Tsy ho nofinofy akory ny Paka e! (2022)
Nofinofiko hono, io alina io,
Tsio-drivotra malefaka, sady tony no madio
Nanafoana ranomaso, nampitony fijaliana
Ka tsy hisy intsony ankaso, fa fararanom-pifaliana !
Nofinofiko ihany izany, ka lazaiko anareo,
Hoe foana hatreo ny tomany, tsy hisy intsony ny toreo,
Tsy voatanany ka nifoha, ilay maty tsy mba nandrasana,
angamba lasa ambiroa, fa tsy hita intsony tao am-pasana.
Hoe hora-pety lavareny ka tsy hisy fiafarany,
Toa nofinofiko ihany ireny, izany hoe paradisa an-tany,
izay tsy hahitana valifaty, tsy hahatsiarovana ny lasana
hahavelona ny maty, hahababangoana irony fasana.
Tsy nofinofy velively hoe noforonin’ny fisainako
Fa izany no Evanjely izay nanova ny fiainako.
Zava-tsoa tsy mahadiso, ny manonofy fihatsarana
Ka tsy hiandrasana ampitso,ny tononandrom-piovana.
tsy ho nofinofy lahy, ny fola-tena sy ny vavaka,
fa nanomanana fanahy, tsy hivarinana any an-davaka
Dia tampon-doha efa ho sola, no nohosorana lavenona
Ary lohalika efa kola niankohofana nanenina.
Dia nandalo fitsapana sy ireo fisedrana maroloha
Tsy kivin’izay hadalana fa matoky ny fitiavan’i Jesoa
Raha fibebahana re lahy no nanomanana ny Paka!
Dia ny fiainana am-panahy no tokony hahazo laka.
Ka fitsitsiana, fihafiana ho fanampiana ireo sahirana
Dia atao an-kafaliana sy amy tava miramirana.
Eh ! Ho foana hatreo rafahoriana, tsy hisy ory tsy havan’ny manana
Fa hifankatia sy hiray hina, atambatry ny fihavanana.
Fa omaly alina niangona, raha naheno ny Evanjely
Dia sady faly no talanjona amin’ny tenin’ireo Anjely
Tsy nofinofy sanatria – hoy aho – tsy angano-angano na arira
Velona i Kristy ! – Amen Aleloia ! izay no noredonina amin-kira !
Koa tsarovy koa izao ho antsika izay malemy
Fa nomeny hery vao tamin’ny ranon’ny batemy
Hanandrana ny hasambarana, hamela mamy toa tantely,
Tsy hitandro hasasarana amin’ny fitoriana ny Evanjely
Ndeha hiara-paly avokoa ka atsaharo ny alahelo
Fa nitsangana i Jesoa tamin’ny andro fahatelo
Dia aoka izay ny adilahy, foano hatreo ny disadisa
Mifankatiava re ry lahy fa izay no paradisa
Amen, Aleloia !