jesoa mazava amintsika anefa fa ny fanatanterahana ny asan’ny Ray, izany hoe ny hanangonana ny firenen-drehetra ho tonga vahoaka midera Azy an-kafaliana (araka ny henontsika amin’ny vakiteny I) no hanarahantsika ny lalam-pahamarinana natoron’i Jesoa ka mameno fiadanana ny fontsika.
Angatahontsika ary ny fihasoavana mba ho voatahiry ao am-pontsika maharitra ny hafaliana entin’ny Teny sy ny mety ho hazavana entin’i “Joany” ka hanova ny fiainantsika manontolo ho fanahafana an’i Kristy, ilay mivelona amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray sy ny manatanteraka ny Asany (Jn 4, 34).