Zoma II Paka
- Asa 5,34-42/
- Salamo 26/
- Md Joany 6,1-15
Ny finoana dia ny fanekena an’Andriamanitra sy fiekena ny fandaharany mahavonjy (Asa 2,23), izay tsy ho voasakan’izay hiseho ho mpiady Aminy (Asa 5,38) na izay manenjika ny marina noho ny tsy fahalalana (Asa 3,17). I Gamaliely, izay lazain’i Paoly fa nampianatra azy ny lalàna Jody araka ny tena izy (Asa 22,3) no nitsangana tao amin’ny Sanedrina hanambara fa rava ho azy izay hevitra na raharaha raha avy amin’ny olona ihany ary tsy hisy haharava kosa ny fandaharan’Andriamanitra. Ny hafalian’ny mpianatra voakapoka moa dia izay lazain’i Md Piera amin’ny Taratasiny fa arakaraky ny hiombonantsika fijaliana amin’i Jesoa no hitomboan’ny fiombonan-kafaliana Aminy koa (1P 4,13), ary arakaraky ny hitomboan’izany hafaliana izany koa no hitomboan’ny zotom-po hitory ny Evanjely sy hijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy, Izy no fahatanterahan’ny fampanantenan’i YHWH ho an’ny vahoakany.
Ny fangatahana tsy mahasasatra an’izay mahatsapa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra iainany, hoy ny Salamo, eny fa na dia mbola mila faharetana aza ny fiandrasana ny hahita Azy (Sal 26) araka ny tena toetrany any amin’ny tanin’ny velona (1Jo 3,2).
Ny Evanjely, rehefa avy nanadio ny fo amam-panahintsika amin’izay mety ho finoanoam-poana, ka mitondra antsika amin’ny finoana an’i Jesoa ilay Teny tonga nofo, fanambarana amin’ny hafenoany ny endrik’ilay Andriamanitra tsy hita, Andriamanitra fitiavana, tsy manam-paniriana hafa afa-tsy ny hahasambatra ny zanany rehetra, dia mampiditra antsika kosa indray amin’ny fomba hifandraisantsika aina amin’io Teny tonga nofo io, mba hananantsika ny hafenoan’ny fiainana.
Ny toko faha enina amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany dia fandalinana ny misterin’ny Teny tonga nofo, nofo tonga mofo, ary mofo zary aina, mamelona ny mpino ka mahatonga ny fiainany hifanaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra ka tsy hahita hanina hafa hivelomana afa-tsy ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray, amin’ny fiombonana amin’ilay manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay (vakiteny Sabotsy III Paka).
Amin’ny Evanjely anio: i Jesoa niakatra teny an-tendrombohitra ary nipetraka teo niaraka tamin’ny mpianany. Amin’ny faran’ny vakiteny dia i Jesoa irery no nankany an-tendrombohitra, “miakatra tendrombohitra avy eny an-tendrombohitra” izany. Ny zavatra voalohany azo tsoahina avy amin’izany dia ny fahatsapantsika fa tsy afaka ny ho mpianatr’i Jesoa izay tsy miara-mitoetra Aminy eny an-tendrombohitra. Ny Tendrombohitra izay “ambohim-pihaonana” amin’i YHWH, fisondrotana avy amin’ny zavatry ny tany mba hanandramana ny zavatry ny lanitra. Izany no vavaka: miara-mitoetra amin’i Jesoa eny an-tendrombohitra mba hiresaka amin’ny Ray, ka hahafahana mizotra amin’ny fiakarana miaraka Aminy koa any amin’ny voninahitr’ilay Jerosalema vaovao sady mandrakizay. Izany ihany moa no ambaran’i Md Lioka amin’ny efitrano ambony, ny Senakla, izay hahafahana mankalaza ny Eokaristia.
