Zoma fahasivy mandavan-taona
- Tsy ankasa Tobia 11, 5-17 / Salamo 145
- Ankasa 2 Timote 3, 10-17/Salamo 118, 157-168
- Md Marka 12, 35-37
“Ahoana no ilazan’ny Mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida?”
Efa voalazantsika tamin’ny momba ny lalàn’ny jabam, lévirat, fa nanao izay hameloma-maso ny rahalahy ny Jody mba hahafahana hamela taranaka hanohy hidera an’YHWH, fa indrindra indrindra koa mba hahafahana manantena ny ho “razam-ben’ny Mesia”. Tsy ny hiandry am-pitokiana ny fahatanterahan’ny Fampanantenan’Andriamanitra anefa no nirina fa kosa ny hahafahana mirehareha, ho voninahitry ny taranaka. Maha-sanganehana ihany anefa ny lazain’i Jesoa eto, na dia ho antsika koa asa, izay mihira fa “ilay taranak’i Davida ara-nofo” no nofidian’Andriamanitra ho Mesia, eny fa na dia nolazian’i Matio mazava aza fa “tsy nahalala an’i Maria i Josefa ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no anarany” (Mt 1, 25).
Ny antony ametrahan’i Jesoa amintsika ny fanontaniana, rehefa tsy sahy mametraka izany intsony isika, dia ny mba hahafahantsika mahalala marina tokoa hoe “iza Izy”. Ny vadin’i Orìa, izay novonoin’i Davida (2 Sam 11) no niterahany an’i Salomona izay voaraikitra ao amin’ny tetiaran’i Matio, i Natàna ihany koa dia zanak’i Betsabea, raha ny araka an’i Lioka no jerena. Tsy mitovy moa ny fitanisan’izy ireo hatramin’ny raiben’i Jesoa. Tsy hisy afaka ny hanaporofo ny fahamarinana na tsia ny amin’ny fifandimbiasan’ireo anarana ireo isika. Tsy dia izay rahateo no zava-dehibe. Adihevitra mety hamohehatra ny mpihaino aza izany ka tsy hahasoa akory, hoy i Md Paoly amin’i Timote (2 Tim 2, 14). Ny zavatra tsy azon’ny saintsika lavina kosa anefa dia ny hoe: manova ny fiainana manontolo ny fahalalàna fa fitiavan’Andriamanitra maimaim-poana no nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana ho Mesia hanafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny haizina.
Tsy i Josefa no niteraka an’i Jesoa, ary na ny dikanteny hitantsika ao amin’ny andininy 16 hoe “Maria (vadiny) izay niteraka an’i Jesoa” aza tsy mifanaraka amin’ny voasoratra amin’ny teny grika hoe “ἐξ ἧς ἐγεννήθη Ἰησοῦς ὁ λεγόμενος χριστός”: “avy amin’i (Maria) no nateraka i Jesoa ilay antsoina hoe Kristy”: (Mt 1,16). ἐγεννήθη moa dia “indicatif aoriste passif” avy amin’ny γεννάω, (gennao, miteraka), izay antsoin’ny mpandalina Baiboly hoe “passif divin”. Andriamanitra no niteraka avy amin’i (ἐξ) Maria ilay Mesia nampanantenainy an’i Abrahama (Jenezy 12, 3) sy i Davida (2 Samoela 7). Io fampanantenana io no niezahan’i Matio navoitra tamin’ny tetiara nataony momba an’i Kristy. I Lioka moa dia manana ny fitantarany manokana, nanangonany izay anarana rehetra hitany tao amin’ny Soratra Masina, hilazany fa i Jesoa, ilay Mesia dia zanak’i Adama, Zanak’Andriamanitra (Lk 3, 23-38).
Ny maha-Mesia (Kristy) sy ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy no niezahan’i Md Marka navoitra tamin’ny fitantarana ny Evanjeliny. I Simona Piera miaiky fa i Jesoa no Kristy (Mk 8, 29) ary ilay Tomponjato kosa manambara araka ny zavatra hitany fa ilay lehilahy voafantsika ka maty teo amin’ny Lakroà dia “tena Zanak’Andriamanitra” tokoa (Mk 15, 39). I Jesoa izay zanak’i Davida araka no nofo, satria tena olombelona tokoa, mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, araka izany no ilay “Zanaka lahitokan’ny Ray”, araka ny Fanahy (Rom 1,3), Andriamanitra tokana miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina.
Tsy misy afaka ny hiantso an’i Jesoa ho Tompo anefa, raha tsy entanin’ny Fanahy Masina, hoy i Md Paoly mampahatsiaro antsika (1 Kor 12, 3). I Davida araka izany, tao amin’ny Fanahy Masina dia nitsaoka an’ilay Fampanantenan’Andriamanitra ho “Tompony”. Faminanian’ny Salamo 109 moa izany. Ilay taranany no antsoin’i Davida ho Tompony. Asan’ny Fanahy Masina izany. Izy kosa manaiky hitoetra eo an-kavanan’Andriamanitra, ho tanan-kavanan’Andriamanitra, hanaiky hanao ny sitra-pony, na dia Andriamanitra ihany aza no hanao ny fahavalony ho fioeran-tongony.
Tompo (κύριος kurios, ) moa no nandikana ny Adonai, izay nentin’ny Jody hamakiana sy nanononana ny anarana tsy azo tononina YHWH, saingy nentin’ny Kristianina kosa hilazana ilay “Tompo” nasandratra eo an-kavanan’Andriamanitra (Mk 12, 35-37), Izy ilay Teny nahariana ny tontolo, niala tamin’ny fomba naha-Andriamanitra Azy (Fil 2, 11) fa natsangan’ny Ray ho Tompo, eo an-kavanany, izany hoe ho Tompo haneho ny fiandrianan’Andriamanitra, “tanan-kavanana” irakiraka manao ny asa, amin’ny alalany no hanasoavan’Andriamanitra antsika sy hanomezantsika koa voninahitra an’Andriamanitra.
Avy amin’ny alalany no andraisantsika ny Fanahy Masina avy amin’ny Ray, ny fiantsoana ny anarany sy ny fanaovana antsika batemy amin’ny anarany no idirana amin’ny famonjena. Ary noho Izy ilay “Kristy”, voahosotr’Andriamanitra, ho an’Israely araka ny fampanantenana sy ny Soratra Masina, dia manankery hitarika ny olon-drehetra hanatona Azy, hiray aina Aminy ka hibebaka sy ho voavela heloka.
Tsy fanatanterahana ny fanirian’olombelona, na ny fanirian’i Davida ny ho razamben’ny Mesia na ny an’Israely ho fianakaviana iray aminy, araka izany no notanterahin’Andriamanitra, tsy ny maha-zanak’i Davida Azy koa no maha-lehibe an’i Kristy fa ny maha-Tompo Azy. Tsy ny fahatanterahan’ny faniriantsika sanatria no hifaliantsika ao amin’ny Fanahy fa ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra. I Jesoa noTompo nirahin’ny Ray mba hamonjy ny olombelona rehetra ka miantso azy rehetra ho tonga fianakaviana iray Aminy.
Hitombo ao amintsika anie ny finoana an’i Jesoa Kristy, ho Tompo sy Mesia.