Trinite Masina
Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery ivon’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Io no misterin’Andriamanitra ao amin’ny Tenany ihany. Izany no maha-loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana azy, ary manilo izay manazava azy ireo. Io no fampianarana fototra sy tsy azo avela amin’ny “ambaratongam-pahamarinan’ny finoana” (Directorium Catecheticum Generale 43). “Ny tantaram-pamonjena manontolo dia tsy hafa, fa tantaran’ny fanehoan’ Andriamanitra amintsika, momba ny Tenany marina sy tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, ka mampihavana sy mampiombona aminy indray ireo izay nosarahin’ny fahotana” (Directorium Catecheticum Generale 47) (KFK 234).
Mistery fototry ny finoana Kristianina araka izany no ankalazaintsika anio. Tsy mistery hobanjinina fotsiny anefa izany fa mistery iainana ihany koa, satria tahaka ny fiombonan’ireo olona telo samihafa ho Andriamanitra Iray no iantsoan’i Kristy antsika mba hivondrona ho “vatana iray”, ho tena iray ao Aminy, ka hanandratra ny fahasamihafana ho harena sy voninahitra hitovizan’ny olona tsirairay, ka hahatonga antsika rehetra ho Fianakavian’Andriamanitra. Mazava loatra araka izany fa izay mino fa Trinite Andriamanitra, mino fa mitovy ny hasina sy ny voninahitra maha-Andriamanitra ireo olona telo ireo, ary vokatr’izany finoana izany dia tsy afaka ny hanaiky ny tsy fitovizan-jo mety hisy eo amin’ny fiaraha-monina, ka tsy hahafahan’ny fitiavana maneho ny hatsarany eo amin’izao tontolo izao.
Raha mankalaza ny Trinite Masina dia mankalaza ny fitiavana izay tsy mikombona amin’ny fifampibanjinan’olon-droa hiafara amin’ny “atero ka alao”, fa kosa fitiavana misokatra amin’ny hafa, ka mampiombona. Mahazatra ny maheno olona mitady olona afaka hahasambatra azy; revirevin’ny tanora ny hahazo andefimandry “hiadanana”, fa izay mahazo ny aim-baovao avy amin’ny Trinite Masina kosa dia olona “hampiadanina” no tadiavina. Izay tia dia tsy mitady ny soa ho an’ny tenany intsony fa ho an’izay tiany.
Amin’ny drafitry ny fankalazana, araka ny nandaharan’ny Eglizy azy amin’ireo taona litorjika telo dia manampy antsika hiaina araka ny tena Fitiavana, taratr’ilay Andriamanitra fitiavana, araka ny fampianaran’i Md Joany ao amin’ireo taratasy nosoratany.
Amin’ny Taona A, dia ny Endrik’Andriamanitra fitiavana lavorary, amin’ny maha-“fianakaviana miaina am-pitiavana” Azy no banjinin’ny Litorjia, fitiavana tsy hivelomany ho an’ny tenany anefa fa mba hitiavany an’izao tontolo izao nohariany. Ny Taona manaraka (B) dia mampahatsiaro antsika fa “antsoin’Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika”, antsoiny handray ilay fitiavana atolony antsika tao amin’ny Zanaka. Ny taona D kosa dia mandalina ny misterin’Ilay “Andriamanitra tokana olona telo”, fitiavana hifanoloran’ireo olona telo ireo, ka tonga modelin’ny fifankatiavana tokony hiainan’ny samy olombelona koa.
Taona A
- Eksaody 34, 4b-6.8-9/
- Daniela 3, 52-56/
- 2 Korintiana 13, 11-13/
- Md Joany 3, 16-18
- Fianakaviana miaina am-pitiavana lavorary, Andriamanitra.
