Zoma fahafolo mandavan-taona
- Ankasa: 1Mpanjaka 19,9-16/Salamo 26
- Tsy ankasa: 2Kôrintianina 4,7-15/Salamo 115
- Md Matio 5,27-32
Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo (and. 20).
Resaka fijangajangana sy fisaoram-bady no lazain’ny Evanjely. Misy zavatra enina lazain’i Jesoa (Mt 5,21-48) raha tiantsika ny hihoatra ny fahamarinan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalana. Omaly ny voalohany, tsy izay mamono olona ihany fa koa izay manakana ny hafa tsy ho sambatra sy ireo manao tsinontsinona ny fahalemena sy ny mety ho kileman’ny hafa ka manambany azy, dia hohelohina amin’ny gehena.
Anio dia mikasika ny fianam-piombonana eo anivon’ny fianakaviana sy ny tokantrano. Tsy ny fijangajangana voararan’ny lalàna (Eks 20,14; Dt 5,18) ihany manko no mety hanakorontana ny fiainam-pifankatiavana izay irin’ny olona handavorariana ny fiainany araka ny fandaharan’Andriamanitra fa poizina mamono izany ihany koa ny fitsiriritana, izay voararan’ny Lalàna ihany koa (Eks 20,17; Dt 5,21). Ho an’i Jesoa, ny ati-fo lalina no toerana ikotrehan’ny fahalotoana ireo poizina mahafaty avy aminy ka ipoiran’ny ratsy rehetra. Na ny maso na ny tanana, varavarana idiran’ireo fitsiriritana ireo, dia mila folahina sy beazina. Io moa no ampianarina amin’ny hoe “mortification”. Tsy zavatra mandeha ho azy ny fahaizana mifehy tena, indraindray mitaky fahafoizana sy fandavan-tena, hatramin’ny “fanesorana ny maso ankavanana” na ny fanapahana ny “tanana havanana”, izany hoe ny fahafoizana ny tsara (havanana) mba hahazoana ny tsaratsara kokoa.
Tamin’ny andron’i Môizy dia voatery manome taratasy fisaoram-bady izay mieritreritra ny hisaraka. Ny antony moa dia mba hiarovana ny zon’ny vehivavy izay matetika voaroaka, ka raha sanatria manambady tsy misy io taratasy io dia azon’ilay tompom-bady endrikendrehana ho nijangajanga, ka vonoina toraham-bato. Ny fanambadiana tsy maintsy sarahina araka ny lalànan’i Môizy dia izay mety mitranga amin’ny iray ra (mpihavana: Lev 18). Ny hamafin’ny fon’ny olona no nahatonga an’i Môizy hanome alalana hisao-bady, hoy i Jesoa (Mt 19,8), fa ny fandaharan’Andriamanitra dia ny hiraisan’ny mpivady ho nofo iray mandrakizay. Mariky ny fitiavana ny faniriana ho doria. Matoa rava ny fitiavana dia satria fitiavan-tena no fototra nijoroany. Tsy misy olona tsy mendrika hotiavina ary arakaraka ny tsy fahamendrehan’izay tiavina no maha lehibe ny fitiavan’izay tena tia. Fony isika mbola mpanota no maty ho antsika i Kristy, hoy Md Paoly (Rm 5,8).
Tsy fanaovana tsinontsinona ireo mijaly am-panambadiana tsy akory izany, kanefa kosa eo indrindra no iantsoana sy hanohanana azy ireo hijoro ho vavolombelon’ny fitiavana, hanambara amin’ny fiainany sy ny faharetany fa “mahery noho ny fahafatesana ny fitiavana ka ny tondra-drano tsy hahafaty ny afony” (Ton 8,6-7). Izay mino an’i Kristy dia antsoiny hanambara amin’ny fiainana ny fitiavany izay ankalazaina ao amin’ny sakramentam-piombonana manambara ny nanolorany ny Tenany ho an’ny Eglizy, ary manokana amin’izany ny Fanambadiana, hoy i Md Paoly (Ef 5,32).
Hahay hanomana ny tanora amin’ny fifankatiavana marina anie ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny Fiangonana, hampianatra azy ireo hahay “hanesotra ny maso” sy “hanapaka ny tanana” mety mitondra amin’ny fanafintohinana, ka hahaizan’izy ireo mifady ny lalana mankamin’ny filibana sy mifehy tena. Ho taratry ny fitiavan’i Kristy koa anie isika, hahay hanohana sy hikolokolo ny fifankatiavana ao an-tokantrano, ary ho tohana sy hery ho an’ireo misedra ny mafy noho ny fahalemen’olombelona tsy voafehin’ny fahendrena intsony.
Ho tsaroan’ny Fianakaviana tsirairay anie fa ny fiaraha-mivavaka no fanalahidy mampiposaka ny “masoandron’ny fiainana” ao an-tokantranony, satria na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarany dia eo afovoany i Kristy (Mt 18,20).