Taona Litorjika B
Ny Fiaviana, na avent dia fotoana hanombohan’ny Taona litorjika, sady entina ihany koa hanomanana ny fetin’ny Noely. Ny hoe Adventus amin’ny teny latinina no nadikantsika hoe “Fiaviana”, fiavian’i Kristy, tonga hanorina sy handavorary ny Fanjakan’Andriamanitra efa nosantariny tety anivontsika tamin’ny nahatongavany ho nofo sy ny nahafatesany ary nitsanganany ho velona. Ny alahady voalohany amin’ny fiaviana dia izay alahady manaraka ny 26 novambra.
Amin’ity taona B ity dia mamaky ny Evanjely nosoratan’i Md Marka isika. Ny Evanjely moa dia i Marka mihitsy no azo lazaina fa mampiasa azy ho fomba fitantarana vaovao (karazan-dahatsoratra na genre littéraire), tsy hafangaro na amin’ny haisoratra ara-pahendrena nahazatra hatramin’izay (philosophie) na amin’ny angano (mythe) enti-milaza ny zava-mahatalanjona tsy takatry ny saina nefa ampitana fampianarana ombam-pahefan’ny olona iray, na amin’ireo tantaram-piainana (biographie) enti-mahatsiaro ny olo-malaza iray. Tsy izy no namorona ny teny hoe Evanjely, saingy izy kosa no nampiasa izany, mba hoentiny mamintina izay heveriny fa Tenin’ny Fiainana avy amin’ilay Teny Tonga nofo, dia i Jesoa, ilay Kristy, Zanak’Andriamanitra. Ny fehezanteny nanombohan’i Marka ny “Vaovao Mahafaliny” moa dia famintinana ny Evanjely manontolo: “Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra”.
Araka ireo mpandinika manokana momba ny Soratra Masina dia io no Evanjely voasoratra voalohany, io no fohy indrindra ary natokana ho an’ireo katekomena miomana amin’ny sakramentan’ny firosoana ho Kristiana.
Raha tsotsorina ny filazana ny Evanjelin’i Md Marka dia mitantara ny “dia”, ny fivahinianana nataon’ilay Jesoa, ilay Mpandrafitra tao Nazareta, niditra an-tsehatra teo amin’ny onin’i Jordany fony izy nataon’i Joany Batemy, niantso mpianatra hanara-dia Azy, nampianatra ary naneho tamin’ny fomba fiainany sy ny ny fomba fiheviny ny endrik’ilay Andriamanitra Rainy. Izay mamaky ny Evanjeliny, izany hoe isika amin’ity Taona ity, dia antsoiny koa handray anjara amin’izany fivahinianana masina izany. Tsy afaka ny hahazo ny Evanjely izay mihevitra ny handray azy tahaka ny boky hafa, ka hieritreritra ny handinika azy eo ambony latabatra fotsiny. Tsy maintsy mandao ny fomba fisainany ka mirotsaka an-tsehatra amin’ny fiainana takian’ny Evanjely izay te hahazo azy marina tokoa. Izany no tsy maintsy handinihantsika manokana ny fiombonantsika amin’ny Misterin’ny Paka, izany hoe amin’ny Fijaliana, Fahafatesana ary Fitsanganan’i Kristy ho velona, porofo hahafantarantsika fa azontsika sy tonga fiainana ho antsika tokoa ny Evanjeliny.
Na dia toy ny tantara tsotra sy mifintina nangonina tetsy sy teroa aza no fijery izay nosoratan’i Md Marka ho antsika dia hita misongadina ny fizarana roa lehibe manentana azy hanoratra ny Evanjely manontolo: haneho ny maha-Kristy an’i Jesoa (hatramin’ny Mk 8,26), hany ka ny fiekem-pinoan’i Piera, Ianao no Kristy dia famintinana ny tapany voalohany sady fanombohana ny fizarana faharoa, miompana indrindra amin’ny misterin’ny Fijaliana sy ny Lakroa, anehoan’i Jesoa Kristy ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy.
Ny Famakiantsika ny Evanjely nosoratan’i Marka ary araka izany dia natao hanampy antsika handalina bebe kokoa izay firaisam-po amin’i Jesoa ao amin’ny Misterin’ny Paka, fa indrindra handalinana manokana ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika amin’ny fitondrana ny hazofijaliana sy ny fiombonana amin’i Kristy nijaly sy maty ho antsika, ary nitsangan-ko velona ho fanantenana ho antsika.
