Zoma anatin’ny havaloana fankalazana ny Paka
- Asa 4,1-12/
- Salamo 117/
- Md Joany 21,1-14
Amin’ny fahefan’iza na amin’ny anaran’iza no anaovanareo izany?
Ity no lahateny fahatelo amin’ireo toriteny valo nataon’i Piera ao amin’ny Asan’ny Apôstôly. “Ny Anaran’i Jesoa Kristy izay nofantsihanareo tamin’ny hazofijaliana fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy io”. Avy eo dia tohizan’i Md Piera amin’ny fitanisana ny Sal 117: i Jesoa no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga fehizoro kosa. Nanana andraikitra tamin’ny fanorenana ny tranon’Andriamanitra ireo mpitondra fivavahana, vato sarobidy nomena azy ireo i Jesoa saingy tsy nifanaraka tamin’ny vinavina sy ny kinendrin’izy ireo izany, hany ka nesoriny tsy ho isan’ny velona izy, saingy ny nananganan’Andriamanitra Azy ho velona kosa no nahatonga Azy ho vatofehizoro iorenan’ilay Tempoly vaovao, hankalaza an’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy fahamarinana » (Jo 4,23), ary tsy hisy anaran-kafa hahazoana famonjena ankoatry ny anaran’i Jesoa.
Izay te ho mafy orina araka izany dia mila mitoetra eo ambonin’i Kristy sy ny Evanjeliny mba hahafahany maharitra mandrakizay (Mt 7,24).
Ny Evanjely kosa manohy ny fandalinana fa tsy mora na dia ho an’ireo mpianatra aza ny mahalala an’i Kristy tafatsangan-ko velona. Efa fanintelony izao no nisehoany, saingy tsy fantatr’izy ireo ihany, toy ny olona mbola tsy hary hitany akory i Jesoa. Tsy fiverenana amin’ity fiainana ity manko ny fitsanganan-ko velona fa fiakaran’i Jesoa any amin’ilay Voninahitra nananany nialoha ny nidinany teny an-tany, fidirany any amin’ny hafenoan’ny fiainana. Mazava loatra araka izany fa ilay fijery anaty (emblepô) no hahafahana mahalala an’i Jesoa.
Ny fitantarana anio koa, izay lazain’i Joany fa tany Galilea, dia manahirana ihany raha ampitahaina amin’ny fitantarana hafa: tsy nihidy aman-trano noho ny tahotra ny Jody niandry ny nidinan’ny Fanahy Masina tao amin’ny Senakla ve ireo Apôstôly, dia avy ao dia nivoaka nitory ny Evanjely? Dia ahoana ity lazain’i Joany fa niverina nanjono ity? Zavatra toy ireny no manampy antsika hanakatra lalindalina kokoa amin’ny hevitra sy ny hafatra tian’ny Evanjelista ampitaina.
Voalohany indrindra dia tsy roa ambin’ny folo fa fito ny Apôstôly nolazain’i Joany fa tafaraka: i Simona, ilay nandà ho tsy nahalala an’i Jesoa saingy nofidiny ho Piera vato (vato arafitra – pietros, fa tsy pietras, vato iorenana) hanorenana ny Finoana; i Tomà ilay tsy nety hino raha tsy mahita kanefa nitsaoka an’i Jesoa ho Tompo sy Andriamaniny; ry zanak’i Zebede roalahy izay nikasa handatsa-baratra tamin’ny samaritana (Lk 9,54) fa tonga vavolombelona nahafoy ny fiainana manontolo ho an’ny Evanjely; i Natanaela izay mifikitra amin’ny fomban-drazana saingy vonona handray ny Vaovao Mahafaly; ary mpianatra roa lahy tsy misy anarana, ny iray amin’ireo moa aoriana kely no lazain’i Joany fa ilay Mpianatra malalan’ny Tompo, izany hoe isika tsirairay avy.
Ny ranomasina moa, dia nentin’ny Israelita hilazana ny hery manohitra ny fahaveloman’ny olona, ary entina ilazana ny tontolon’ny haizina ilomanosan’ny olona andevozin’ny fahotana. Ny ranomasina no manelanelana ny tanin’ny fanandevozana sy ny lalana mankamin’ny tany nampanantenaina. Io no nahatonga an’i Md Lioka hilaza fa tsy ho mpanjono fe mpanjono intsony i Md Piera sy ny namany fa mpanjono ho amin’ny fiainana (ζωγρέω – zôgreô Lk 5,10), hanala ny olona ao anatin’ny haizin’ny “ranomasina” ka hitondra azy ho amin’ny hazavan’ny fiainana, hitarika azy amin’ny marina maha olon’afaka (Jo 8,32).
Saingy tsy hisy na inona na inona azo atao rahefa tsy eo ny hazavana. Raha tsy miaraka amin’i Jesoa, raha tsy tsilovin’ny Teniny isika, dia tsy afaka ny hanavotra na iza na iza. Izy Tompo no efa nilaza tamin’ny Apôstôly fa “raha tsy Izy, tsy hahefa na inona na inona izy ireo” (Jo 15,5). Marina fa tsy eo an-tsambo kely intsony ny Tompo fa efa ery am-pita, efa nasandratra ho any amin’ny voninahitry ny Ray Izy, saingy ny Teniny dia fanilo hahafahana mandatsaka ny harato ao an-kavanana, ka hahazoana “trondro” hoentina any amin’ny Fanasàny, any amin’ny tanin’ny velona, any Izy no hampipetraka sy handroso ny “mofo” ho an’ny Mpanompony.
