Zoma faha-22 mandavan-taona
- Ankasa: 1 Kôrintianina 4,1-5 /Salamo 36/
- Tsy ankasa: Kôlôsianina 1,15-20/Salamo 99
- Md Lioka 5,33-39
Mialoha ny fitantarana ny Evanjely anio dia miresaka momba ny fiantsoana an’i Levi i Lioka ka nampitany ny fampianaran’i Jesoa fa tsy ny finaritra no mila dokotera fa ny marary, ny mpanota no iarahany mihinana mba hitarihany azy ho amin’ny hazavan’ny fiainana. Tsara ho tadidiana ihany anefa hatreto ny fizotry ny fitantaran’i Lioka: rehefa voaroaka tao Nazareta Izy dia nampianatra tao Kafarnaoma ary ireto ny vokatry ny fanosoran’ny Fanahy Masina Azy hitory ny Evanjely: voalohany indrindra dia ny nandroahany ny demony tamin’ny herin’ny Teniny (Lk 4,31snm), avy eo ny nanasitranany ny rafozam-bavin’i Piera mba hahafahany manompo, taratry ny fifankatiavana tokony ho hita ao amin’ny tokantrano atambatry ny fanambadiana (Lk 4,38snm), avy eo izy dia nampamokatra ny jono nandamoka nandritra ny alina nataon’ireo mpianatra izay nantsoiny ho mpanarato olona (Lk 5,1-11), avy eo nanasitrana ny boka ka handeha hiseho amin’ny Mpisorona mba hanatitra ny ny fanatitra andidian’ny Lalànan’i Môizy (Lk 5,12snm), avy eo Izy nampitsangana ilay kilemaina navelany heloka ka afa-mody any an-tranony indray (Lk 5,17snm) ary niantso an’i Levì poblikana ho mpianany sy niara-nisakafo tamin’ny mpanota namany (Lk 5,27snm). Asa enina manambara ny fahariana vaovao, raisin’izay rehetra maniry handray ny batemin’i Jesoa, fa asa fito kosa, miaraka amin’ny fanosoran’ny Fanahy, tandindon’ny sakramentan’ny Fiangonana[1].
Raha ny filazan’ny Evanjely anio dia mitondra zava-baovao ny Evanjely. I Papa François namangy antsika tamin’ny 2019 teo[2] dia tsy sasatra ny mamerina fa izay entanin’ny Fanahy dia sahy mitady sy manandrana zava-baovao mba hiainana lalindalina kokoa ny Evanjely. Mampalahelo indraindray fa ny Vaovao Mahafaly indraindray toa lasa “tranainy” hamoretana, satria ampiasaina tsy hanafahana fa hifehezana ny olona sy hanamparam-pahefana. Mampatahotra ahy ny maheno ny mpitondra na mpanentana sasany manindraindra ny maha malagasy ka manadino fa “tsy ny Evanjely no hiova ho malagasy fa ny malagasy no hiova sy hihavao araka ny Evanjely” (Kardinaly Robert Sarah). Maro ny soatoavina malagasy manampy antsika hiaina ny Evanjely saingy misy fomba heverina ho maha malagasy (na maha izy ny foko iray) sasany tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Evanjely. Nanao izay afany i Jesoa nanohitra ny mpiray tanindrazana taminy mba hialana amin’izay mety ho fomban-drazana tsy mifanaraka amin’ny hevitr’Andriamanitra. Misy olona sasany kosa manao izay azony atao mba hiala amin’ny Evanjely ka hanatsofotsofoka ny fomban-drazana amin’ny zavatra tsy tokony hidirany. Ny hady fototry ny trano hanajana an’Andriamanitra aza ny an’ny sasany tondrahana toaka, tsy ampy angamba ny ranovoahasina…
Tsy azo rovitina hanampenana ny tranainy ny akanjo vaovao, hoy i Jesoa. Tsy azontsika handrovitana mba hoentina hamalifaliana izay tsy hafenoana na lesoka nisy tamin’ny lasa ny Evanjely, Vaovao Mahafaly. Ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina dia nifady hanina. Ny hanina no fototry ny aina, ka ny fifadiana azy dia tokony hampahatsiaro ny olona fa tsy miankina aminy ny aina, ka izany no tsy maintsy hivavahana amin’ilay mandidy ny zavatra rehetra, sy hahaizana mizara izay nofadiana mba hiveloman’ireo izay tsy manan-ko hanina.
Vaovao Mahafaly satria aina tsy misy fetra no natolotr’i Jesoa ilay Mofon’ny Fiainana ho antsika ka mampisaotra an’Andriamanitra izany, ary ny fanasan’ny Fampakaran’ny Zanak’Ondry no efa santarintsika dieny ety an-tany. Tsizarizary araka izany ny fifadian-kanin’izay tsy afaka hisantatra izany hafaliana izany. Inona tokoa moa no antony hivavahako sy hifadiako hanina raha tsy hampitombo ny hafaliako sy ny fahamasinako no hanaovako izany? “Hosory zava-manitra ny loha” rehefa mifady hoy i Jesoa: izany hoe tsarovy fa voaantso ho amin’ny fampakarana ianao, voaantso hiombona aina amin’ilay Zanak’Ondry. Ny zava-manitra dia tsy azo adinoina fa lafo kokoa noho ny hanina.
Ny mety ho fifadian-kanina dia rehefa tsy eo ilay mpampakatra, tahaka ny nahazo ny mpianatra tamin’ny zoma masina, ary izany no mbola hamerenantsika izany fifadian-kanina izany mandraka ankehitriny, hahatsiarovana fa tsy afaka ny ho velona isika raha tsy ao amin’ny finoana Azy velona eo anivontsika. Tsy afaka ny ho faly ny kristianina raha sanatria tafasaraka amin’ny ain’i Jesoa ny fiainany, raha tsy iainany araka ny Evanjely ny hafaliany. I Kristy no akanjo vaovao tsy azontsika rovitina hanampenana ny tranainy. Tsy azo afangaro amin’ny fiainana araka an’izao tontolo izao ny fiainana araka an’i Kristy.
Tsy mora anefa ny miala amin’ny mahazatra ary ambaran’i Jesoa mazava tsara fa izay efa nisotro ny tranainy dia hilaza fa izany no tsaratsara kokoa ka tsy hangataka ny vaovao akory. Antsoiny anefa isika tsy ho voafitaky ny fahazarana ka ho sanatria tsy ho sahy hanao dingana hanovàna sy hanatsarana ny fiainana araka ny faniriany, ka ho sanatria tsy hanandrana ny hatsaran’ilay Divay Vaovao notehirizina mandraka ankehitriny (Jo 2,10).
Antsoina hifady hanina sy hivavaka koa isika ho fiombonana amin’ireo enjehina noho ny finoana sy ho an’ny fandriam-pahalemana eran-tany. Fanambarana ny finoana ny fiombonan’ny olomasina izany, satria ny fahasoavana sy ny vavaka ataontsika dia iombonana ka hahasoa ireo namana mijaly sy mila izany, fa ny fanehoantsika ny fiombonana koa dia hery ho an’ireo mizaka ny tsy rariny, hahatsiaro fa tsy irery izy ireo.
[1]« À Nazareth l’onction du Saint Esprit, puis Exorcisme du baptême, mariage, ordre, onction de lépreux, remission de péché, banquet ».
[2] Tamin’ny famangian’i Papa François dia tsapa ny fahafoizana fotoana sy fananana hamonjena ny fihaonana aminy, fa asa raha mba mahafoy toy izany koa isika hoentina hamonjy sy hanompo ireo endrik’i Kristy tiany hisehoana mba hotiavintsika.