Zoma faha-23 mandavan-taona
- Ankasa 1 Kôrintiana 9, 16-27 /Salamo 88/
- Tsy ankasa 1 Timôte 1, 1-14/Salamo 15
- Md Lioka 6, 39-42
Mandinika ny Evanjely eo aho dia tonga saina amin’ny lojìka ampiasain’i Jesoa: ny sombim-bozaka dia zavatra mora hesorina, fa ahoana kosa no hipetrahan’ny sakamandimby amin’ny maso? δοκός (dokos, poutre) moa no nadika hoe sakamandimby, teny avy amin’ny δέχομαι (dechomai) izay hahafahana milaza fa zavatra mitaty ny vesatry ny trano manontolo, valindrihana araka izany, ka atao ahoana no hipetrahan’izany eo ambony maso ka tsy hahavaky ny loha! Raha izy mihantona no manakona ny maso ka halana kosa indray dia hirodana hatramin’ny trano. Izay anefa no asain’i Jesoa hesorina mialoha. Tsy ny masontsika no havily hijery zavatra hafa fa ny valindrihana no alana. Mila miandrandra mibanjina ny lanitra manko isika fa tsy hiondrika amin’ny zavatry ny tany. Dia izany fibanjinana izany no hahazoantsika ny hazavana hahafahana manala ny tapa-mololo amin’ny mason’ny hafa. Tsy afaka ny hitory ny Hazavany araka izany izay tsy vonona hiala amin’ny mahazatra azy, izay tsy vonona hiala amin’ny tsy fahafahany mijery mihoatra ny ao ambany tafony, ka hiaiky amim-panetren-tena fa lehibe lavitra noho ny an’ny hafa ny fibebahana takian’i Jesoa amin’izay te hanara-dia an’i Jesoa. Mitaky “changement radical”, fiovana hifotony, ny fitoriana ny Evanjely.
Tsy fiovana araka izay tian’ny mpianatra anefa izany fa fandraisana kosa ny fampianaran’i Jesoa mba hanova ny fiainana ka hitondrany vokatra hahasoa ny olon-drehetra (Mt 3, 8). Dia ny voany no hahafantarana ny hazo. Tokony hodinihana mandrakariva araka izany izay teny aloaky ny vavantsika, ka tsy ho sanatria ho kobaka am-bava hahatonga fanamelohana ho antsika (Mt 12, 36) fa teny vokatry ny fo, hitondra aina sy fanantenana vaovao ho an’izay mandray azy, teny arahin’asa satria tsy dokam-barotra hahazoana tombony fa iraka ampanaovin’ilay efa tia antsika mialoha.
Jamba ihany izay mihevitra fa afa-manesotra hatramin’ny zava-madinika eny amin’ny mason’ny hafa, ka tsy hahalala akory fa izy aloha no mila fibebahana voalohany. Tsy misy afaka hanampy ny hafa raha tsy vonton’ilay famindram-po nolazain’i Jesoa fa tsy maintsy hiveloman’izay te ho zanaky ny Ray. Ny maso mibanjina ny endrik’Andriamanitra ihany no ho afaka hibanjina izany eo amin’ny rahalahy sy anabavy nohariany hitovy endrika aminy, ka ny fikolokoloana io endrik’Andriamanitra io no himasoana fa tsy sanatria ny “fisokirana” endrika mifanaraka amin’ny sampy tompoina, satria takon’ny δοκός (sakamandimby) ny maso.
Manoloana ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina, amin’ny teny ratsy sy ny ompa variraraka heno etsy sy eroa, fanaratsiana sy fifosàna mampitombo ny disadisa sy ny fialonana, manoloana ny mety ho fangatahana na fangalarana tsotra izao ny fananantsika, dia fitiavana, fanaovan-tsoa, tso-drano ary vavaka no angatahin’i Jesoa ataon’ny Mpianatra, ampahatsiahiviny fa tsy ambony noho ny mpampianatra ny mpianatra, ka raha te ho mpianany isika dia tsy afaka hiambo hanana sy hahita lalana tsaratsara kokoa noho ny Lakroà, dia ilay lalana nizoran’Izy Mpampianatra hahatongavana any amin’ny voninahitry ny Ray.
Ry mpiatsaravelatsihy! ὑποκριτά- ὑποκριτής (vocatif), izany hoe ilay mpilalao tantara an-dapihazo ka tsy ny fiainany no lazainy fa ny fiainan’ny olona lalaoviny eo an-dapihazo. Mpiatsaravelatsihy izay mampihatra ny fampianaran’i Jesoa ho an’ny hafa kanefa tsy tiany hahakasika ny fiainany akory izany. Mpiatsaravelatsihy izany namelana talenta 10000 (ny elanelana misy eo aminy sy ny famindrampon’ny Ray tokony hotahafiny) kanefa manakenda ny namany ananany denie 100 (izay elanelana misy eo aminy sy ilay namany). Mpiatsaravelatsihy satria jamba, tsy nahita akory ny fahasoavana nomena azy, ny famindram-po nasetry ny vavaka nataony hangataka andro mba handoha ny trosa.
Hahay handinika ny fahasoavana omen’Andriamanitra antsika anie isika ka ho tonga taratry ny fampindram-pony.