Mandritra ny Fiaviana kosa, ireo vakiteny (andavan’andro) aroson’ny Litorjia hodinihintsika isan’andro dia mamintina ireo vanim-potoana fiandrasana nisy teo amin’ny Tantaran’Israely sy ny Fiangonana: ny vakiteny voalohany dia saika ny Bokin’i Izaia Mpaminany izay nanambara mivantana ny fahaterahan’ilay Emanoela; hatramin’ny alarobian’ny herinandro faharoa dia vakìna miaraka amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Matio, dia manambara ny Fiandrasan’Israely ilay Mesia, hitondra fanafahana, miantso fibebahana, ary mamelona indray ny fanantenana, satria ilay Mpamonjy no miantso: “Mankanesa aty amiko ianareo izay mijaly sy vasara-pahoriana” (Mt 11,28-30 Alarobia II). Ny alakamisy II kosa manokatra ny fanomanana akaiky: “Mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista” (Mt 11,11-15), ilay mpialoha lalana an’i Kristy. Ary ny famakiana ny tetiaran’i Kristy (Mt 1,1-17: razan’i Jesoa Kristy Zanak’i Davida, ny andro 17 Desambra, hanombohan’ny havaloan’andro fiomanana mivantana amin’ny noely) dia manokatra ny fandinihana manokana ny anjara toeran’i Maria eo amin’ny tantaram-pamonjena.
Amin’izao Fiaviana izao koa dia miha-mahazo vahana ny fampiasana ireo “signe”, famantarana hita maso ampiasaina amin’ny haingo amin’ny Litorjia ataontsika toy ny “Couronne de l’Avent”. Tsy ny hahafinaritra ny maso anefa no tokony hotadiavina fa ny hanampian’ireny famantarana ireny antsika mba hiaina marina tokoa ny fiandrasana ny Tompo izay ho avy. Ireo labozia efatra arehitra isaky ny alahadin’ny fiaviana, dia manambara ireo vanim-potoana fiandrasana teo amin’ny Tantaram-pamonjena.
- Ny voalohany (loko volom-parasy) dia manambara ny famelana azon’ny taranak’olombelona taorian’ny fahotan’i Adama sy Eva, maneho ny FO MIBEBAKA ka vonona HIAMBINA mandrakariva;
- ny faharoa (loko mena) dia manambara ny FINOANA nentin’i Abrahama nihazo ny tany nampanantenaina, izy ilay rain’ny mpino maneho ny fahavononantsika hanitsy koa ny lalan’ny Tompo amin’ny fahamasinan’ny Fitondran-tena sy ny fitiavam-bavaka (Vak II Alahady II: 2P 4,8-14);
- ny fahatelo (loko mavokely) dia manambara ny HAFALIANA nanentana ny fon’i Davida manantena fa hanjaka mandrakizay ny taranany, io moa no alahadin’ny Gaudete izay mampahatsiaro antsika ny HAFALIANA izay tokony hiainantsika ao amin’ny Tompo izay eo anivontsika;
- ny fahefatra (loko fotsy) dia manambara ny fahatanterahan’ny Faminanian’ny Mpaminany, mitory Fiadanana sy Fandriampahalemana, izay tanteraka amin’ny fahaterahan’i Kristy ao am-pontsika tsirairay avy, ka hahatonga ny fanompoana an’Andriamanitra ho loharanon-kafaliana.
Raha iverenana ireo alahady mandrafitra ny Fiaviana ao amin’ny Litorjia sy ny Lovam-panahy ao amin’ny Eglizy dia izao no azontsika amintinana azy, indrindra moa ho antsika mankalaza ny Noely ny 25 desambra, hatramin’ny taona 336:
ho an’ny Mpanaraka ny fomba fivavahanan’i Md Ambroise, dia misy Alahady 6 nyy Fiaviana ka manomboka amin’ny fetin’i Md Martin izany:
- Alahadin’ny fiavian’ny Tompo
- Alahadin’ny zanaky ny Fanjakan’Andriamanitra
- Alahadin’ny Faminaniana tanteraka
- Alahady fidiran’ny Mesia
- Alahadin’ny Mpialoha lalana
- Alahadin’ny fahatongavana ho nofo
Ho an’ny Fomba fivavahana latinina manaraka an’i Rôma kosa indray, dia ireo Tononkira fidirana no manampy antsika hahazo sy hahatadidy ny dingana sy ny firosoana am-panahy mankany amin’ny Fankalazana ny Noely:
- Any aminao, ry Tompo no anandratako ny fanahiko,
Ianao, ry Andriamanitra no ifefeko,
tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavalo!