Amin’ity taona ity, araka izany dia manampy antsika hahalala bebe kokoa ny endrik’Ilay Andriamanitra Trinite Masina ankalazaintsika ireo vakiteny aroson’ny Eglizy hanazava ny lalam-piainantsika ka hahafahana mizotra mankamin’ny fahasambarana. Nomen’Andriamanitra an’i Moizy ny Tenin’ny Fiainana, Teny folo mampianatra ny olona hizotra amin’ny lalam-pahasambarana. Noho ny hatezerany anefa, na dia izy ihany aza no nivavaka nifona tamin’Andriamanitra mba ho an’ny vahoaka (Eksaody 32, 11ss), rehefa nahita ny vahoaka “mafy hatoka”, nandihy teo anatrehan’ny zanak’omby volamena, dia nazerany sy nomontsamontsaniny teo am-pototry ny tendrombohitra, avy eo dia ny zanak’omby volamena indray no nodorany tamin’ny afo, nampanjariany ho vovoka, nafafiny tanaty rano ka nampisotroany ny Israelita (Eksaody 32, 19-20).
Manoloana ny fahotan’ny hafa, mazàna dia io toetran’i Moizy io no manavanana ny olona, eny fa na dia vao avy nivavaka aza izy. Ny Tenin’ny Fiainana, tsy mbola voavaky akory, Teny nosoratan’Andriamanitra mba hahitana ny tokony atao aloha no potehina voalohany, avy eo dia ny vokatry ny fahotan’ny olona, izay efa ratsy rahateo, no ampisotroina azy. Dia ho sanatria ve kapoky ny Tompo ny vokatry ny fisotroana ranom-bolamena!
Izany mbola fifangaroan’ny fomba fiheverana momba an’Andriamanitra izany no hazavain’ny Vakiteny voalohany naroso ho antsika amin’izao fankalazana izao. Fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany (Révélation). Ary satria ny takelaka roa voalohany dia tsy nisasaran’ny olombelona ka mora ny manapotika azy, dia takelaka vato tsy maintsy hamboarina ho vonona ny ampitso (Eks 34, 1-2) no hoentin’i Moizy hiakatra eny amin’ny Tendrombohitr’i Sinaì vao maraina koa. Mampisy hasiny ary maha-sarobidy ny fanomezana ny fiezahana hanomana ny vato izay hanoratana azy. Lazain’ny andininy 1 moa fa YHWH no hanoratra eo amin’ny takelabato ny Teny, saingy ao amin’ny andininy faha-27 dia i Moizy ihany koa no asain’Andriamanitra manoratra izay voalazany, mba ho fandraiketana ny fanekem-pihavanana amin’ny vahoakany.
Mandinika io Soratra Masina io aho, dia lasa ny saiko hoe izay no antony hamporisihana ny olona hanao ezaka, “hipaika takelaka vato roa” (Eks 34, 4a) mba hifanarahany amin’ireo katela-bato roa nohariana hitovy endrika Aminy (זָכָר zakar sy נְקֵבָה neqebah, jereo Jenezy 1, 27), asainy miezaka mba hitadidy (זָכָר zakar) ka ho afaka hanoratra, na dia Izy YHWH ihany aza no hanoratra ny Lalàny ao amin’ny fon’ny olombelona (Jer 31, 33; Rom 2, 15). Mifototra amin’ny maha-olona ny fahafahan’ny fahasoavana miasa sy mamokatra.
Eo anatrehan’izany rehetra izany Andriamanitra no maneho ny tenany: “mpamindra fo (רַחוּם , raHùm) sy miantra (חַנּוּן, Hannùn), mahari-po ( אֶ֥רֶךְ אַפַּ֖יִם’erek afa’im, ela vao tezitra)[1] sy be hatsaram-po (חֶסֶד, Hesed, mahatoky,רַב־חֶ֥סֶד ) amam-pahamarinana (אֱמֶת, ’emeth, AMEN, finoana sy fahamarinana)” (Eksaody 34,6). Ireo no toetran’Andriamanitra nampianariny ny Jody. “raHàn” sy “Hannàn” moa, mamindra fo sy miantra, dia hilazana fa tsy vitan’ny mangoraka fotsiny Izy fa mijaly amin’ny fahitana ny fijalian’ny hafa koa, na dia fantany aza fa ny tsy fanekena ny sitrapony no mampijaly azy ireo, ary mitady izay fomba rehetra hanesorana, na farafaharatsiny ahay, hanamaivanana izany fijaliana izany. Tsy ny hahafatesan’ny mpanota no sitrany fa ny hibebahany ka haha-voavonjy azy. Dia izay toetran’Andriamanitra mpamindra fo izany no irin’i Jesoa halaintsika tahaka raha mihevitra ny ho zanany isika (Lk 6, 36-38).
