Zoma faha-18 mandavantaona
- Ankasa Nahoma 2, 1.3; 3, 1-3.6-7/Deterônômy 32
- Tsy ankasa Deterônômy 4, 32-40 /Salamo 76
- Md Matio 16, 24-28
Ny Evanjely anio dia fanamafisana indray izay efa nolazain’i Jesoa tany amin’ny toko faha-10 mba hanalan’ny mpianatra ao an-tsainy ny fiheverana fa misy lalan-kafa azony safidiana ankoatr’izay efa nizoran’Izy Mpampianatra, indrindra moa manoloana toe-tsain’ny mpianatra izay tsy mihevitra araka an’Andriamanitra (and. 22-23).
Ny fijoroana ho kristianina tao anatin’izany fanenjehana izany dia mety handroahana ny olona ivelan’ny Sinagoga, na mety hitarika amin’ny famonoana mihitsy aza, ka mba tsy hisian’ny disadisa amin’ny mpanenjika dia mety hanakana amin’izay fijoroana ho vavolombelon’ny Evanjely ny hevitra tsy mitovy, eny fa na dia eo amin’ny fianakaviana sy ny ankohonana aza. Ka raha sanatria mety ho fisarahana tanteraka amin’ny raimanandreny na amin’ny zanaka na amin’izay tombontsoan’ny tena manokana no takian’ny Evanjely dia izay no lalana tsy maintsy hizoran’izay te ho mendrika (ἄξιος axios) an’i Kristy, izany hoe te hampifanaraka ny fiainany amin’ny Evanjely.
Izay te hanara-dia an’i Jesoa araka izany dia tsy maintsy handà ny tenany. Ny hoe “mandà” moa eto, dia nandikàna ny hoe ἀπαρνέομαι (aparneomai) izay ilazàna koa ny fandavan’i Piera an’i Jesoa (Mt 26, 34), milaza ho tsy mahafantatra, ka izay mandà tena izany dia tsy hihevitra akory ny hiaro tenany, ary mazava loatra tsy hikaroka intsony ny tombontsoany fa ny an’i Kristy irery ihany, hitia tahaka ny ataon’i Kristy ka tsy manao zavatra hitadiavana ny tombontsoan’ny tena manokana fa hanasoavana ny hafa, eny fa na dia ny fahavalo aza
Tsy afaka ny hanaraka Azy koa izay tsy mitondra ny Hazofijaliana (Lakroà). Ny nadika hoe Lakroà moa, σταυρός (stauros), amin’ny teny grika dia entina ilazana ny tsatokazo (poteau) iray hiankinan’ny asa fanorenana. Avy amin’io ny teny latinina hoe in-staurare sy re-staurare, izay azontsika amin’ny teny frantsay instaurer/restaurer-restaurant (manorina, manarina). Izay te ho tonga mpianatra mendrika (ἄξιος) an’i Kristy araka izany dia tsy maintsy hitondra (αἴρω airo) ny anjara birikiny amin’ny fanorenana (σταυρός) ny fanjakan’ny lanitra, izay andry iankinan’ny fahasambaran’ny olombelona rehetra. Ny fitondrana ny Hazofijaliana araka izany dia tsy inona fa ny fanekena hizaka ny vokatry ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny Evanjely, ka hitia hatramin’ny farany fa tsy hanao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana, raha lalina hihemorana.
Ambaran’i Jesoa mazava amin’ny ohatra nomeny tamin’ny nanekeny an-tsitra-po hihatona teo amin’ny hazofijaliana, fa tsy “fandresena araka ny heverin’ny sain’olombelona” tsy akory no vokatry ny fitiavan’Izy Ray, fa “fandresen’ny Herin’ny Fanahy” kosa, hijoroana ho vavolombelon’ny Fitiavan’ny Ray hatramin’ny fahafatesana mahafa-baraka. Ny lakroà (σταυρός, crux) koa manko dia fitaovana entina hanasaziana ny andevo. Mandray ny lakroà araka izany dia manaiky ny ho mpanompon’ny hafa tahaka an’ilay “naka ny fomban’ny mpanompo, nilatsa-tena ho ambany” (Fil 2, 7-8) ka mandray izay fahasairanana sy mety ho andraikitra tandrify izany fanompoana izany.
Ny dingana fahatelo dia ny hoe “hanaraka an’i Jesoa”: hiray aina aminy, hisafidy ny hanolo-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra am-panetren-tena sy amin-kalemem-panahy (Mt 11, 29), ary hizotra ny lalana miakatra mankany Jerosalema, tanàna mpamono ny Mpaminany (Mt 16, 21; 23,37). Tsy famonoan-tena anefa izany fa fanomezana heviny ny fiainana.
Izany no hazavainy amin’ny andininy manaraka: Izay hamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny Amiko kosa no hahavonjy azy (and. 25). Tany amin’ny toko faha-10 dia nambaran’i Matio fa izay mahita (εὑρίσκω heurisko) ka mitahiry ny ainy dia hahavery azy satria fanomezana ny aina ka izay tsy ampiasaintsika amin’ny antony nanomezana azy antsika dia ankevitry ny nariantsika ihany. Eto kosa indray, amafisiny fa izay hihevitra hamonjy (σῴζω sozo) ny ainy, no hahavery ny aina, ny fanahy (ψυχή psyche), ary izay hahafoy azy, na ny marimarina kokoa, izay hanapotika tanteraka (ἀπόλλυμι apollymi) ny fiainany no hahita azy (εὑρίσκω heurisko).
Ny fanekena hizaka ny hazofijaliana amin’ny fandaniana ny aina araka ny Evanjely sy ho an’ny Evanjely araka izany no maha-mendrika ho mpianatr’i Kristy. Izany dia mitaky fanekena izay mety ho fanambaniana sy ho fahafahambaraka eo anatrehan’ny olona mba hanaporofoana fa tia! « Ny hahafantaran’ny olona fa mpianatro ianareo, hoy Izy, dia ny fifankatiavana iainanareo » (Jn 13, 35). Ny hazofijaliana araka izany no fetran’ny fitiavana mampisy heviny ka hahafahana mitahiry ny fiainana.
Inona moa no soa azon’ny olona raha very ny fanahiny? Inona no soa ho azony raha mby eo anatrehan’ny Zanak’olona ka tsy misy raisina ny fiainany? An’Andriamanitra ny fahefana sy ny fitiavana, fa mamaly ny olona samy araka ny asany avy Izy, hoy ny Salamo (Salamo 62, 13), ary tsy hisy afaka handoha ny avony Aminy, ka ny fananana havela ho lovan’ny hafa ve no andeha hatakalo ny famonjena ny fanahy (Salamo 49, 8.11)?
Izay mihaino ka mitandrina ny Teny dia miditra amin’ny fiainana ka tsy hanandrana fahafatesana intsony satria efa miafina ao amin’Andriamanitra mandrakizay ny fiainany (Rom 6, 4; Kolosy 2, 12).