Triduum sacrum paschale
Hateloana hankalazana ny Paka.
Ny Vavaka mitohy (Triduum) dia fanomanam-panahy amin’ny fotoan-dehibe iray no hiheverantsika araka ny mahazatra, tsy hangatahana fahasoavana anefa fa hankalazana ny fahasoavana efa azo, hahatsapana ny fitiavan’Andriamanitra tsy mety lefy ho antsika olombelona. Ny hateloan’andron’ny Paka araka izany dia tsy fiomanana fa fankalazana mitohy sy amin’ny fomba manetriketrika ny misterin’ny nahafatesana sy ny nitsanganan’i Kristy ho velona.
Ny Alakamisy Masina (Coena Domini), araka ny hamporisihin’ny Fiangonana, dia handinihana manokana ny Sakramentan’ny Eokaristia, ny Sakramentan’ny Filaharana ary ny fifankatiavan’ny Mpirahalahy amin’ny fifanompoana. Ny Dingana voalohany amin’ny hateloan’ny Paka ary, ialohavan’ny fanamasinana ny menaka masina (tsy tafiditra amin’ny Triduum, ary araka ny fandaharan’ny eveka azo atao amin’ny andro hafa), izay hoentina hanamasinana ny vahoaka kristianina (voahosotra), dia ny fahatsapana fa eo anivontsika i Kristy, Izy no mamory antsika, ny Eokaristia navelany ho antsika dia sakramentam-pitiavana ankalazaina ho fahatsiarovana Azy: izany no fanekem-pihavanana, nasiany tombon-kase tamin’ny Ra nalatsany mba hanaporofoany ny faratampon’ny fitiavana, nahafoy ny ainy ho antsika mpanota.
Mba hananantsika anjara amin’i Kristy, dia mila manaiky hosasàna tongotra isika. Ny fanekena hosasan’Andriamanitra tongotra dia mba hanalàna ny endrik’Andriamanitra mety ho diso ao an-tsaintsika, satria ny olona dia tsy afaka ny tsy hanahaka ny endrik’izay Andriamanitra tompoiny. Manaiky isika araka izany fa mila ny hafa, tsy amin’ny zavatra lehibe ihany, fa na amin’ny zavatra tsinontsinona heverina ho asan’ny mpanompo sy ny andevo aza. Manaiky fa tsy andriamanitra manandevo fa Andriamanitra mpanafaka ny Andriamanitsika, Andriamanitra mpanompo. Voaantso isika araka izany hanao toy ny nataon’i Jesoa : hanompo ny hafa, hanasa ny tongotry ny hafa (Jo 13, 1-15).
Tsy zavatra mandehandeha ho azy anefa izany sanatria. Fantatsika ny hasarotry ny fiaraha-miaina, na any an-tonkantrano, na any amin’ny fiombonam-piainana na any an-toeram-piasana, eny fa na dia ny aty am-piangonana aza. Angamba tsy mahazatra antsika loatra, saingy mila hizarantsika mandrakariva, ny hanontany tena hoe : “raha i Kristy no eto, inona no nataony!” Ny fahatsapantsika fa malemy isika, mora mivadika amin’ny teny nomena, no hamporisihana antsika “hiambina sy hivavaka” satria “marisika ny fanahy fa ny nofo no osa” (fiaretan-tory mivavaka sy “reposoire”)
Ny Zoma masina, handinihana ny fijalian’i Kristy, “androm-pisaorana” fa tsy androm-pisaonana. Ny fifadian-kanina sy ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra (fahanginana) dia manampy antsika hahatsapa ny halehiben’ny fitiavana nasehon’i Kristy ho antsika, ka ho setrin’izany no hampipololotra ny vavaka ho an’izao tontolo izao (ranombavaky ny mpino). Andro hanombohana ny hasivian’andro amin’ny fitondrana am-bavaka ny sokajin’olona rehetra tahian’ny Famindrampon’Andriamanitra…
Tsy andro manjombona hisaonana loatra anefa, araka ny efa voalaza teo, ka afangaro amin’ny fandevenana (miakanjo mena ny mpisorona ny zoma masina) fa andro hilazana ny fandresena, andro hanavaozana ny finoantsika fa ny lakroà no lalana mitondra amin’ny fandresena. Impiry isika no mandini-tena ka tsy mahita valiny manoloana ny fijaliana mianjady amintsika na amin’ny havantsika… Indro i Kristy manoro antsika ny tena fiainana: tsy ny fandosirana ny fijaliana akory no hampisy hasiny ny fiainana fa ny fitiavana hatramin’ny fara-fofon’aina. Ny fitiavana no hitsarana antsika.
