Zoma I Karemy
- Ezekiela 18, 21-28
- Salamo 129
- Md Matio 5, 20-26
Ny toko fahavalo ambin’ny folon’ny Bokin’i Ezekiela (Dieu le rend fort, Andriamanitra no manome hery azy) Mpaminany dia fimenomenomana satria “ny ray no mihinana voaloboka marikivy ka ny zanany no madilo nify”. Ny hafa sy ny olona teo aloha no nanao ny nataony dia izay mandimby azy no mitondra faisana! Tsy mifanaraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra anefa izany, satria “ny fanahy izay manota dia izy no ho faty” (Ezek 18, 2-4). Marina fa misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny tsy manan-tsiny ny fahotan’ny sasany, mety hampitondra faisana ny taranany ny tsirambina ataon’ny ray aman-dreny, saingy tsy sazin’Andriamanitra izany fa vokatry ny fahotan’olombelona. Ambaran’ity Mpaminany ity ary fa voaantso ny tsirairay hiala amin’izay mety ho fahalovana sy tsy fahamendrehana mba hiditra ao amin’ny fiainana. Izany ihany no lalana mitondra amin’ny fahasambarana ka hampitondra fampivoarana ho an’ny fiainana manontolo.
Tsy misy olona afaka hiala tsiny fa efa nanao tsara taloha dia afaka manasa tanana amin’izay. Ny fanaovana ny tsara tsy ezaka fa fiainana. Tsy sanatria azo atao kajikajy ka rehefa mahavita be dia afaka mijanona amin’izay miala sasatra. Ny antony hialana sasatra dia mba hahafahana miatrika ny fiainana amin’ny hery vaovao. Ny fanafahana ny fahotana sy ny fidirana amin’ny fiainana dia tsy vitan’ny fombafomba sy ny “rituel”. Ambaran’i Daniela Mpaminany fa “amin’izao fotoana izao dia tsy manana mpanapaka na mpifehy, na mpaminany, na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra, na fitoerana hananterana ny voaloham-bokatra eo anatrehan’Andriamanitra ka hahazoana ny famindram-pony” (Daniela 3, 38).
Raha tsy fankalazana ny famindrampon’Andriamanitra sady fikônfesena (fanambarana am-pahibemaso) ny finiavana hibebaka ny Kônfesy, dia tsy hahasambatra velively, tahaka ny tsy mahasambatra ihany koa ny fanapahan-kevitry ny sasany tsy hikônfesy mihitsy satria tsy te hiala amin’ny ratsy na mihevitra fa tsy hahavita izany. Ny fibebahana no hahafahana miala amin’ny voka-dratsin’ny fahotana, hoy Ezekiela. Fahasoavana avy amin’Andriamanitra anefa izany fa tsy ambom-pon’olombelona. Ampian’ny salamo 129 isika mba hiandrandra ny Tompo, avy ato anatin’ny hantsan’ny fiainantsika ka hiandry ny teniny, tsy hiala eo anoloany satria eo anilany ihany no hahitantsika famelàna.
Izany fidirana amin’ny fiainana izany no mbola amafisin’ny Evanjely. Ahoana ny fomba hialana amin’ny ratsy? “Mampitombo ny fahamarinana mba ho lehibe kokoa noho ny an’ny farisiana sy ny mpanora-dalana” (Mt 5, 20). Ny Lalàna (Torah) no faratampon’ny fahamarinana takatr’ireo Jody. Dia izany lalàna izany no mila hiainantsika satria ny fahatanterahan’izay kendreny no mampiditra antsika amin’ny fiainana feno hasambarana. Torolalana manko ireo, ka izay no nahatonga an’i Jesoa hilaza fa “tonga hanatanteraka ny lalàna sy ny Mpaminany” Izy (Mt 5, 17).
