Zoma faha-29 mandavantaona
- Ankasa Efezy 4, 1-6/Salamo 23
- Tsy ankasa Romana 7, 18-25/Salamo 118
- Md Lioka 12, 54-59
Ahoana no tsy hahafantaranareo izay marina? Mitovy amin’ny fomba hahafantarana ny orana miforona ho orana no tokony hahalalana ny andro diavina hoy i Jesoa. Mampalahelo anefa fa mora kokoa ny mifantoka amin’ny zavatry ny tany ary indraindray, tsy hoe tsy takatry ny saina fa iniana tsinontsinoavina ny zavatry ny lanitra. Ry Mpiantsaravelatsihy!
Tamin’ny zoma heriny (faha-28), dia izay no nanombohan’ny toko faha-12, dia izay koa no amaranan’i Md Lioka azy. Tsy ireo Farisianina ihany anefa no mila loza fa ny mpianatra nila hifanosy koa, izy ireo no nilazan’i Jesoa mba hitandrina amin’izay mety ho asan’ny haizina. Ny ὑποκριτής (hupokrites, mpiatsaravelatsihy ny dikantenintsika) moa dia tsy maintsy hiverina amin’ny maha-izy azy na ho ela na ho haingana, satria entin’ny grika ilazana ny mpilalao an-dapihazo io teny io, ka rehefa vita ny fampisehoana dia tsy maintsy hiverina amin’ny asany sy ny fiainana mahazatra azy ilay “mpiandry omby” mety nilalao ny anjaran’i Faraona nandritra ny fampisehoana an-dapihazo. Tsy maintsy hikatona ny “rideau” hoy i Jesoa, ka rehefa vita ny fampisehoana an-dapihazo dia tsy tokony hahamenatra izay maha-izy antsika: zanaka tian’Andriamanitra. Matoa isika azon’ny tahotra dia satria tsy latsa-paka ao amintsika izany fitokisana ny fitiavan’ny Ray izany.
Anjarantsika araka izany ny mandinika na ny lalivain’ny Farisianina na ny lalivain’ny Fanjakan’ny lanitra no avelantsika hiasa ao amintsika. Aleo very tsikalakalam-bola hoy ny Ntaolo, toy izay very tsikalakalam-pihavanana. Ny loza anefa, firifiry ny mpianakavy sy ny mpiara-monina no tsy mifandevi-maty noho ny adilova sy ny resa-bola. Inona tokoa moa ny marina mihoatra noho izay mampitombo ny fifankatiavana! Tadiavo izay hihavanana dieny mbola eny an-dalana, hoy ny Evanjely. Fiainana iray ihany manko no ananantsika ka rehefa tonga rafahafatesana tsy misy fiverenan-dalana intsony.
Eny an-dalana izay diavintsika dia misy manana ady amintsika, izany hoe olona na zavatra mety hamily antsika tsy hanaraka ny tokony hatao (ἀντίδικος antidikos), ka anjarantsika no mamantatra (κρίνω krino) izay tokony ho izy mba tsy hanenenana, izay marina, na ny marimarina kokoa, izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra (δίκαιος dikaios). Raha i Jesoa no eto amin’ny toerako, hoy ny olomasina sasany, inona no nataony?
Hitombo finoana anie isika ka hahay hamantatra ary hanana fahasahiana sy herim-po (courage) hanao izay mifanaraka bebe kokoa amin’ny mahasoa sy mahasambatra antsika, satria izany no sitrapon’Andriamanitra.