Zoma faha 15 mandavan-taona
- Ankasa: Izaia 39,1-8/Izaia 38
- Tsy ankasa: Eksaody 11,10–12,14 /Salamo 115
- Md Matio12,1-8
Ny jiogan’ny fitiavana ihany no hahafahana miaina am-piadanana; ny fanarahan-dalàna raha tsy misy fitiavana, dia zava-doza satria fiezahana ho lehibe eo anatrehan’ny lalàna sy ny mpitsara ny lalàna ety ivelany, ka na ho ela na ho haingana dia hanjary vesatra sy hatezerana nandrotika ny fon’ny tena sy ny fifandraisana amin’ny hafa. “Tompon’ny sabata ny Zanak’olona”, hoy i Jesoa. Ny toko faha-12 amin’ny Evanjelin’i Md Matio dia manampy antsika hahazo ny tsiambaratelo miafina ho an’izay miseho ho be saina, ka tsy manaiky hotarihin’ny Fanahy. Tsy natao hanandevozana na hamoretana ny hafa tsy akory ny lalàna fa natao hanafaka, natao hiarovana ny zo sy ny ain’ny olona, hanampiana azy ho amin’ny lalam-pahasambarana, hanoroana azy ny lalana mankamin’ny fahasambarana.
Anisan’izany lalàna izany ny fanajana ny Sabata, fitsaharana. Im-balo no miverina ny σάββατον (sabbaton) ao amin’ny toko faha-12.Tsy tokony hafangaro amin’ny sabotsy, avy amin’ny “saturne” anefa, satria avy amin’ny שַׁבָּת (shabbāth) teny hebrio, midika hoe “mitsahatra”. Ilain’ny fanahy amam-batana ny fialan-tsasatra, i Jesoa aza miantso ny Apôstôly mba hiala sasatra (Mk 6,31). Indraindray anefa dia tsy voahaja izany, indrindra amin’ny tsy fitsinjovan’ny mpampiasa ny zon’ny mpiasa, ka nosoratan’i Môizy ny lalàna mba hiarovana izany zo izany, na ho an’ny andevo mbamin’ny biby fiompy aza: “ny sabata no natao ho an’ny olona”, hoy i Jesoa (Mk 2,27, tsy misy ao amin’i Md Matio). Mampalahelo fa ny Katesizy kely ianarana tsianjery dia tsy manampy loatra hahazo ny hevitry ny fiangonana alahady: “mankamasina ny andro alahady: mivavaha fa aza miasa”. Ho antsika no hankamasinana azy: tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy, hoy ny Soratra Masina (Eks 20,8-11; Dt 5,12). Mila tsaroana aloha ny heviny, dia mandeha ho azy ny fankamasinana azy.
Isak’alahady ny Eglizy dia mahatsiaro an’i Kristy tafatsangan-ko velona, mankalaza ny fandreseny ary manitsy ny fomba fisainana sy nyfomba fiainana mba hifanaraka amin’izany finoana ny fitsanganan-ko velona izany. Ny mety ho fimatimatesana amin’ny asa na amin’ny hafinaretana na amin’ny zava-mandalo dia mazava loatra fa na ho ela na ho haingana dia hampidi-kizo ny fiainana raha tsy mitondra amin’ny fisantarana ilay Sabata mandrakizay, hiderana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
Isaky ny vakiana ny Evanjely dia matetika atomboka amin’ny hoe “Tamin’izany andro izany”, io no nandikana ny hoe καιρός (kairos), ilazana fa izay voalaza dia mifanaraka amin’izao fotoana iainantsika izao, satria amintsika no itenenan’ny Tompo “anio”. Tsy omaly ihany fa hatrizay dia noana ny olona, saingy tao am-paradisa dia ny voankazon’ny fahafatesana no nosafidìny. I Jesoa kosa anio dia manolotra antsika ny voan’ny hazon’aina, dia ny tenany, ho sakafo hamelona mandrakizay (Jo6).
Ho an’izay mihinana Azy, ho an’izay te ho mpianany dia ny fitandrovana ny aina no lalàna ambony indrindra, ka tsy misy lalàna ambony noho ny fitiavana. Ireo zavatra voarara tsy azo atao ny andro sabata (Eks 34,21), matoa neken’ny Lalàna fa azo atao hitsinjovana ny aina (Dt 23,26), dia tokony hanampy ny olona hizotra ho any amin’ny fahamasinan’Andriamanitra. Ny angatahin’ny Ray amin’ny zanany rehetra dia ny mba ho taratry ny famindram-pony (Lk 6,36), ary ny famindram-po dia mihoatra lavitra noho ny fitsarana, hoy Md Jakôba (Jk 2,13). Ny Famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona (Ôs 6,6).
Ho sanatriavintsika anie ny hanameloka ny tsy manantsiny amin’ny fisehoana ho tompon’ny lalàna mangeja fa tsy manafaka.