Zoma faha-11 mandavantaona
- Ankasa 2 Mpanjaka 11, 1-4. 9-18.20/Salamo 131
- Tsy ankasa 2 Kor 11, 18. 21b-30/Salamo 33
- Md Matio 6, 19-23
Ao anatin’ny fampianarana eny an-tendrombohitra hanehoana antsika ny lalana mankamin’ny hasambarana moa izao ny Evanjely ankalazaintsika. Ny fitiavan’Andriamanitra “Ray” no mitantana ny zanany rehetra ary izay manaiky ho zanany no afaka handova ny Fanjakany. “Sambatra ny mahantra am-panahy” fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra. Ny fizorana mankamin’izany fahantrana am-panahy izany, araka izany, no fizorana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra, maha-mpandova antsika.
Amin’ny fivavahana dia asain’i Jesoa miditra ao amin’ny ταμεῖόν (tameion) isika mba hizaha izay harena misy ao, mba hahalala izay harena mameno ny fontsika, ka hahaizantsika manavaka izay harena tena marina sy maharitra mandrakizay. Amin’ny Evanjely anio dia ampianariny isika tsy hihary ny harena mandalo eto an-tany, ampianariny mba hanavaka ny tanjona sy ny fitaovana. Ny zavatra atao sakafo dia tsy maintsy maty, ny zavatra hiaingoana na ho ela na ho haingana dia hankaleo sy hanjavona, ary ny sisa tsy lany nefa angonina dia hampitaintaina amin’ny asan’ny mpangalatra fotsiny ihany.
Ny antony hikatsahana ny haren’ny lanitra dia satria miròna mandrakariva any amin’izay heveriny ho harena ny fontsika. Ka raha ny harena eto an-tany (θησαυρός thesaurus, ny toerana anangonana ny harena) no angonina dia mazava loatra fa ho tonga mpanankarena ianao, tsy ho mpandova intsony ny fiainana, ary tsy ho afaka ny ho zanaka sy ho mpiray tampò amin’ireo tsy nizaranao akory izay mba nananao.
Amin’ny fahaizantsika mampiasa izay harena ananantsika ety an-tany araka izany no hahafahantsika ho tonga mpitandrina mahatoky na tsia (jereo Lioka 12, 13ss; 16, 1-13). Raha ny zavatra mandalo no ironan’ny fonao dia ho zary fandalovana koa ianao, raha ny zavatry ny lanitra no andrian’ny fonao, dia ny fiainana ao amin’Andriamanitra no ho lovanao.
Lazain’ny Evanjely fa ny maso no jiron’ny tena, ary izay be ao am-po kosa no hitarafan’ny maso ny zava-misy. Raha tsara ny maso, ἁπλοῦς (haploûs, madio, tsotra), dia tsy ho voafitaky ny zavatra an-kosoka sy mandalo. Ny hadiovam-po no hahafahana mampahiratra ny maso hahita ny hatsaran’Andriamanitra ka ho babon’ny fitiavany ary haniry ny zavatry ny lanitra, hahafahana miombona aina Aminy. Raha ratsy kosa ny maso, πονηρός (poneros: ratsy, feno finanoherana, marary), dia na ny rahalahy ambavahaona aza tsy vita ny mamonjy azy, kanefa dia didy omen’Andriamanitra an’izay nahazo ny hizara ho an’ny tsy manana mba tsy ho zary ozona ho azy ny fanangonany harena (Det 15, 9-11).
Raha sanatria ny haren’ny tany no tonga andriamanitra tompoina dia mazava loatra fa ny fahazoana azy sy ny hampitomboana izany no ironan’ny fo, ka ny zavatra rehetra dia ho voajery mifanaraka amin’izany ka tombanana amin’ny vidinyhahafahana mampitombo io harena io. Hampizotra any amin’ny haizina anefa izany.
Fa izay nampahiratra ny masony kosa, ka nahita ny harena marina dia hizotra tahaka ny zanaky ny hazavana ary ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra ankasitrahan’Andriamanitra (Efeziana 5, 9).
Ho haintsika anie ny hiditra ao amin’ny fontsika, efitrano nasiantsika ny harena rehetra ka hahay hampiasa izay rehetra nomena antsika mba hanehoana ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona ka hanomezan’ny olona nohasoavina voninahitra Azy.