Zoma faha-dimy mandavantaona
- Tsy ankasa Jenezy 3, 1-8/Salamo 31/
- Ankasa 1 Mpanjaka 11, 29-32; 12, 19/Salamo 80/
- Md Marka 7, 31-37
Tamin’ny fitantarana ny martirin’i Joany Batista, (tamin’ny Zoma IV Marka 6, 14-29) dia asian’i Md Marka tsindrimpeo ny lazan’i Jesoa, araka ny valin-teny nomeny ny mpianatr’i Joany: mahiratra ny jamba, sitrana ny mandringa, toriana amin’ny malahelo ny Evanjely (Mt 11, 5). Faminanian’Izaia moa izany: hitsangana ny maty (Iz 26, 1), handre ny marenina (Iz 29, 18), hahita hazavana ny jamba (amin’ny alarobia VI) ary hiteny tsara izay mibadabada fiteny (Iz 35, 5-6) araka ny henontsika amin’ny Evanjely anio. Izany rehetra izany dia fanehoana ny fitoriana ny Evanjely amin’ny mahantra (Iz 61,1).
Raha raisintsika ny fitantaran’ny Evanjely anio dia mbola any amin’ny faritanin’i Dekapoly ihany no mizotra ny tantara, tany no nandroahan’i Jesoa demony, ary any koa no mbola lazain’i Marka fa nahatanteraka ny faminanian’i Izaia. Tsy voafetra ho an’Israely ny famonjen’Andriamanitra. Tao no nisy lehilahy marenina (κωφός) no moana (μογιλάλος). Raha adika ara-bakiteny dia olona manana fahasahiranana amin’ny fihainoana ary raha ny fototeny κόπτω (koptò) no jerena dia olona tsy afaka nifandray intsony amin’ny hafa ka mijaly noho izany fisarahana izany. Tsy moana loatra izy fa manana fahasahiranana (μόγις) amin’ny fitenenana. Ary olona no nitondra azy teo amin’i Jesoa mba hametrahan-tanana.
Moa ve tsy ny fomba firosoana amin’ny sakramenta no lazain’i Marka amin’izany? Tsy afaka ny hanatona an’i Jesoa sy handre ny feony isika raha tsy tantanan’ireo efa nahazo ka nandray ny teniny. Ireo no raiamandreny mpiantoka amin’ny batemy, ny katesista sy ny mpiandraikitra izay manana adidy hitarika ny olona ho any amin’i Jesoa. Mampalahelo anefa fa indraindray ny fandraisana andraikitra sy ny latsak’emboka no mahamay ny sasany, fa tsy ny fampianarana ny Tenin’ny fiainana hahafahana mihaino sy miteny ka hahafahana midera an’Andriamanitra.
I Jesoa kosa mitondra miavaka izay rehetra manatona azy, mba hahatonga azy tsy hifangaro intsony amin’ny vahoaka fa ho masina, voatokana ho Azy (קֹדֶשׁ=qodêsh). Tsy ny fahaizan’i mompera mitoriteny anefa na ny fahazotoan’ny katesista no mampisokatra ny fon’ny olona handray ny fahasoavana fa
- ny ratsan-tanan’Andriamanitra (fitiavany manokana manaiky hifampikasoka amintsika)
- ny aina avy aminy (ny rora manko araka ny foto-pisaina tamin’izany dia heverina ho fivainganan’ny fofon’aina, ny fahasoavana arotsaky ny Fanahiny) ary
- ny vavak’i Kristy (sy ny Fiangonana) miandrandra ny Ray.
Ireo no mamaha ny olona amin’izay manakana azy tsy hifandray amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Ny fahasitranana avy amin’izany no hahazoany manavaka ny fampianaran’ny Evanjely amin’izay fampianarana hafa rehetra efa mety ho henony (ouï-dire). Teny samihafa manko no ampiasain’i Marka fa samy nadika hoe sofina moa izy ireo: nokasihan’i Jesoa tamin’ny ratsantanany ny sofina (τὰ ὦτα, οὖς, sofina) ary nisokatra ny sofiny (αἱ ἀκοαί, ἀκοή, ny fandrenesana, fa entina hilazana ihany koa ny fampianaran’ny Evanjely): misokatra ny fandrenesana ka afaka mandre sy mandray ny fampianaran’ny Evanjely.
Izany no vavaka ἐφφαθά (ephphatha, פָּתַח) ataon’ny Eglizy amin’ny Batemy: “I Jesoa mampalady ny marenina sy mampiteny ny moana anie hanampy anao hahazoanao mandre haingana ny Teniny sy mitory ny finoana Azy, hanomezana dera sy voninahitra an’Andriamanitra Ray”.
Lazain’i Md Marka fa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa. Eo ihany ilay tsiambaratelo “secret messianique” averimberin’ny Evanjelista fa tiany asiana tsindrim-peo koa fa tsy afaka ny tsy hitory ny Evanjely izay nandray azy. Loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho, hoy i Md Paoly (1 Kor 9, 16).
Ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra anie ny teny aloakan’ny vavantsika vita batemy ka tsy ho teny miolankolana (μόγις) fa ho teny mahitsy (ὀρθός) hitarika izay mandre azy ho amin’ny fahasambarana. Afaran’i Jesoa rahateo isika tsy hiroroa lela (Mt 5, 37).