Zoma faha-33 mandavantaona
- Ankasa Fanambarana 10, 8-11/Salamo 118
- Tsy ankasa 1 Makabeo 4, 36-59/1 Tantara 29, 10-12
- Md Lioka 19, 45-48
Efa voasoratra fa ny tranoko dia trano fivavahana, nefa ianareo kosa manao azy ho zoin’ny mpangalatra.
Izay mandray ka mivelona amin’ny Teny voasoratra, izany hoe mitsakotsako sy mitelina azy, mandany fotoana mandinika azy, maka fy, maniry te hahafantatra ny heviny ary manaiky ny hovany, na dia mangidy ao an-kibo aza izany, dia tonga mpaminany, vonona hijoro ho vavolombelon’ny Fitiavan’Andriamanitra (Fanambarana 10, 8-11). Mivoatra tsikelikely satria manaiky hotefen’ny Tenin’Andriamanitra mba hahafantatra ka hanahaka ny Endriny. Mihoatra ny volamena sy volafotsy, hoy ny salamo 118 ny hasarobidin’ny Lalàna sy ny Fanambaran’Andriamanitra ary mameno hafaliana ny fon’izay liana aminy ny baikon’Izy Tompo.
I Jesoa dia nanaiky hisedra ny fankahalan’ny lehiben’ny Mpisorona sy mpanora-dalàna ary ny loholona izay nitady hahafaty Azy. Izany fanekena izany dia mifototra amin’ny fanekena izay voasoratra fa “trano fivavahana ny tranon’Andriamanitra”.
Mampalahelo ihany ny mandinika ny fanampahan-kevitra sasany ara-pastoraly, handaniana fotoana bebe kokoa ao am-piangonana mba hitadiavam-bola fa vitsy ny fotoana laniana mbahitadiavana fomba hampianarana momba an’Andriamanitra sy hitiavana azy bebe kokoa ary mba hifankatiavan’ny zanak’Andriamanitra araka ny hitiavan’Andriamanitra antsika. Vokatr’izany dia na ny fivoriana aza, indraindray, mifantoka amin’ny resa-bola fotsiny no andaniana fotoana. Ny an’ny sasany aza, ny Tenin’Andriamanitra no atao fitadiavam-bola, hoy i Md Paoly (2 Kor 2, 17).
Tsy ny fiangonana “trano ivavahana” ihany anefa no voakasik’izany fa ny fontsika ihany koa, izay tempoly onenan’ny Fanahin’Andriamanitra. Ny vavaka dia tsy famerenana tsianjery na sanatria an’izany famerimberenana piliavava fotsiny. Ny famakiana sy ny famerimberenana (sapile na sahala amin’izany, ny rites), dia manampy be dia be ho an’izay te handalina ny finoany, ka mampiasa ireny ho fitaovana hahalalana sy hitiavana bebe kokoa an’Andriamanitra sy ny namana. Ny vavaka dia firesahana amin’Andriamanitra. Izay no mahatonga ny fahanginana ho sarobidy ho an’izay tena te hiroso lalindalina kokoa amin’ny vavaka.
Raha resaka araka izany ny vavaka, dia ny fahatsapana ny maha-eo ilay iresahana no fiantombohan’ny resaka. Azo lazaina ho fivavahana ary ve ny ataontsika manao tsianjery kanefa tsy misy saina na fo mba mahatsiaro sy mahatsapa fa eo anivontsika Andriamanitra! Ny antsoina hoe “recueillement” hiomanana amin’ny fivavahana araka izany dia mba hanaovana ny atao hoe “expérience de Dieu”, hanandramana ny hamamin’ny fiombonana amin’Andriamanitra hiantefan’ny resaka atao amin’ny fivavahana.
Trano fivavahana ny tranon’Andriamanitra. Trano ampianaran’i Jesoa antsika isan’andro mba hahalalantsika ka hibanjinantsika ny tena endrik’Andriamanitra marina, ary hanafaka ny fontsika amin’ny mety ho fanangolen’i Mamôna. Ekentsika hiantrano ao amin’ny tempolontsika anie ny Tenin’Andriamanitra ary angatahontsika Izy mba hampamiratra ny tavany amintsika ka hahafahantsika mibanjina Azy, tsy amin’ny misterin’ny Finoana ihany, fa indrindra indrindra eo amin’ny fiainana andavanandro ao amin’ny madinika sy ny ory izay sitrany hisehoana mba hotiavintsika.