Izany no mbola amafisin’ny Evanjely ihany koa: “Andriamanitra tsy naniraka ny zanany mba hitsara izao tontolo izao fa mba hamonjy izao tontolo izao” (Jn 3, 16-18). Nahoana moa no tsy Izy Ray mihitsy no nidina hamonjy antsika? Nahoana no nandefa ny Zanany Izy? Ny antony mazava dia mba hanaporofoany ny fitiavan-dRay tsy mivadika ananany (חֶסֶד, Hesed, be hatsaram-po, hoy ny dikantenintsika), ka hanaporofoany amintsika fa ny fitiavana nitiavany an-Janany no itiavany antsika ihany koa (Jn 17, 23). Etsy an-kilany koa, avy amin’ny fibanjinana ny Zanany no hianarantsika kosa indray ny fitiavan-janaka, hitiavantsika an’Andriamanitra Ray tahaka ny hitiavan’ny Zanaka antsika (Jn 15, 9).
Ny finoana an’i Jesoa, izany hoe ny fiainana tahaka Azy, mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray izay tia ny hahavonjy antsika araka izany no hidirantsika amin’ny lalam-pamonjena. Izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray, mazava loatra dia tsy hifanaraka amin’ny fahasambarantsika, ka fahaverezana. Izay tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra dia efa voatsara. Jesoa no Anaran’ny Zanak’Andriamanitra ary “Andriamanitra mamonjy” no heviny. Izay tsy mino fa avy amin’Andriamanitra irery ihany ny famonjena dia tsy maintsy hitady famonjena any amin’ny zavatra hafa. Tsy Andriamanitra tsy akory no manary ny zanany fa izany avonavona hieveran-tena hahavita azy izany no hiantsiana fahaverezana sy hitadiavana faty, hoy ny Boky Fahendrena (Fah 1, 12) ka izay mpomba ny demony no hanandrana ny fahafatesana (Fah 2, 25).
Ireo toetran’Andriamanitra ireo no lazain’i Jesoa fa zavatra lehibe indrindra amin’ny Lalàna, dia ny “rariny (κρίσις, krisis), ny famindram-po (ἔλεος, eleos) sy ny finoana (πίστις, pistis)” (Mt 23,23), ka izay te hiaina izany dia mila miala amin’ny fitsaratsarana foana sy ny fanamelohana ny tsy manan-tsiny ary mianatra mamela heloka sy mizara. Izay te ho zanak’Andriamanitra dia hianatra ny hamela heloka tahaka ny ataony. Manoloana ny vahoaka tapa-kevitra fa handao ny Lalany, dia ambaran’i Osea mpaminany fa “tsy afaka ny handao ny vahoakany ny Tompo, onena ny fony”, ary amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia tsy hanampatra ny hatezerany Izy (Osea 11, 7-8).
Ny olon-dratsy, na dia anaovana soa aza, mbola mahavita ratsy ihany. Ny fahamarinana araka ny fahendren’olombelona dia mba miezaka mamaly tsara ny tsara, saingy mamaly ratsy ny ratsy ihany koa. Ny zanak’Andriamanitra, mino an’i Kristy nitsangan-ko velona kosa, miezaka ny manao soa, na amin’iza na iza, satria izay no fomban’Andriamanitra.