Nanana ny fahendreny ny Ntaolo fa isika kosa matoky sy mino bebe kokoa ny fampianaran’i Kristy. Tsy ny tahotra ny fitsarana no “tsy hamonoana olona” satria izay mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana (κρίσις, krisis) ary izay milaza fa “tsy misy ilana azy” (ῥακά, rhakà = vaurien, imbécile-imbecillis=malemy ohatry ny kankana) ny rahalahiny dia tokony hoheloin’ny Sanedrìna, ary izay milaza azy ho “foka” dia hosaziana amin’ny gehen’afo (fandoram-pako). Mazava ny fomba fijerin’i Jesoa. Raha olona heverina ho “tsy misy ilana azy” na adala sy votsa saina no eo anoloanao dia voaaontso ianao mba hanome tanana azy. Mampisy heviny ny fiainana izany fanoloran-tena ho an’ny fahasambaran’ny hafa izany, ka “ny fanaovana izay tianao hataon’ny olona aminao” no fahatanterahan’ny lalàna. Raha ho avy izay andro maha-osa anao, tianao ve ny hihomehezan’ny olona sy hohafokainy?
“Ny adalan’ny tena tafian-damba”, hoy ny Ntaolo, fa tsy hihomehezana. Ka raha hitezeranao izy (ὀργίζω, orgizo moa raka ny fototeny ὀργή, orgè dia milaza ny hatezerana te hanasazy, te hamaly faty), raha ambanianao izy, raha afokainao izy, dia alanao baraka (sy ozoninao) araka izany ny havanao, ny rahalahinao, ary raha tsy fahafahambaraka ho anao izany, dia ny Ntaolo ihany no hitsara anao: “ny adalan’ny tena tafian-damba”, hoy izy ireo, ary ianao kosa mila handini-tena hoe: “inona moa no hilana ahy”!!!
Izany no iezahana mandrakariva mandinika sao mitondra alahelo ho an’ny hafa ny fiainantsika, satria fahafaham-baraka sy fahaverezan’ny hasin’ny fiainana eo anatrehan’ny olombelona izany, fa indrindra eo anatrehan’Andriamanitra. Noraisin’ny kristianina am-pahendrena ny fampianaran’i Jesoa fa tsy afaka ny hanolotra fisaorana izay tsy niaina ny fitiavana ka tsy nangata-pamelàna. Ohatra amin’izany ny voalazan’ny “Didakè” hoe “Amin’ny andron’ny Tompo, izay tsy mihavana amin’ny namany dia tsy tokony hiangona miaraka amintsika mialoha ny hiavanany mba tsy hahavoaloto ny Tolotra ataontsika” (Didakè 14, 1-2).
Ny famelana sy ny fihavanana no fanohitra hiadiana amin’ny vono olona sy ny valifaty. Ambaran’i Jesoa fa lalana tsy maintsy diavin’izay te ho any amin’ny fiainana ny fampihavanana. Tsy ho afa-bela amin’izany izay tsy te hihavana fa handoha hatramin’ny variraiventy farany. Tsy ho afaka ny ho sambatra na oviana na oviana izay miondana amin’ny fahorian’ny hafa. Mety hihevi-tena ho sambatra izy, fa na ho ela na ho haingana, ny tsirairay (raha mbola manan-tsaina koa, ka ho asan’izay te ho adala) tsy maintsy hamaly ity fanontaniana ity: “nataoko inona ny fiainako? Nampiasaiko hanaovan-tsoa ve sa nampiasaiko hitiava-tena sy hitadiavan-tombontsoa manokana tsy hampanan-karena ahy ho amin’ny fiainana mandrakizay?”
Fahasoavana ho antsika ny tenin’i Ezekiela mpaminany: tsy ny lasa sy ny fahotana mety ho vita no tompon’ny teny farany. Afaka miova sy miha-tsara avokoa isika ka ny fialàna amin’ny ratsy dia fitsanganan-ko velona, fidirana amin’ny fianana. Hanangan-ko velona antsika rehetra anie ny Fanahy Masina.