Zoma faha-12 mandavan-taona
- Ankasa 2 Mpanjaka 25, 1-12/Salamo 136
- Tsy ankasa Jenezy 17, 1-2, 9-10, 15-22/Salamo 127
- Md Matio 8, 1-4
“Mety aho, madiova ianao”.
Rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa dia narahin’ny vahoaka betsaka. Ny toko faha-5-7 amin’ny evanjelin’i Md Matio moa dia milaza ny Teny izay tokony hohenoina ka hiainana. Ny toko faha-8 sy faha-9 kosa dia mitantara amintsika ny ohatra nomen’ilay Mpitory, naneho tamin’ny asany ny faniriany hanavao ny olombelona. Tsy mahagaga raha naverin’i Matio indroa fa “nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra i Jesoa, nampianatra teo amin’ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Mt 4, 23; 9, 35). Ny Teny voatory dia manavao ny olona amin’ny fifandraisany amin’ny mpiara-belona (Evanjely anio), manana hery hanasitrana sy hanome aina, eny fa na dia anatrehan’ny fahafatesana aza (Mt 8, 5-13), manome hery hanompoana (Mt 8, 14-17). Tsy miverina any amin’ilay naniraka azy ny Teny raha tsy mahatanteraka izay nanirahana azy (Izaia 55, 11).
Ao amin’ny Matio 8-9, dia fitantarana “asa folo” (satria mitambatra ny fitantarana ny fananganana ny zanak’i Jaira sy ilay vehivavy mitsi-drà) no manohy ny fidinan’ilay Moizy vaovao avy eny an-tendrombohitra: fanasitranana olona telo nahiliky ny fiaraha-monina (boka, ny jentily – goHim, vaviantitra mararin’ny tazo Mt 8, 1-17); famantarana anehoana ny fahefany (ranomasina mitony, azon’ny demony, kilemaina); ary fanasitranana miaraka telo (zanakavavin’ilay lehiben’ny Sinagoga sy ilay vehivavy nitsi-drà samy 12 taona; ireo jamba roalahy; ilay lehilahy sady moana no azon’ny demony Mt 9, 18-35). Ireo famantarana roa ambin’ny folo nahazoana fahasoavana ireo dia tandindona ihany, sahala amin’ny foko roa ambin’ny folo teo amin’Israely, santatry ny vahoaka maneran-tany hanirahana ny Apostoly.
Ny vahoaka marobe avy nihaino ny Fampianarana teny an-tendrombohitra no manaraka an’i Jesoa. Ireo no antsoin’ny Evanjely handalina ny finoany ilay “Moizy Vaovao”, ka handray marina tokoa ny Teniny sy hampihatra azy amin’ny fiainana. Amin’ny Evanjely anio dia boka tsy niaraka tamin’ny vahoaka, voailiky ny fiaraha-monina araka ny lalàna, ka tsy maintsy hiantsoantso ny “tsy fahadiovany” (Levitika 13, 45). Tsy misy afa-tsy ilay “madio” no afaka hanadio indray. Tsy afaka ny hangataka ny fahadiovana amin’i Jesoa izay tsy mino ny fahadiovany. Ny Lalàna dia namaritra fotsiny ihany ny ratsy mety hifindra ka hampidi-doza ny rehetra. Araka ny Bokin’ny Fanisana dia mila ny hafa mba handeha hitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra (Aharôna nitalaho ho an’i Maria teo anatrehan’i Moizy Fanisana 12, 11ss). Ilay Moizy vaovao kosa dia azon’ny olona rehetra atonina, ka ny “fahalotoany” indrindra no hahafahany manatona ka “mitsaoka Azy”. I Jesoa kosa haninjitra ny tanany satria tsy afaka ny tsy hanao soa na amin’iza na iza Izy.
Ny fitsahoana an’i Jesoa moa no mamaritra ny Evanjely nosoratan’i Md Matio (Mt 2, 2.11: Fitsahoan’ny Majy; Mt 28, 17: fitsahoan’ny Apostoly). Ny fangatahana Aminy hanasitrana ny habokana dia fiekena Azy ho Andriamanitra afaka mandidy ny ho velona sy ho faty (2 Mpanjaka 5, 7). Tsy afaka ny hanery an’Andriamanitra anefa isika: “raha mety ianao”, raha sitrakao.
Tsy vitan’ny hoe “nety” i Jesoa fa sady naninjitra ny tanany no nikasika ilay boka. Fandikan-dalàna izany raha ny marina, saingy izay no hanehoany ny maha-Andriamanitry ny famindram-po Azy. Tsy natahotra ny hifangaro amin’ny olombelona mpanota Izy fa tonga iray petsapetsa amintsika mba hanehoany ny fitiavany amin’ny famelàna ny hadisoana izay maha-boka antsika. Ao amin’i Matio dia ny “habokana no nadio”, ao amin’i Md Marka dia niala ny habokana ka nadio ilay boka (Mk 1, 42).
Tsy miala ao amintsika fa lotoan’ny fahotana ihany, ilay endrik’Andriamanitra nahariana antsika. Ny Teny nahariany izao tontolo izao no mbola hamerenany ny olombelona “maloton’ny habokana” ho tonga madio tahaka Azy. Ary satria ny fahatanterahan’ny Lalàna no kendren’i Jesoa dia asainy miseho amin’ny mpisorona ilay voadio (Levitika 14, 2-32) ka ny fanatitra atolotra dia tsy inona fa ny fijoroana ho vavolombelon’ny fahasitranana. Tsy ho tonga ny farandro raha tsy izao tontolo izao no handre izany Vaovao mahafaly izany (Mt 24, 14).
Tsy ho sanatria ho filan-dera araka izany, fa ho fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra ny fanarahantsika ny lalàna rehetra sy ny fiezahantsika mitandrina azy mba ho soa ho antsika sy ny besinimaro.