Indro i Jesoa mijoro eo amoron-drano ka manontany azy ireo raha manan-kanina izy ireo. Ny teny ampiasaina hilazana hoe hanina moa eto dia προσφάγιον (prosphagion), teny hilazana ny zavatra hohanina miaraka amin’ny mofo, satria i Jesoa no nanolo-tena ho mofo, ho sakafo hamelona antsika rehetra. “Tsia”, hoy ny Apôstôly, fa sady tsy nahazo na inona na inona izy ireo no sady i Kristy irery ihany no sakafo mahavelona ho amin’ny fiainana mandrakizay. Matoa anefa tsy mamokatra ny zavatra ataontsika dia satria ao anatin’ny haizina no anaovana azy. Raha tsy tsilovin’ny Teniny izay fahazavana isika (Sal 119,105), tsy afaka ny hahita ny havanana, ny lafiny tsara tokony handrotsahana ny harato.
I Kristy mitsangan-ko velona no mampianatra antsika handrotsaka ny harato ao an-kavanana, ao amin’ilay lafiny nandoahan’ny lefona ny fony, ka nandrotsahany rano sy ra, ho loharanon’ny sakramenta ho an’ny Eglizy. Ny fanekena ny Teniny, ka hilomanosana ao anatin’ny loharanom-pahasoavana no hahafahana mitondra ny “trondro” ho amin’ny fiainana.
Samy manana ny fomba hilazany ny hevitry ny isa 153 moa fa ny itambaran’izy rehetra dia hoe tsy misy na dia karazan-trondro iray aza tsy voasarika ho eny an-tanety, ho eny amin’ny fiainana, ho any amin’i Kristy tafatsangan-ko velona: ho any Aminy ary handray anjara amin’ny fanasany no hanjonoana antsika.
Tsy zaka nakarina ny harato noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ny betsaka moa eto, πλῆθος (plèthos), izay ilazana ihany koa ny hafenoana amin’ny teny grika, dia mampahatsiaro koa ireo narary maro (plèthos) nandry teo akaikin’ny dobon’i Betesdà (Tranon’ny famindram-po), izay niandry fanasitranana (Jo 5,3). Izay mahatsiaro tena fa mpianatra malala, na ny marimarina kokoa, izay mahatsiaro fa notiavina (iharan’ny matoanteny agapaô), no afaka manokatra ny masony hahita an’i Jesoa. Tsy afaka hankalaza ny Eokaristia manko izay tsy mpianatra malala, tsy afaka hisaotra izay tsy nahatsapa fa nahazo soa sy nohasoavina. “Ny Tompo io”: izay tia no afaka mahalala.
I Jesoa nasandratr’Andriamanitra ho eo an-kavanany no handrotsahany amintsika ny fahasoavana hibebahana sy ho voavela heloka. Tsy ny hampitomany na hahamenatra amin’ny heloka vita, araka izany, no laharam-pahamehan’ny Apôstôly fa ny hanambara fa lehibe noho ny fahotan’ny olombelona ny famindram-pon’Andriamanitra. Vavolombelon’izany izy ireo sy ny Fanahy Masina. I Piera, vao naheno fa ny Tompo io, dia tahaka an’i Adama tao amin’ny sahan’i Edena: naka ravinkazo hanakonan-kenatra (Jen 3,7), saingy hafa ny hevitr’Andriamanitra. Ho an’i Adama dia nanjairany akanjo hoditra ho solon’ny ravina (Jen 3,21), ho an’i Piera kosa, notafiany ny akanjon’ny “mpamahana ny ondriny” ho solon’ny akanjo voarain’ny tanany teny ambony sambo. Indro izy tonga Piera (vato), nanaiky hitafy ilay ankanjon’ny fanompoana, ka ho faty ny amin’ny lasany sy ny fahotana ka hitsangana hiaraka amin’i Kristy eny an-tanety, eny amin’ny tanin’ny velona.
Tsy hitriatra ny harato satria i Kristy no mampiray antsika. Rehefa tafasandratra amin’ny tany Aho, hoy Izy dia hitarika ny olon-drehetra hanatona Ahy (Jo 12,32). Antsoiny hisakafo isika, eny fa na dia mbola ety an-dalana aza, dia afaka misantatra sahady ny “sakafon’ny Anjely”, ny Hanina Masina, mamelona antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Indro ny vainafon’ny Fanahy, i Kristy Trondro sy Mofo amahanana ny andian’ondry, ary ny hazandrano rehetra voajono kosa, hoentina mankeny amin’i Kristy, hiara-tsambatra Aminy any amin’ny Fiainana.
I Kristy tafatsangan-ko velona kosa dia namelona ny fanantenana, nanavao ny fomba fijery satria Izy no ilay “Zanak’ondry natao sorona, hanafaka antsika amin’ny fahafatesana, ka mendrika ny haja amam-boninahitra” (Ap 5,11-14). Io Soron’ny Zanak’ondry io no ankalazaintsika isaky ny manolotra Sorona Masina isika. Tsy Sorona hafa tsy akory fa ilay Sorona tokan’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana. Sorona mampiombona ny foko amam-pirenena rehetra, izay manaiky ka mahare ny feon’ny Zanak’ondry…
Ny Tompo anie hankahery ny fontsika mba hanehoantsika amin’ny asa izay inoana sy ankalazaina (vavaka fangatahana).