Zoma fahaenina amin’ny fankalazana ny Paka
- Asa 18, 9-18/
- Salamo 46/
- Md Joany 16, 20-23
Mitantara ny fitorian’i Paoly tao Korinto (faritr’i Akaîa) i Md Lioka. Azo jerena amin’ny fitantarana ny tribonaly teo anatrehan’i Galiôna governora tao tamin’izany ny fomba fijerin’ny olona ny Kristianina tamin’izany. Izao manko ny valintenin’i Galiôna tamin’ireo niampanga an’i Paoly sy ny Kristianina: “ny amin’ny ratsy natao na ady heloka no ihainoako ny fitorianareo, fa raha ady hevitra momba ny fampianarana na ny anarana ary ny lalànareo kosa, raharahanareo izany fa tsy hitsara an’izany aho”. Mitovy amin’ny fivavahana Jody na karazana sekta avy ao ihany izany ny Kristianina ka manana zo sy fahalalahana tahaka azy ireo. Ny fikapohana an’i Sôstena teo anatrehan’ny Tribonaly dia manamafy araka izany ny hatezerana tsy manohitra ny kristianina fotsiny fa ny jody manontolo. Na izany aza anefa dia nitoetra andro vitsivitsy tao i Paoly dia niverina any Antiokia niaraka amin’i Prisila sy Akilasy.
Ny Evanjely dia milaza ny alahelo ho zary hafaliana, tsy fifamadihan’ny rasa tsy akory, satria tsy mamaly faty Andriamanitra fa miantso ny olon-drehetra amin’ny hafaliany, ary manome ny fahasoavany mba hahatsapan’ny mpianatra kosa ny hasina sy ny hevitry ny hazofijaliana. Ny fahitana an’i Jesoa no mamerina indray ny hafaliana, ny fibanjinana Azy nahatanteraka ny nanirahana azy ka nanolotra ny ainy fa nitsangan-ko velona no hahitantsika Azy indray velona eo anivontsika, ary monina miaraka amintsika mandrakizay.
Ny hoe “vehivavy” ampiasain’i Joany eo amin’ny fanombohana sy fiafaran’ny Evanjeliny moa (2,4; 19,26), ilay Samaritana (4,7.9b.11.15.17.19.21.25.27.28.39), ilay mpijangajanga (8,3.4.9.10) sy Maria Madelena (20,13.15) – dia entiny hilazana ny “vahoakan’Andriamanitra”, ilay “Zanakavavin’i Siona”, fokom-pirenena nipoiran’i Jesoa, fa hilazana ihany koa ny Fiangonana, ilay “Fofombady” andrasan’ilay Mpampakatra. Ampitahain’i Jesoa amin’ny fahorian’ny vehivavy mihetsi-jaza ny fahorian’ny mpianatra miandry ny hafenoan’ny hafaliana amin’ny fahatanterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, entiny ilazana ny fahavokaran’ny fahoriana iaretana am-pinoana handraisana anjara amin’ny fandaharam-pamonjen’ny Ray.
Tsy mandeha ho azy anefa izany. lazain’i Izaia Mpaminany fa mba bevohoka ihany kanefa dia tsy niteraka afa-tsy rivotra raha toa ka tsy manome ny famonjena ho an’ny tany (Iz 26, 17-19), kanefa izay irin’Andriamanitra mba ho amin’ny fahavelomana dia azo antoka fa ho tanteraka (Iz 66, 9), na dia mila miandry am-paharetana aza (Rm 8, 25).
Ny Misterin’ny Paka no nahaterahan’ilay Adama vaovao any amin’ny voninahitry ny Rainy. I Jesoa Kristy maty teo amin’ny hazofijaliana no ambaran’ilay Adama, natory tamin’ny torimasony (Jenezy 2, 21-22) ka namoronan’Andriamanitra an’ilay Eva vaovao, renin’ny olombelona rehetra, dia ny Eglizy. Hoy ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika momba izany misterin’ny fahaterahana izany:
766. Ny Fiangonana anefa, dia teraka indrindra tamin’ny fanoloran-tenan’i Kristy manontolo ho amin’ny famonjena antsika, nataony mialoha tamin’ny fanorenana ny Eokaristia ary tanteraka teo amin’ny Hazofijaliana. “Ny fanombohana sy ny fitomboan’ny Fiangonana dia voambara amin’ny ra sy ny rano nivoaka avy tao amin’ny lanivoan’i Jesoa nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana” (LG 3, Jn 19, 34). “Satria tao amin’ny lanivoan’i Kristy nodimandry teo amin’ ny Hazofijaliana no teraka ny sakramenta mahatalanjon’ny Fiangonana manontolo, famantarana velona manambara an’Andriamanitra” (SC 5). Tahaka ny namoronana an’i Eva tamin’ny taolan-tehezan’i Adama rendrika tao anatin’ny torimaso, no nahateraka koa ny Fiangonana tao amin’ny fon’i Kristy voalefona, fony Izy maty teo amin’ny Hazofijaliana (jer. Md Ambroise, Luc. 2,85-89).
Teo no nanomezany ny Fanahy (Joany 19, 30), izany hoe nananganany ireo “rahalahiny” rehetra ho tonga zanak’Andriamanitra, ka tsy ho kamboty intsony ary afaka miantso ny Ray iombonana hoe “Abba” (Galata 4,6). Io Fanahy io no ho Mpanafaka alahelo mandrakizay ho an’izay mananiky hotarihiny ho amin’ny hafenoan’ny fahamarinana.
Ny Paka no hafenoan’ny fanambaran’Andriamanitra, hanomezany ny Fanahiny, ka hahafahan’ny Mpianatra mahazo sy mahatsiaro izay rehetra nampianarin’i Kristy, ka tsy hanontanian’izy ireo na inona na inona intsony amin’i Jesoa.
Ny nanandratana an’i Jesoa ho eo an-kavanan’ny Ray anie hanamafy ny finoantsika Azy monina eo anivontsika ary hamelona ny fanantenantsika hanaiky hotarihin’ilay Fanahy nomeny antsika hivelomantsika amin’ny maha-zanaka malalan’ny Ray, hitafy ny toetra tsy mety maty hahasambatra mandrakizay (vavaka fangatahana).