Zoma faha-31 mandavantaona
- Ankasa Filipy 3, 17-4,1/Salamo 121
- Tsy ankasa Romana 15, 14-21/Salamo 97
- Md Lioka 16, 1-8
Ny toko faha-16 dia heverina fa famaliana ny fanontaniana teraka amin’ny tsoa-kevitry ny toko faha-15. Raha tsara fanahy na dia amin’ny zanany nandany ny hareny aza Andriamanitra, inona no tokony hamakiana loha? Dia ho sarotiny amin’izay mety ho henony mandrobaroba ny fananany ve izy?
Ambaran’i Jesoa amintsika androany ny tokony hampiasantsika ny harena tsy marina hitadiavana harena maharitra. Lazainy fa harena tsy marina (sandoka, ἄδικος adikos= tsy ara-dalàna, an-kafetsena… ny Mammon kosa, avy amin’ny teny arameana, dia adika hoe Harena) ny haren’ny tany, ary ambarany fa tsy antsika akory aza (and.12) ka tokony hotantanana am-pahamalinana, ary hararaotina mba hahazoana sakaiza, rehefa ho avy ny andro izay haharerahana, ka tsy hahafahana mampiasa ireo harena ireo intsony, satria ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny haben’izay ananay (Lk 12, 15). Καὶ ἐγὼ ὑμῖν λέγω, ἑαυτοῖς ποιήσατε φίλους ἐκ τοῦ μαμωνᾶ τῆς ἀδικίας, ἵνα ὅταν ἐκλίπῃ δέξωνται ὑμᾶς εἰς τὰς αἰωνίους σκηνάς, raha adika ara-bakiteny io andininy io dia hoe : Koa Lazaiko marina aminareo, aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo namana handray anareo any amin’ny tranolay mandrakizay rehefa hanjavona (ἐκλίπῃ = eklipsa = tsy hita intsony) ireo harena ireo (Lk 16, 9, fanombohan’ny Evanjely rahampitso).
Raha ny marina, ilay mpitandrim-pananana dia nihevitra ny fananana notantanany ho azy ka nanaovany izay tiany hatao. Hakàna tombony amin’ireo izay misambotra na voatery manefa trosa. Tsy zavatra mifanalavitra amin’ny zava-misy iainana andavanandro io. Impiry no mahita raiamandreny na mpanabe mitaky zavatra tsy mba niainany ary tsy heveriny hiainana akory amin’ny beazina sy ny zanaka, hany ka mampitondra trosa tsy eran’ny aina azy ireo! Impiry koa ny mpitondra no fantsihana amin’ny hazofijaliana nefa ny entina tsy misy manao ny adidiny sy ny andraikiny, saingy ny miezaka sy ny tsy manan-tsiny no iankinan’ny rihatra!
Ampianarin’i Jesoa isika hianatra ilay mpitandrim-pananana nodokafany satria fetsy ary na dia tsy hahazo hitantana ny fananan’ny tompony intsony aza dia hanana izay hianteherana kosa avy eo. Raha ny marina dia tsy nangalatra izy araka izany. ahoana no hideran’ny tompony azy raha toa ka nanao izany? inona ary no nataony?
Mahazatra ny mitaky menaka 100 barika raha 80 no tokony halonan’ilay nitrosa. Ny 20 tsy miditra any amin’ny “patron” fa any am-paosy. Naleony nahafoy ny roapolo araka izany mba hahazoana sakaiza, ka sady mandravona ny ara-taratasy amin’ny tompony izy no nahazo fihavanana amin’ilay nitrosa.
Raha isika tsirairay avy no mitaky ihany izay sitrak’Andriamanitra alohan’ny hafa, ary tsy misy hitady tombony ho an’ny tenany, dia maro ny olana ho voavaha amin’ity tany ity. Saingy na dia amin’ny kristianina manohy mivavaka alahady aza misy manao antom-pivelomana ny fametsena ny hafa amin’ny fanararaotana azy ao anatin’ny fahatereny.
Ho tsaroantsika anie fa izay manome ny mahantra mampisambotra an’Andriamanitra (Oh 19, 17), ka hahaizantsika mitantana izay harena rehetra nomen’Andriamanitra antsika, satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy halàna amintsika ny fitantanana izany.