Dia hanao akory ary araka izany ny olon-dratsy? Tsy havarin’Andriamanitra any amin’ny afobe ve izy ireny?
Ao amin’ny Vakiteny voalohany dia misy andininy faha-7 tsy novakiana. Izao no voasoratra ao: Andriamanitra dia “mitahiry fitia hatramin’ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, kanefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafiny, hatramin’ny taranaka fahatelo sy ny taranaka fahaefatra” (Eks 34, 7). Tsy sanatria Andriamanitra anefa no hamaly faty. Ny heverin’ny olona ho sazin’Andriamanitra matetika dia ny vokatry ny fahotany ihany. ny tian’ny mpanoratra masina holazaina amintsika dia mazava: tsy misy ratsy natao ka tsy hitondra voka-dratsiny amin’ny fiainana. Mampalahelo fa ny tandrevaka ataon’ny ray aman-dreny dia mety hitondran’ny zanany faisana. Andriamanitra fitiavana ny Andriamanitsika ka ny famindram-po no sitrany. Izay mahatsapa ny voka-dratsin’ny fahotana no afaka hanohitra ny fahotana. Raha tsy izany dia hahavita hisakaiza aminy aza, amin’ny antsoin’ny teny frantsay hoe “le péché mignon”.
Ny vavak’i Moizy, henontsika tamin’ny vakiteny voalohany dia miangavy ny Tompo mba hiaraka amin’ny Vahoaka mafy hatoka ( עַם־קְשֵׁה־עֹ֙רֶף Eksaody 34,9). Fomba fiteny teo amin’Israely moa io hanoharana ny olona amin’ny ombintsarety mizoga, ka izay tratra hafara no manefa ny vesatry ny entana. Noharina tamin’ny Jioga manko ny Lalàna izay ifamatoran’YHWH sy ny vahoakany, ka ny fiaraha-mindrandalana no mampamaivana sy mampilanto ny dia. Mazàna anefa ny vahoaka tsy manaiky, tahaka ireo nanao zanak’omby volamena, ka sady mibaby ny vesatry ny sarety no mety ho matin’ny daroky ny fiainana. Tsy Andriamanitra no midaroka, tsy mpandroaka sarety Izy amin’izay ohatra izany, fa mpiara-mijioga amintsika.
Ny mety ho sazy dia ny mba hampibebaka ny olona ka hahazoany ny famonjena, hoy ny Boky Deteronomy: “Andriamanitra Mpamindra fo ny Tompo Andriamanitrao, ka tsy hahafoy anao sady tsy handringana anao ary tsy hanadino ny fanekempihavanany” (Det 4, 31). Hoy i Paoly manazava izany amin’i Md Timoté: Raha mandà Azy isika dia tsy maintsy ho laviny, ny fandavana Azy manko dia fandavana ny mety ho fahasambarantsika, ka tsy sitrany izany. Raha toa ka mivadika aminy (ἀπιστέω apisteo) kosa isika, namitaka Azy na tsy natoky Azy intsony, Izy kosa mijanona ho mahatoky mandrakariva (1 Kor 1, 9) satria tsy afaka ny tsy hikatsaka izay maha-sambatra antsika Izy, ary matoky mandrakariva, manantena fa ho avy ny andro hanekentsika ny fitiavany ka hilazantsika Aminy kosa, tahaka ilay jiolahy hoe: mba tsarovy aho rehefa mby any amin’ny fanjakanao ianao (jereo 2 Tim 2, 12-13).
Ny asa ataontsika anefa no mampisy heviny ny fiainantsika, ka izay asa natao am-pitiavana ihany no mifanaraka amin’ny endrik’Izy Trinite Masina ankalazaintsika anio. Izay mahita ny tena fitiavana dia mibanjina ny Trinite Masina, hoy Md Augustin. Tsy maintsy mbola holanjaina ny vesatry ny asantsika, hoy Md Paoly, ka hiseho eo ny bozaka sy ny mololo, saingy ny afo no hisedrana azy, ka “raha maharitra ny asany, dia handray valisoa izy; may kosa ny asany dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin’ny afo” (1 Kor 3, 12-15). Ho nenina mandrakizay raha sanatria tsy hararaotintsika hanaovan-tsoa ity fiainana nomen’Andriamanitra antsika ity, rehefa tonga ny fotoana hifanatrehan-tava Aminy (Fanambaràna 22, 4).