Rehefa miditra ao amin’ny vavaka isika no afaka manakaiky ny fotoanan’ny Paka, ny andron’ny fanafahana, hahafahana miditra amin’ny tany nampanantenaina, hahafahana mita ny ranomasina, miainga avy eny an-dafin’ny ranomasin’i Galilea ka hiditra ny “vohitry ny Tompo”, hiala amin’ny fiainana andevozin’ny fahotana, aloky ny fahafatesana ka hiditra amin’ny hafenoan’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy tafatsangan-ko velona.
Ao amin’ny vavaka koa no hahafahana manopy ny maso ka hahita ny vahoaka marobe noana sy mangetaheta ny mofo avy amin’ilay Ray, vahoaka mivavaka mba hahazo ny hanina sahaza azy isan’andro. ἐπαίρω (epairô) moa no nadika hoe “manopy”, fa raha ny heviny dia hoe manopy miakatra, mijery miakatra, miandrandra. Ao amin’ny toko faha 17,1 io teny io dia nadika hoe: niandrandra ny lanitra. Raha tazonina izay dikan-teny izay dia izao no lazain’ny vakiteny: niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nahita ny ireto vahoaka be nanatona Azy (Jo 6,5). Tsy hoe miandrandra hijery ny Ray tsy akory i Jesoa, satria efa mibanjina Azy mandrakariva Izy amin’ny fanaovana ny asa napetraka hotanterahiny (Jo 5,19snm) fa miandrandra kosa mba hijery ny vahoaka, miandrandra satria nilatsaka ambany (Kenosis) ho mpanompon’izy ireo. Ao amin’ny vavaka no hahafahantsika mijery ny hafa ka hilatsaka ho mpanompo, ho “andevo mpanasa tongotra” (Jo 13), hahita ka hibanjina azy ireo satria nohariana hitovy endrika amin’Andriamanitra izy ireo. Izay mibanjina ny Ray no hahalala ny endriny ka hahita ny fitovian’endriky ny zanany rehetra amin’ny Azy.
Ny fiarahana amin’i Jesoa eny an-tendrombohitra no mampiditra antsika amin’ny fibanjinana ny olombelona nohariana haneho ny endrik’Andriamanitra (צֶלֶם – tselem), ary voaantso hitovy endrika Aminy (דְּמוּת – demouth). Izany no hahafahana miaina araka izay lazain’i Md Paoly hoe: mifaninana hifanaja, προηγέομαι (proègeomai): hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rm 12,10).
Eo an-tendrombohitra i Jesoa no manontany an’i Filipo hoe: “Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo”. Ny teny ampiasain’i Joany moa dia ny hoe πόθεν (pothen), izay midika hoe “avy aiza”. Mamerina ny ahiahin’i Môizy mitaraina hoe “Aiza (אַיִן ‘ayin, Avy amin’ny inona) no hangalako hena homena izao vahoaka rehetra izao” (Fan 11,13). Ny valintenin’olombelona dia hoe: “avy amin’ny vola aman-karena, avy amin’ny denie 200”, izay karaman’ny mpiasa mandritra ny herintaona, saingy tsy hahavita inona akory izany. Tsy ny hamahana ny olona amin’ny hanina azo avy amin’izany harena izany anefa no laharam-pahamehana ho an’izay mpianatr’i Jesoa. “Ny olona tsy manana an’i Kristy, izay tsy mahalala Azy no faraidiny indrindra ety an-tany”, hoy i Mb Thérèse de Calcutta. Avy aiza no hividianana ny mofo? Avy any an-danitra. Ny “Mofo avy any an-danitra” irery ihany no afaka hahavoky ny vahoaka marobe manaraka ilay mpaminany ho avy eo amin’i Israely, ilay Môizy vaovao (Dt 18,15.18).