Izay rehetra mitady Anao, tsy ho azon-kenatra. (Sal 24,1-3) – Ad te levavi - Indro tamy hanavotra ny firenena rehetra ny Tompo, ry vahoakan’i Siona;
hampanakoako ny feony be voninahitra
ary ho dibo-kafaliana ny fonareo (Iz 30,19.30). Populus Sion - Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo!
Eny averiko indray, mifalia! Satria efa akaiky anie ny Tompo e (Fil 4,4-5) – Gaudete - Arotsahy avy any ambony ny andonao, ry lanitra,
ary aoka ny rahona hampidina ilay Marina toy ny ranon’orana,
ary ny Tany hisokatra hipoiran’ny Mpamonjy (Iz 45,8). Rorate
ALAHADY I FIAVIANA TAONA B
- Izaia 63,16b-17, 19b; 64, 2b-7
- Salamo 79
- 1 Korintianina 1,3-9
- Md Marka 13,33-37
Tongava, ry Tompo tsara fo!
Ao amin’ny Vakiteny I (Izaia 63,16–64,7) dia henontsika fa antsoin’Israely ho Tompo Ray, Andriamanitra, sady fampidirana no famaranana (inclusion) ny vakiteny henontsika teo izany. Tompo Mpanavotra, Tompo Mpanefy. Na dia efa voalaza any amin’ny Boky Eksaody (Eks 4,22) aza fa “Israely no zanak’Andriamanitra lahimatoa”, ary antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” ny Mpanjaka apetraka eo amin’ny fiandrianany (Sal 2), dia io hitantsika ao amin’ny Bokin’i Izaia io kosa no iantsoana an’Andriamanitra ho “Ray”. Sarotra ho an’Israely, mazava loatra ny hihevitra an’Andriamanitra, ilay Masina, Avo indrindra (Tout Autre) ho toy ny ray niteraka, ka hitovy amin’ny olombelona nohariany, na dia lazain’ny Boky Jenezy aza fa mitovy endrika Aminy (tselem) sy mba hanahaka Azy (demut) no naharian’Andriamanitra ny olombelona.
Ray Izy. Izany dia efa nambaran’i Izaia, taonjato V talohan’i Kristy sy i Jeremia (Mpaminanin’ny fahababoana): “ray ho an’ny vahoaka Israely Aho”. Henontsika teo anefa fa Ray, toy ny mpanefy tanimanga no anazavan’i Izaia izany maha-ray an’Andriamanitra izany: mpahary, mpanome endrika fa tsy manome aina mitovy fotsiny. Tsy dia ilay fiterahana loatra no maha-ray, araka izany fa ilay “fahefana” entina milaza izay tokony hataon’ny zanaka. Mba tsy hampifangaroana ny Endrik’Andriamanitra amin’ny an’ny ray niteraka, dia naleon’Israely tsy nampiasa ny fiantsoana an’Andriamanitra ho Ray izany. Isika kosa mahalala ary asain’i Jesoa mivavaka amin’Andriamanitra “Ray”, tsy ray tahaka ny ray niteraka fa “Ray” môdelin’ny ray rehetra, ary “izay manaiky hihazo ny hafa amin’ny seha-piainana manokana misy azy, tsy hitazona azy ho an’ny tenany fa hanampy azy hihatsara amin’ny maha-izy azy ihany no afaka ho tonga ray”, hoy Papa François, amin’ny Fratelli tutti (Eloi Leclerc cit.)
