Zoma faha-25 mandavan-taona
- Ankasa: Mpitoriteny 3,1-11 /Salamo 143
- Tsy ankasa: Akjea 1,15b–2,9/Salamo 42
- Md Lioka 9,18-22
Taorian’ny filazana ny fieritreretan’i Herôda momba an’i Jesoa dia alefan’i Lioka any an’efitra indray ny fitantarana, fa manampy antsika kosa anefa izany hahazo ny hafatra tiany hambara: ao an-dapan’ny mpanjaka dia ny olona tsongoin’olom-bolo no afaka mihinana sy mahazo tombontsoa. Any an’efitra kosa dia ny vahoaka rehetra tsy an-kanavaka no hohasoavina. Ary ambaran’i Lioka mazava ny hafatr’i Jesoa: izay te ho mpianany no hanome hanina azy ireo. Ny boky dimin’i Môizy, ny bokin’ny Mpaminany sy ny Fahendrena, ny salamo etsy an-daniny, ny lalànan’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana etsy an-kilany. Mofo sy trondro ampy hozaraina ka hamelomana ny vahoaka.
Aorian’izay no manomboka ny Evanjely anio. I Joany amin’ny maha mpaminany azy dia nanondro fa i Jesoa no Kristy saingy naniraka ny mpianany hanontany ny momba an’i Jesoa mba hanamarinany ny faminaniany; i Herôda naheno ny lazan’i Jesoa dia nanontany tena ny amin’izay filazan’ny olona ary naniry hahita Azy; fa i Jesoa kosa no manontany ny mpianatra, manentana azy ireo hanao dingana, miainga avy amin’ny filazan’ny olona (izay mitovy amin’ny henon’i Herôda ihany), mandalo amin’izay fahalalan’ny tena saingy tsy maintsy diovina sy hamafisin’ny misterin’ny Paka izany rehetra izany.
Ao anatin’ny vavaka, fanokanan-tena hitokana samirery miaraka Aminy no hahafahana mamaly izany fanontaniana rehetra izany. Io moa no ataontsika amin’ny laretirety na ny matsom-panahy sy ny fihatahana masina. Fa na ny fivavahana aza dia tokony ho izay fitokanana samirery miaraka Aminy izay, miresaka Aminy, mitombo fahalalana Azy sy ny Teniny, hihaino Azy sy hanaiky ny hotarihiny. Ny Vavaka narafitry ny Fiangonana mba hanehoana ny fiombonana (ny Litorjia indrindra indrindra) dia tokony hanampy antsika amin’izany firesahana Aminy izany. Ao amin’ny vavaka no mbola hanamafisantsika hoe “ataontsika ho iza Izy”, ao no hahafahantsika miandry sy manavao ny Paka, mba ho ny finoana Azy nitsangan-ko velona no ho ivon’ny fiainantsika sy izay rehetra ataontsika ka hitoriana ny Evanjeliny amin’ny voary tontolo, araka ny hafany.
Ny vavaka no ivon’ny fiainana kristianina, ka izay tsy manam-potoana ivavahana intsony dia ho azon’ny fakam-panahy tsy hanao intsony ny asany ho fiombonana amin’i Kristy ary mety hiafara amin’ny fieritreretana ho tompon’antoka fa tsy iraka intsony, ka hanompo ny tenany sy ny voninahiny fa tsy ny voninahitr’Andriamanitra, ary hahavita hatramin’ny famonoana ny tsy manan-tsiny mety hanembatsembana ny voninahiny, tahaka an’i Herôda, aza. Ao amin’ny vavaka no hialana amin’ny fitiavan-tena ka tsy hiheverana ho tompon’ny lalàna. Asian’i Lioka tsindrim-peo manokana ny fiombonan’ny Fiangonana: i Jesoa tsy nisafidy fa “namory” (συγκαλέω =syn-kaleô) ny Apôstôly, tsy manontany ny hevitry ny tsirairay fa manontany ny hevitra iombonana “ataonareo ho iza?”. Amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo no amalian’i Piera, ary tompon’antok’izany fiombonana izany izy sy ny solontenany.
Mora ny manaraka olona mahazo fahombiazana foana fa sarotra kosa ny hino fa olona iray maty novonoina amin’ny fahafatesana mahafa-baraka, tsy naha aro ny tenany akory, no ilay “Mesia”, ilay voafidin’Andriamanitra. Izay te hanaraka Azy araka izany dia tsy afaka ny hikendry ny voninahitra arak’izao tontolo izao intsony, fa hanaraka kosa ny fandaharan’Andriamanitra sy ny fahendreny, hanaiky ho Sorona, toa an’i Kristy, hanaiky hatramin’ny farany ny sitrapon’ny Ray, hanehoana fa na dia manoloana ny habibiana (Herôda, Rômanina, Farisianina sy mpanora-dalàna), manoloana ny hakanosàna (mpianatra nitsoa-pahana avokoa) dia mandresy ny fitiavana, manohy mitia sy mamela heloka, ary izany no fitsanganan-ko velona.
Ho fandalinana ny finoantsika an’i Kristy tafatsangan-ko velona anie ny fotoana atokantsika hivavahana.