Tsy vidiam-bola anefa izany “mofo” izany. Indro i Andre ilay voalohany nahita an’ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra (Jo 1,40) no nahatsikaritra fa misy manana “mofo ôrja dimy sy hazandrano roa” ao. I Filipo mitanisa izay azo hovidiana, i Andre kosa milaza izay misy eo am-pelatanana. Zazalahy iray (נַעַר – na‘ar, jereo 2Mp 4,38, nadikan’ny LXX ho παιδάριον, paidarion – mpanompo) no tompon’izany mofon’ny mahantra izany (ôrja) ary izany no hozaraina ho an’ny vahoaka. Tsy mangataka amintsika ny tsy eo am-pelatanana Andriamanitra, fa miangavy antsika kosa hahafoy manontolo, ho fisaorana Azy.
Nasaina nipetraka ny vahoaka. Ho an’i Joany dia eny an-tendrombohitra, ho an’i Matio sy i Marka kosa izay milaza fa tany amin’ny tany efitra no niangonan’ny vahoaka, fa samy nasaina nipetraka tamin’ny ahitra maitso. Ilay Mpiandry ondry tokana no maniraka ny mpianany hampipetraka ny olony eo amin’ny vilo-maitso itondrany azy (Sal 22). Ahi-maitso ho an’ny ondry mandrakariva ny fankalazantsika ny Eokaristia.
Raha ny marina dia tsy milaza fampitomboana ny mofo ny Evanjely, fa fizarana ny mofo rehefa avy nanao ny fisaorana (εὐχαριστέω– eucharisteô). Tsara ho marihina fa ao amin’ny Evanjelin’i Joany dia i Jesoa no mizara ny mofo. Ny manangona ny sombiny sisa tsy lany no anjaran’ny Mpianatra. Ao amin’ny Evanjely sinôptika dia natolotr’i Jesoa ny mpianatra ny mofo mba hozarainy amin’ny vahoaka.
Mofo dimy sy hazandrano roa. Izay no teo am-pelatanan’ilay mpanompolahy kely. Ny boky dimin’i Môizy (Torāh), miampy ny Mpaminany (Nebhi’îm) sy ny Soratra (Ketoubhîm) no lovam-panahy teo am-pelatanan’ireo mpianatra voalohany, voairaka hamahana ny vahoaka. Hain’i Jesoa rahateo izay ataony, satria fantany fa Izy no ilay “mofo nidina avy any an-danitra”, hahavoky ny olon-drehetra manatona Azy. Ny finoana Azy no hananana ny fiainana mandrakizay. Izany no σημεῖον (sèmeìon), famantarana (fa tsy fahagagana) anehoana antsika ny fitiavan’ny Ray.
Anjarantsika ny manangona ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho very ny fanomezan’Andriamanitra. Ary ny antony hihinanana ilay “mofo” dia ny ho tonga “sombi-mofo” ihany koa, ho tonga tena iray amin’ilay nohanina (Jo 6,57). Anjaran’ny mpianatr’i Kristy araka izany ny manangona (συνάγω – synagô) ny vahoaka rehetra, hiombona amin’ny Apôstôly 12, hanorina ilay “Israely vaovao”, vahoaka mankalaza an’Andriamanitra ho Mpanjakany. Izany no sitrapon’ny Ray, dia ny mba tsy hisy ho very na dia iray aza izay mino AZY (Jo 6,39).
Tsy ny olona anefa no hanangana an’Andriamanitra ho Mpanjaka – mbola mila diovin’ny Hazofijaliana koa ny fiheverantsika momba ny Fanjakan’ny Lanitra mba hahafahantsika ihany koa manjaka tahaka an’i Kristy. Ny Lakroà no seza fiandrianany, ka tsy afaka ny ho mpanjakantsika Izy, raha tsy eo no hahitantsika Azy manjaka. Aleony miakatra irery any an-tendrombohitra toy izay mahita antsika mampifangaro ny fanjakany amin’ny fanjakazakan’izao tontolo izao. Tsy manery na iza na iza hanaraka Azy izy fa mampisafidy malalaka, mba ho fitiavana fa tsy tahotra no hizorantsika mamakivaky ny ranomasina hahatody antsika any am-pita miaraka Aminy.
Izy no fanilo sy vonjy ho antsika, ka iza no atahorantsika (Sal 26)?