Zoma faha 17 mandavan-taona
- Ankasa: Jeremia 26,1-9/Salamo 68
- Tsy ankasa: Levitika 23,1-37 /Salamo 80
- andro voalohany, hisy fivoriana masina (alahady)
- Md Matio 13, 54-58
Nankany amin’ny tanàna nahabe azy i Jesoa ka nampianatra tao amin’nySinagôgany. Tsy mahagaga ny fampianarana ao amin’ny Sinagôga, na dia ho an’ny olon-tsotra aza, satria izay voatondro hamaky ny vakiteny faharoa (Mpaminany) dia afaka manao fampianarana, araka ny fomban’ny Jody. Fampianarana mamerina ny sangan’asan’olo-malaza no mahazatra ny olona. Fampianarana vaovao mifanaraka amin’ny fomba fiainana kosa anefa ny an’i Kristy ary nahagaga azy ireo ny fahendrena nananany. Ambaran’i Matio fa tsy an’i Jesoa intsony ny Sinagôga fa an’ireo olona tao Nazareta (heverina ho tanindrazany), hoentiny manambara ny fihatahana tsikelikely nisy teo amin’ny fivavahana Jody sy ny fiainana araka ny Evanjelin’i Jesoa ilay Kristy, io rahateo no fitantarana farany an’i Jesoa miditra ao amin’ny Sinagôga (Mt 4,23; 9,35; 10,17; 12,9).
Izay tsy afaka migaga intsony dia tsy afaka hisokatra amin’ny zava-baovao. Ny mahagaga anefa dia vao maika nampihidy fo azy ireo ny fahitany ny fahendrena nananan’i Jesoa. Tsy azon’ny sain’izy ireo nekena fa ao amin’ilay Zanaky ny Mpandrafitra, na ilay mpandrafitra mihitsy (Mk 6,3) no nisehoan’ny hery sy ny fahendren’Andriamanitra. Tiantsika ny hitovy amin’ny Andriamanitra visavisain’ny saintsika saingy sarotra kosa ny manaiky ny Endrik’Andriamanitra manaiky hitovy amintsika, mietry tena haka ny fombantsika olombelona. Vao maika moa sarotra kokoa ny hino an’Andriamanitra manaiky ho faty eo amin’ny Hazofijaliana. Sarotra ho an’ny sain’olombelona manko ny hanaiky izany. Izay rehetra manaiky hotarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ihany no afaka hiaiky fa i Jesoa no ilay Teny tonga nofo (2Kôr 5,16), valin-tenin’ny Ray ho an’izay maniry hibanjina ny Tavany.
Avy aiza (πόθεν – pothen) ny fahendrena (Jb 28,12) sy hery ananan’i Jesoa? Sarotra ho azy ireo ny hanaiky fa avy amin’Andriamanitra izany. Tsy mahagaga araka izany raha tafintohina ireo mponin’i Nazareta, tonga vato misakana (σκανδαλίζω- skandalizô) ho azy ireo i Jesoa, satria tsy afaka na ny marimarina kokoa, tsy te hisokatra amin’ny misterin’Andriamanitra izy ireo, ka ny fisalasalana tokony hanampy amin’ny fandalinana bebe kokoa dia nanjary sakana hijanonana amin’izay kely mba fantatra: “tsy Maria va no anaran-dreniny?” Adino hatramin’ny rainy, ka tsy tiana holazaina noho ny antony roa: na hanivaivàna ilay olona ho tsy nahavita ny taon-drainy, na ratsiratsy kokoa noho izay, hilazana hoe na ny rainy aza tsy fantatra anarana akory, ka izay zanaky ny fijangajangana ve mba hahay inona ny amin’izay mikasika ny fahendrena!
Ny finoana no hahafahantsika mifandray amin’Andriamanitra ka hahafahany manova ny fontsika, hahafahany manao fahagagana hanasitrana antsika ka hahasambatra antsika.
Ny fahendrena rehetra sy ny hery entina manasoa dia avy amin’Andriamanitra, ary na sanatria aza ampiasain’izay nahazo fahasoavana hitadiavana voninahitra ho an’ny tenany dia mahasoa mandrakariva, na ho an’izay mandray na ho an’izay manome ny hanomezana ny voninahitra ho an’Andriamanitra, fa sady manesotra ny fanompoan-tsampy na ny fanompoana masira, etsy an-daniny, ary miaro amin’ny mety ho avonavona kosa etsy an-kilany. Mila ianarana fa tsy mandeha ho azy ny mifaly amin’ny soa vitan’ny hafa, indrindra izay mety ho vitan’ireo heverintsika ho olon-tsotra, ho zanaky ny mpanao asa tanana, sy olona mety ho tsy nandia ny fianarana nataontsika.
Ho haintsika anie ny hanokatra ny fontsika amin’ny finoana, handray ny fahasoavan’Andriamanitra ary hibanjina ny fitiavany ao amin’ny misterin’i Jesoa, zanak’i Maria, ilay Teny tonga nofo ka miara-monina amintsika isan’andro vaky.