Na izany aza anefa, ilay Ray mpanavotra, lazain’i Izaia dia manampy antsika handalina ny fitiavan’Andriamanitra. Ny mpanavotra, “go’el” amin’ny teny hebrio, dia entina hilazana ilay havana akaiky manaiky handoa ny trosan’ny havany iray amidy ho andevo noho ny tsy fahafahan’ity farany nandoa trosa, ka ny fandoavana izany (na ny fanolorana ny tena ho antoka aza indraindray) no hamerenana aminy ny taniny sy ny fahafahany ary hiarovana ny zony sy ny ainy (jereo Lev 25,46sns). Rehefa mampiasa ny teny hoe Go’el hiantsoana an’Andriamanitra Mpanavotra ny vahoaka, dia mahatsiaro fa sady Havana akaiky azo ianteherana Izy Ray, no tia ka miaro ny fahafahan’ny zanany rehetra.
Amin’ny sakafo farany dia azontsika takarina amin’ny filazan’i Matio kosa indray ny antony iakarana any Jerosalema ka hanoloran’ny Zanak’olona ny ainy ho fanavotana (lytron amin’ny teny grika ary amin’ny teny hebrio dia ga’al, nahazoana ny go’el, jereo Jôba 19,25-27) ny besinimaro (Mt 20,28), ary izany indrindra no tanterahiny amin’ny fandatsahana ny rany, ilay ran’ny fanekem-pihavanana vaovao (Mt 26,28) tahaka ilay Mpanompon’i YHWH lazain’i Izaia (Iz 53,11-12).
Tsy azo adinoina fa ny famelan-keloka (pardon amin’ny teny frantsay), dia avy amin’ny teny italianina hoe “per dono”, ilazana ny fanomezana omena ny mpanameloka (mpitsara) mba ho takalon’aina hahaveloman’ilay voaheloka ho faty. Izay mamela heloka araka izany dia mitady izay fomba hitondrana amin’ny fahavelomana mandrakariva. Heveriko fa anisan’ny zavatra andrasantsika ka imasoantsika amin’izao fiaviana izao ny hifandrimbona amin’Andriamanitra Ray amin’ny fanavotana ny zanany. Izaia moa mbola niangavy Azy mba handrovitra ny lanitra mba hidinany hamonjy antsika. “Ianao no Ray fa i Abrahama tsy nahalala anay”, hoy ny Mpivavaka ao amin’i Izaia (Iz 63,16). “Aza manao anakam-po hoe manana an’i Abrahama ho rainay izahay”, hoy i Jesoa (Mt 3,9). Isika kosa efa mahalala fa nisokatra (anoigô) ny lanitra ary ny voaly tao an-tempoly dia efa nitriatra (schizo). Anjarantsika ny misafidy na hiaina amin’ny maha-zanaka tiana na mbola hitady fitiavana amin-javaboahary ihany. Tsy sakanany amin’izay mety ho heloka hipaoka toy ny rivotra isika, saingy ampahatsiahiviny fa Andriamanitra tia sy vonona hanavotra ny Zanany Izy.
Ao amin’ny Vakiteny II, dia mamerina manazava ny hevitry ny teny hoe “Avent”, Fiaviana, i Md Paoly. Nandray an-kafaliana ny Evanjely ny Kristianina tany Kôrinto, ary mampisaotra an’Andriamanitra mandrakariva izany, hoy i Paoly. Ampahatsiahiviny anefa fa ny “fiandrasana am-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompo” dia laharam-pahamehana ao amin’ny fiainana Kristianina. Marina fa hoe vao avy nankalaza ny Fetin’i Kristy Mpanjaka isika, saingy raha jerena amim-panetren-tena marina tokoa dia fantatsika tsara fa mbola lavitra ny Fanjakan’i Kristy ny tontolo misy antsika, eny fa dia na ny fontsika aza. Maniry ny hahatongavan’ny fanjakany tokoa ve isika? Fanontaniana mila apetraky ny tsirairay manokana amin’izao Fiaviana izao, araka izany, ny hoe “miandry inona aho?” Miandry an’iza aho? Tsy azo adino anefa fa tsy ny fiandrasana no zava-dehibe avoitran’ny teny hoe “adventus” fa ny fahatongavana, ary ny ad-ventum (avy amin’ny matoanteny latinina venio, fotoana efa lasa) aza dia “efa tonga” no dikany. Ilay fiandrasana araka izany dia fiandrasana zavatra azo antoka.