Ny Fanahy Masina, Fanahy maha-zanaka, fanomezan’i Kristy tafatsangan-ko velona ho antsika avy amin’ny Ray, no mandrotsaka ao am-pontsika ny fitiavana (Rom 5, 5). Izany no mahatonga an’i Md Paoly (Vak II 2 Kor 13, 11-13) manentana antsika mba hifaly, satria ny hafaliana no hahalalana fa namokatra ny fitiavana ao am-pontsika ny Fanahy. Izay tia dia faly mandrakariva na dia misedra ny mafy indrindra aza mba ho soa ho an’ny tiany. Raha tsy ny hafalian’ny ho tera-bao, tsy hisy vehivavy hanaiky hiankin-drindrina irery sy hisotro ny rano tsy tiana mba hahasoa ny zanany ao am-bohoka.
Amporisihin’i Paoly koa isika mba hiezaka ny ho lavorary, izany hoe hanesotra izay mety ho “bozaka sy mololo” foana ao anatintsika ao, ka ny fifanalàna alahelo, ny firaisan-kevitra sy ny fihavanana dia vimiaina hahafahana manandrana sahady ny fiaraha-monina amin’ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana. Io no ventesin’ny hira hoe: manomboka ety an-tany ny Paradisa raha isika olombelona no mifankatia.
Amporisihin’i Paoly koa isika hifanao veloma amin’ny oroka masina. Ny oroka (φίλημα philema) moa dia entina hanehoana ny fifampitokisana sy ny fanoloran-tena mba ho kiady sy tohana ho an’izay anolorana azy. Tsy hafa araka izany ny fifanorohana masina fa ny fiezahana ny ho lehibebe kokoa noho ny hafa, araka ny hevitr’i Kristy, ka hanekena ny ho mpanompo, ho fitaovana hahasambatra ny hafa (Mt 20, 25). Izay oroka tsy manambara izany fahavononana hanompo izany araka izany dia tsy masina.
Manao veloma anareo ny olomasina rehetra. Raha ny marina, tsy hoe famaranana ny taratasy ity dia fanaovam-belona. Ny ἀσπάζομαι (aspazomai) dia fiarahabana fa tsy fanaovam-belona. Miarahaba antsika ny olomasina raha toa ka manaraka izany zavatra lazain’i Md Paoly rehetra izany isika, miarahaba antsika tonga soa amin’ny fiombonam-piaiana amin’izy ireo, fiombonam-piainana vokatry ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina, tohanan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo izay hanovozana ny hery ilaina (2 Timote 2,1) ka iarahan’ny mpino rehetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra Ray.
Ny Fankalazana ny Fetin’ny Trinite Masina anie hampitombo ao amintsika ny hafaliana amin’ny fiombonana, ka hahaizantsika mihaino ilay Teny mpitory ny fahamarinana, hanekentsika hotarihin’ilay Fanahy loharanon’ny Fahamasinana, hanandramantsika ny hafalian’ny Lanitra amin’ny fiezahana ho lavorary, ho mpamindra fo tahaka ilay Raintsika any an-danitra, satria izany no fankatoavana ny voninahitry ny Trinite Masina sy fijoroana ho vavolombelon’ny finoana marina ka hahasambatra dia ny ankehitriny ka ho mandrakizay.
[1] ~H avga,ph makroqumei/( (makrothumei), be vovok’aina, sarotra ny hahareraka sy hahatezitra ny fitiavana, hoy Md Paoly ao amin’ny 1Kor 13, 4)