Zoma faha-16 mandavantaona
- Ankasa Jeremia 3, 14-17/Jeremia 31
- Tsy ankasa Eksaody 20, 1-17 /Salamo 18
- Md Matio 13, 18-23
Izay mihaino ny teny ka mahalala azy no mamoa.
Misy karazan-tany efatra anefa, izay azo lazaina ho ambaratonga amin’ny fandraisantsika ny Teny ka hahafahantsika mampamokatra azy eo amin’ny fiainantsika. Heveriko fa tsy ny tanin’ny hafa sy ny zaridainako no lazain’ny Evanjely eto, fa fizaran-tany ao amintsika tsirairay avy ao. Teny iray ihany no afafy fa ny tany kosa, izany hoe ny fontsika tsirairay avy, mampamokatra azy arakaraka ny handraisantsika ny Teny.
Ambaran’ny Evanjely fa raha izay mahazatra sy izoran’ny olon-drehetra (lalana) ihany no hizorana ka hiheverantsika hampitsimoka ny teny dia hiandry vasoka eo isika. Sakana voalohany tsy hahafahana mandray ka mahazo ny teny ny fitompoan-teny ho fantatra, ny fiheverana ho manana ny marina ka tsy hitady lalan-kafa sy vaovao tsaratsara kokoa mba hahafahana mandray ny Teny ka mampamokatra azy, tsy hikaroka izay tian’ny Teny ambara satria heverina ho efa hay tsianjery, ka tsy mampametra-panontaniana intsony fa manao mafy fo velona, tahaka ny tany masaky ny lalana, ka mazava loatra, tsy ho afaka ny hampamokatra azy.
Ilay Ratsy (πονηρός ponêros) koa etsy an-kilany, satria ilay rain’ny lainga sy mpamono olona hatrany am-piandohana (Jn, 8, 44) dia manao izay tsy hitoeran’ny Teny ao am-pontsika, satria izay no lalana hahafahany manasaraka ny olombelona amin’Andriamanitra, manasaraka ny rantsana amin’ny foto-boaloboka. Devoly (diabolos, diable) satria manasaraka antsika amin’izay rehetra mitondra amin’ny fahamarinan’Andriamanitra.
Tsy vitan’ny hafanam-po toa afo-mololo fotsiny koa anefa sanatria ny fandraisana ny teny, tsy tsobo-dranon-dRamiangaly… Tsy afaka ny hamokatra ny teny raha tsy lalim-paka amin’ny fiainantsika, mahababo antsika ka tsy ho voahozongozon’ny rivo-maherin’ny fahoriana sy ny fanenjehana. Raha tsy miharitra ny fahoriana isika tsy hahazo ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Tsy maintsy tandremana koa anefa ny fitaky (ἀπάτη apate) ny harena sy ny fiahiana izao fiainana izao izay mamono ny Teny ka tsy hahafahany mamokatra. Izany no mahatonga ny Apôstôly hilaza fa tsy rariny raha hilaozana manao zavatra hafa, eny fa na dia hikarakara ny mahantra aza ny fitorian-Teny (Asa 6, 2). Tsara hodinihina mandrakariva hoe manodidina ny inona ny adihevitra sy ny iompanan’ny resaka ifananovantsika Kristianina, sao sanatria hahazo laka ny resa-bola sy ny fiahiana ny hoenti-manana.
Raha fintinina ireo sakana telo tsy hahafahantsika mandray ka mampamokatra ny teny dia ny tsy fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo (manao mafy fo velona), ny tsy fitiavana Azy amin’ny fanahy manontolo (tsy fitozoana sy tahotra ny ho faty), ary ny tsy fitiavana Azy amin’ny hery manontolo (fifikirana amin’ny harena mandalo). Izay maheno ka manaraka ny lalam-pahasambarana atoron’ny Teny no hampamokatra azy, eny fa na dia tsy mitovy koa aza ny vokatra azo.[1]
Tsy ezaka avy amintsika anefa sanatria no mampamokatra ny voa afafy fa fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana. Ny andrasany amintsika dia ny hahaizantsika mamantatra ka manova ireo toetra tsy mampamokatra ny Teny voafafy ao am-pontsika. Efa nomena antsika ny Fanahy Fitiavana maha-zanaka mpandova (Rom 5, 5; 8, 17) ka mamelona ao am-pontsika ny fanantenana fa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hamokatra ny Teny satria tsy hiverina amin’izay naniraka azy raha tsy efa mahatanteraka ny iraka nampanaovina azy (Izaia 55, 11).
Raha mbola misy mamparisarisa ny fontsika tsy hitia, tsy hamela heloka, tsy ho sambatra dia mila mandinika isika sao tsy mbola naninteraka ny fiainantsika ny teny. Ho toy ilay Adama (tany) vaovao, hanahaka ny endrik’Andriamanitra mpahary antsika anie isika, hampamokatra ny Teniny amin’ny asam-pitiavana ivelomantsika isan’andro vaky.
Efa narotsany ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomeny antsika ny Fitiavana, io ilay voaloham-bokatry ny Fanahy, hiandrasantsika ny fananganan-janaka amam-panavotana, ny Sakramenta hanohizany ny famonjena antsika no ranon’orana aman’oram-panala mandrotsaka ny fahasoavana avy any an-danitra ho antsika, ka hahavonto sy hahalonaka ny tany…
Meteza ary isika hotarihin’ny Fanahin’Andriamanitra fa tsy ho sanatria ho mpitrosa amin’ny nofo,[2] ka handray ny Tenin’Andriamanitra sy mampamokatra azy eo amin’ny andavanandrom-piainantsika.
[1] B. Gerhardsson, The seven parables in Matthew 13, p. 31: ny Martiry, nanolotra ny hareny sy ny ainy (100%), ireo izay nanolotra ny hareny saingy tsy nanana “occasion” hanolorana ny aina (60%), ireo niezaka niaina ny teny tamin’ny fo manaiky sy tsy voazara saingy tsy nahita occasion hanolorana ny ainy sy ny hareny (30%).
[2] Vakiteny II (Rm 8, 9.11-13) alahady 14A