Ambaran’ny Katesizintsika ireo fiaviana in-telo miantoana ankalazaina:
- Ny fahatongavan’ny Teny ho nofo, ankalazaina ny 25 desambra amin’ny Noely. Io no fiandrasana araka ny faminaniana teo amin’i Israely.
- Ny fahatongavany ao am-pontsika sy ny itoerany lalandava ao amin’ny Eglizy, nosantarin’i Jesoa tamin’ny fahafatesany sy ny nitsanganany ho velona ka nanomezany ny Fanahy ho antsika rehetra hahafahantsika miaina ny maha-zanak’Andriamanitra.
- Ny fahatongavany amim-boninahitra handavorary ny zavatra rehetra, izay lazaina hoe farandro. Fa tena hetahetantsika ve ny hahatongavan’izany?
Tao Kôrinto, ny fifikirana amin’ny zava-mandalo sy ny fitadiavana fahafinaretana amin’ny fiainana andavanandro dia nampangatsiaka io fiandrasana ny “fisehoan’i Jesoa Kristy Tompo” io. Izany no nahatonga an’i Md Paoly hampahatsiaro zavatra roa fototra iorenan’ny fiainana Kristianina: fahasoavana amam-piadanana.
Ny fahasoavana moa (kharis amin’ny teny grika) dia avy amin’ny matoanteny hoe khairô, mifaly, (khaire, kekharitômenè Lk 1,28), entina hilazana ny “toetran’Andriamanitra manome an-kafaliana sy maimaim-poana (gratuit) ny fahasoavany”. Ny antony moa dia ny mba hiombonantsika amin’ny hafaliany sy ny fahasambarany. Izany no hevitry ny hoe anaty toe-pahasoavana (en état de grâce), miombom-piainana amin’Andriamanitra. Ny fiadanana (eirènè, teny grika) kosa dia ny filantoana vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika. Mampanan-karena amin’ny zavatra rehetra izany firaisana aina amin’Andriamanitra izany, hoy Md Paoly, ary izany ihany no antoka hahafahana maharitra hatramin’ny farany. Asan’Andriamanitra no mampiorina antsika tsy hanan-tsiny fa tsy ezaka avy amintsika tsy akory. Tsy midika anefa izany fa moramora koa ny fiainana ny fiantsoan’ny Ray antsika hiombona amin’i Kristy zanany izay anehoan’Andriamanitra amintsika izany fitokisany izany.
Voaantso hiombona antoka (koinonia, grika) amin’i Jesoa izany isika ka anjarantsika ny mamaly izany antso izany na tsia. Ny evanjely moa no mamaritra izany fiombonana antoka izany.
Miambena! (gregoreô)
Blepete, agrypneite (kai proseukheite) ouk oidate gar pote ho kairos estin (Mk 13,33 BYZ)
Ny Evanjely dia manohy ny filazan’i Jesoa fa tsy misy mahalala ny fiavian’ny Zanak’olona na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray. Ny zavatra andrasana no fantatsika araka izany, dia ny hamondronan’Andriamanitra ao amin’ny Zanany ny zavatra rehetra, saingy ny fotoana kosa tsy hay (Mk 13,32). Ahoana anefa no hahatonga ho antom-pifaliana ny zavatra tsy nandraisana anjara?
Raha te hiara-paly amin’Andriamanitra amin’izany fiavian’ny Zanak’olona izany isika, dia tsy maintsy handray anjara amin’ny fanatontosana azy. Dia izao no lazain’i Jesoa fa dingana hahafahana manatontosa izany: mitandrina, miambina ary mivavaka.
Ny nadika hoe mitandrina moa eto dia ny teny grika hoe blepô, izany hoe mijery ka mandinika ny zava-misy sy izay mety ho heviny, manao “discernement”. Izay tsy afaka ny hihanona amin’ny ety ivelany, ka mandinika marina tokoa dia mazava loatra fa tsy maintsy hiambina (agrypneo: a-hypneo), hahafoy ny torimaso mba haharetana amin’ny fandinihana sy ny fitadiavana ny hevitry ny fiainana sy ny zava-mitranga, ary mba hanandratana ny vavaka amin’Andriamanitra ka hisondrotan’ny fo amam-panahy hahita ny zava-misy araka ny hevitr’Izy Ray.
