ZOMA I FIAVIANA
Izaia 29, 17-24/ Sal 26 / Md Matio 9, 27-31
“Mba asehoy ny herinao, ry Ray, ka tongava. Tahio izahay ho afaka amin’ny loza mananontanona vokatry ny fahotanay, ary rehefa navotanao, dia mba omeo ny famonjena”. Mandinika io vavaka fangatahana io aho eto dia lasa saina: omeo famonjena rehefa navotanao! Diso tsipelina ve sa izaho no tsy mahazo? Raha adika tsara ny amin’ny misselitalianina dia hoe : ny fiarovanao hanafaka anay ary ny fanampianao no hahavoavonjy anay.
Mitohy ihany ny fampianaran’Izaia mikasika ny herin’Andriamanitra izay mampitsimbadika ny fikasan’ny mpiavonavona. Iza tokoa moa no tsy maniry ny hahafongotra ny olon-dratsy sy ny jiolahy eto an-tany, indrindra rehefa ny tena no “victime”, lasibatra, saingy rehefa tonga ny fakam-panahy, ny “première occasion” mety hahazoan’ny tena tombontsoa manokana dia manjavona teo izany faniriana izany ka ny tena indray aza no mivadika ho jiolahy sy tratran’ny fahalòvana…
Izaia anefa mampahatsiaro antsika fa izay maniry izany fanjakan’ny fahamarinana izany ihany ka mitolona ho amin’ny fampanjakana azy eo amin’ny fiainana no hahita ny famonjena amin’ny andron’ny Tompo. Izay manetry tena hoy izy hitombo hafaliana, satria Izy Tompo no Fanilo sy Vonjy ho azy (Salamo 26). Ny fanirian’ny Mpanao salamo dia ny hahita ny hasoan’ny Tompo ety amin’ny tanin’ny velona. Ahoana tokoa moa no haniriana ny hifanatri-tava aminy raha toa ka tsy mba manandrana kely akory izany hatsaram-pony izany dia ny ety an-tany?
Mety hisy fahajambana ihany anefa ao anatintsika ao, mety hisy fahasahiranana amin’ny fitadiavana izay lalan-kombana. Mety mba manaraka an’i Jesoa tahaka an’ireo roalahy voalazan’ny Evanjely isika, naheno azy nanangana ny zanak’ilay Lehiben’ny sinagoga ka niantsoantso mafy mba hamindran’ilay zanak’i Davida fo, saingy manaraka an-jambany ihany. Lazain’ny mpandalina Baiboly moa fa fomban’i Matio ny mampitombo roa ny olona tantaraina, jamba roalahy: hilazana fa ny iray ilay tantaraina, ny iray kosa izaho izay mamaky ny Evanjely ka te hiara-dalana aminy. Ny fahazavana voalohany mitondra amin’ny fahasitranana dia ny fahatsapana fa jamba, ary ny fahatsapana fa misy hazavana any ho any, misy fiainana tsaratsara kokoa any ho any. Izany no hahafahana manaraka ny lalan’ilay hany afaka manome antsika izany.
Mila faharetana anefa izany fanarahana Azy izany. Tsy azony natao teny an-dalana ve izany no dia navelany hosahiranina ho tonga hatrany an-trano ireto jamba roalahy! Satria rehefa tonga tany an-trano vao nanontanian’i Jesoa izay irian’izy ireo: Moa mino va ianareo fa mahay manao izany Aho?
Mino va isika fa nandresy ny fahafatesana i Jesoa? Tsy fahita matetika indrisy ny olona vontom-pinoana maneho izany fandresen’i Kristy izany amin’ny fomba fiainany. Kanefa na izany aza, mitaky finoana avy amintsika ny valim-bavaka avy aminy: aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.
Mino ve isika fa azo foanana ny kolikoly? Mino ve isika fa afaka mandresy ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy ny olona? Sa sanatria an’izany mihanona amin’ny fomba fiteny mahazatra hoe: “olombelona moa ny tena, efa mahazatra, efa niezaka fa tsy nisy vokany” sns; fa ny tena loza dia sao sanatria tiantsika ny hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny, ny fitiavana sy ny fihavanana kanefa ny fomba fiainantsika kosa mifanohitra amin’izany: feno kolikoly, babon’ny fitiavan-tena sy ny tiakely, na sanatria vesaran’ny fiahiana ity fiainana ity, araka ny nampahatsiahivin’ny Evanjely ka tsy afaka ny hitombo sy hamokatra.
Ny fahitana ny asan’ny tanan’Andriamanitra eo amintsika, hoy Izaia no hanamasinantsika ny Anaran’Andrimanitra. Hanokanantsika fotoana àry ny handinika ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, ka hanamafisantsika ny finoana an’i Kristy nandresy ny fahafatesana ho antsika.
Miaraka aminy isika no mandresy.