Ny Sabotsy masina, andro fahatelo kosa, no hankalazantsika ny ivon’ny taona litorjika: Paka, fandalovana. Tsy fandalovana vetivety any am-piangonana sanatria fa fandalovan’i Kristy eo amin’ny fiainantsika ka hiampitantsika avy amin’ny fiainana andevozin’ny fahotana ho amin’ny fiainam-baovao ao Aminy. Ity andro ity no hahatsiarovan’ny Fiangonana an’i Jesoa nidina any amin’ny toeran’ny maty, tononina amin’ny fiekem-pinoana, hanamafisana ny maha-olombelona Azy (1 Kor 15, 3-4), fa koa hanavaozana ny fanantenan’ny olombelona fa na manoloana ny fahafatesana aza, manoloana ny voa nafafy ka maty, dia fiainam-baovao no andrasana am-pinoana ka hamelonana ny fanantenana vaovao.
Isika tsirairay avy ary no voaantso handinika manokana ny fiantsoana niantsoana antsika, ary handalina manokana ny maha-kristianina antsika, amin’ny fanahafantsika an’i Kristy. Mazàna manko, ny fahadalana sy ny fitiavan-tena narafitry ny tontolo manodidina no toa zary fahendrena entintsika miaina, ka ho zary fahazarana hanandevo ny marina ka hanesotra ny fitiavana ao am-pontsika.
Isika rehetra no voaasa amin’ny Fanasan’ny Zanak’ondry : Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo… Samia misotro amin’ity ianareo. Saingy tsy isika rehetra no madio… Tsy misy mendrika handray an’i Kristy, saingy nomeny antsika kosa ny Fanahiny handio antsika amin’ny fahotana, “tsy mendrika isika fa kosa mila azy” (Curé d’Ars). Raha tsy izaho tsy mahefa na inona na inona ianareo, hoy Izy (Jo 15, 5).
Ny Sabotsy alina, miaraka amin’ny afo vao, dia porofointsika fa tsy maharesy ny hazavana ny haizina, na mikitroka toa inona aza, ary ny tantaran’ny Famonjena, tarafin’i Kristy mitsangana ho velona (Jiron’ny Paka, atao eo akaikin’ny Famakian-teny, Ambon) dia mahazo heviny vaovao, ary hanome hery ireo izay vonona hanavao ny Toky nomeny tamin’ny Batemy, ka hivelona amin’ny Teny sy ny Tenan’i Kristy.
Ireo tsy afaka manantona amin’ny latabatry ny Tompo kosa (izay mitoetra amin’ny toe-pahotana) tsy hoe voahilikilika tsy akory, fa tokony hivelona amin’ny faniriana tsara handray an’i Kristy, ary hivoky ny Teniny izay Kristy ihany koa, izay hanome azy ireo ny hery hoentina mandray fanapahan-kevitra hivoahana amin’ny toe-pahotana. Tokony hampandini-tena antsika mandray Azy koa izany, araka ny handidian’ny Fiangonana hanao komonio tsara amin’ny Paka, ka hahatsiarovantsika ireo zavatra telo lehibe hanomanana ny komonio tsara : 1- ny faniriana handray an’i Kristy, 2- ny Finoana fa i Kristy no ao amin’ny Eokaristia ary 3- ny fitiavana vokatry ny fiombonana aina amin’i Kristy. (jereo eto katesizy http://katolika.org/fandalinam-pinoana/sakramenta/manaova-komonio-tsara ).
[Tsara ho tadidìana fa tamin’ny Taona 2020 dia tsy afaka nanatrika ireo fotoana ireo niaraka any am-Piangonana ny Kristianina, saingy tsy mnahasakana kosa izany ny fiombonam-po sy fanahy amin’ireo Pretra nanolotra ny Sorona sy ny Vavaka ho an’ny Vahoaka, fa indrindra indrindra koa, ny fotoana nananana nijanonana bebe kokoa ao an-trano dia nirariana fa nanampy ny tsirairay hiditra amin’ny misterin’ny Finoana, nandinihana sy nakàna fanapahan-kevitra tamin’izay fomba fiainana vaovao tokony hiainana, taorian’ireny sedra niaraha-mizaka mba ho soa ho an’ny olombelona rehetra ireny.]
Mandresy isika miaraka amin’i Kristy. Tsy handresy ny namana mba hanjakazakana fa kosa handresy ny fahavalo, dia ny fahotana sy ny fahafatesana, handresy ny halavolo, handresy izay rehetra tsy mitondra amin’ny fahasambaran’ny tena sy ny hafa. Izany ihany no fandresena araka an’i Kristy.
Dia mirary Paka sambatra ho anao.