Oharin’ny Evanjely amina iray lehilahy mandeha mivahiny, ka manome fahefana ny mpanompony, ny olona eo anoloan’ny fiandrasana ny fandresen’ny Zanak’olona ka isondrotany amin’ny voninahitra. Ny fampidiran’i Md Marka ny hoe “maneno akoho” dia manampy antsika handalina bebe kokoa ny tiany hambara. Fantatsika fa i Piera, ilay nihevitra ho fatra-piambina ka nilokaloka fa tsy handao an’i Jesoa, talohan’ny maneno akoho, dia nandà Azy in-telo.
Tsy fiambenana vita amin’ny vava, araka izany, fa fitokisana amin’ny fitiavan’ilay tsy mivadika mandrakizay no tokony hataontsika. Izay fitokisana izany no hahalalantsika ny andraikitra ankinina amintsika tsirairay avy sy tokony hotanterahintsika. Ezaka tokony ataon’ny tsirairay, mialoha ny hitakiana ny hafa hanao ny adidiny, ny manatontosa an-tsakany sy an-davany ny an’ny tena, raha tiantsika ny hanomana marina tokoa ny Noely.
Azontsika raisina ho laharam-pahamehana amin’izany fiambenana izany ny fanentanan’ny Papa amin’ny fikajiana ny Tranobe iombonana araka ny nosoratany ao amin’ny taratasy ansiklika Laudato si’: singanina manokana amin’izany ny fampivoarana manontolo sy maharitra, tokony hiombonan’ny olona rehetra ho an’ny olona tsirairay, indrindra amin’ny fikajiana sy fikolokoloana ny tontolo iainana sy ny zavaboaary, izay mifototra amin’ny fahatsapana fa fanomezana sarobidy avy amin’ny Nahary ireny ka tokony hampiasaina tsy hanjakazakana fa hifanasoavana.
Ao amin’nyvavaka nampianarin’ny Tompo dia ampitaina amintsika fa ny faniriana ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy maintsy hamafisina amin’ny fitadiavana sy fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.
Fa hafaran’i Jesoa koa isika mba hiambina eo am-bavahady. Ny hoe miambina moa, grègoreô amin’ny teny grika, dia entina ilazana ny toetra hentitra tsy andeferana amin’izay mikasa hanimba ny trano ka tsy avela hiditra ny vavahady. Izany no toe-po amam-panahy hahafahana mitahiry ny fahasoavana amam-piadanana: fijerena sy fandinihana izay rehetra mety hanimba ny trano sy izay monina ao. Ny hoe grègoreô koa dia avy amin’ny matoanteny iray hafa egeirô, midika hoe mifoha na miarina, hilazana ny fifohazana amin’ny torimaso. Midika izany fa mety ho azon’ny torimaso ihany ilay miari-tory (agrypneô) mivavaka, saingy vonona ny hifoha haingana, hitsangan-ko velona mba hamoha varavarana an’i Kristy hiombonana aina Aminy.
Raha miezaka manesotra izay rehetra tsy mampitombo ny fitiavana sy ny fiombonantsika amin’i Kristy isika, dia izay no atao hoe miaina marina ny Fiavian’i Kristy.
Amin’ity Alahady I° Fiaviana ity, dia miaraka amin’i Izaia isika, mitoloko, mitalaho amin’Izy Tompo mba ho avy hamonjy antsika Izy, isika izay tanimanga sy tsinontsinona, manaiky ny hovolavolainy hitovy endrika Aminy (Iz 63), Izy izay tsy manary ny asan-tanany (Sal 79), ka mendrika hitokiana (1Kôr 1,3-9). Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany fa mitaky finiavana sy faharetana avy amintsika. Izay nohafaran’i Jesoa ny Mpianany dia nataony ho antsika koa: “fitandremana, fiambenana ao anatin’ny vavaka[1]”.
Izany no tokintsika, ary aza adino fa ireo ezaka rehetra ataontsika mandritra ny Fiaviana, na tranon’omby na couronne d’avent… dia tsy tokony ho fisehoana ivelany ihany fa ho fanampiana ny rehetra sy ny tsirairay hiandry ny Tompo sy hanomana ny fo handray Azy maniry ho teraka sy honina ao am-pontsika.
[1] Amin’ny dikantenintsika dia nadika hoe miambena ary mivavaha ny matoanteny proseuchomai, izay midika ho fiambenana ao anatin’ny vavaka…