Zoma faha 13 mandavan-taona
- Ankasa: Amôsy 8,4-6.9-12/Salamo 118
- Tsy ankasa: Jenezy 23,1-4; 24,1-8. 62-67/Salamo 105
- Md Matio 9,9-13
Tsy tonga hiantso ny marina aho fa ny mpanota. Mandehana ka fantaro ny hevitr’izany teny izany. Asain’i Jesoa mamantatra ny hevitr’izany isika. Ny lalàna dia mampiharihary ny fahotana ary manasazy ny mpanota, fa i Jesoa kosa mamela ny fahotana ka mandray ny mpanota. Ny fahosantsika dia tsy sakana fa antony nahatongavan’ilay famindram-po tsy misy fetra.
Izay mahatsapa fa voaantso hanaraka ilay taratry ny famindram-pon’Andriamanitra dia hiatso ny tenany hoe Matio (Μαθαῖος – Mathaios, Mattai, abbreviation de Mattatìa), fanomezana avy amin’Andriamanitra, ka tsy hanaiky ho voafatotra na sanatria hifikitra amin’ny zava-mandalo (לֵוִי – Lēvî). I Matio dia tsy hoe mpitaky hetra fotsiny (tsy misy te handoa hetra izay) fa mitaky izany ho an’ny mpanjana-tany koa fanampiny, ka sady noheverin’ny olona ho mpanota no mpamadika tanindrazana.
Izy no nantsoin’i Jesoa hanaraka azy mba ho tonga “fanomezana” ho an’ny hafa. Manambara izany ny fahafahan’ireo namany niara-nisakafo tamin’i Jesoa, henontsika tamin’ny Evanjely. Nitsangana (ἀνίστημι, anistemi, mitsangan-ko velona) i Matio ka nanaraka an’i Jesoa. Manambara fiainam-baovao, fitsanganan-ko velona ny fanarahana an’i Jesoa, izay manaiky hanaraka Azy ilay Lalana sy fahamarinana ary fiainana dia mahazo ny fahefana mahatonga ho zanak’Andriamanitra (Jo 1,12).
Izay manaraka Azy dia vonona ny hanasa Azy koa hisakafo ao an-tokantranony (οἶκος – oikos) (Mk 2,15// Lk 5,29). Ao an-tranon’i Matio no hisakafoanan’i Jesoa. Tonga fianakaviana iray aminy koa, miara-misakafo aminy koa ny poblikanina sy ny mpanota betsaka. Manafintohina izany ho an’ny Farisianina. Saingy izany no Fiangonana tian’i Kristy hajoro: mpanota voavela heloka mandray ny mpanota satria mamela heloka, mifamela heloka ihany koa. Taratry ny famindram-pon’Andriamanitra ny Fiangonana.
Hatrany am-piandohana dia olana mandrakariva ho an’ny Fiangonana ny fandraisan’ny mpanota kômonio. Mazava ny tenin’i Jesoa fa tsy ny finaritra no mila dokotera fa ny mpanota mitady fanasitranana. Na dia averimberina mialoha ny kômonio aza fa Zanak’ondry manala ny fahotana no horaisina ary samy miaiky fa tsy misy mendrika ny handray Azy, dia mbola manjaka ny tondromolotra sy ny fanavakavahana eo anivon’ny Fiangonana.
Ny fahotana no ankahalain’ny mpianatr’i Kristy fa tsy ny mpanota. Tsy fampirisihana ny mpanota hikiribiby ao anatin’ny fahotana sanatria no hatao fa ny fitadiavana ny fomba rehetra hahafahany mizotra amin’ny fiainam-baovao. Tsy ilaozan’ny Farisianina sy ny zoky tsy te hahalala ny zanaka mpandany niverina ao anivony ny Fiangonana, saingy anjarantsika mandrakariva ny mitandrina, araka ny fampianaran’i Md Augustin, izay averiko matetika, fa sao ny fitiavana ny mpanota no hivarinana ao anatin’ny fahotana, na sanatria ny fankahalàna ny fahotana no hankahalana koa ny mpanota.
Tsy izay manota kelikely kokoa sanatria no masina tahaka ny Ray fa izay tia bebe kokoa, satria voavela heloka bebe kokoa (Lk 7,41.43). Famindram-po no sitrak’Andriamanitra fa tsy ny sorona (Ôs 6,6). Tsy ny vavaka lavareny na ny asa fanonerana na izay mety ho fanatitra heverintsika hanentseman-keloka no hahasitrana antsika fa ny fahatsapana sy ny fandraisana ny fitiavany sy ny indrafony izay omeny maimaim-poana. Izy no nanolotra ny tenany teo amin’ny hazofijaliana ho antsika, Izy ilay hany marina (Rm 3,23).
Ho vonona hanaraka azy anie isika ka tsy hanao ny fitiavany ho zavatra lafovidy voatokana ho an’olom-bitsy fa hahatarika ny mpanota sy ireo heverin’ny hafa ho fahavalom-pirenena hiara-misakafo amin’i Jesoa, mba handraisan’izy ireo koa ny fahasoavana iainana amin’ny maha zanak’Andriamanitra.