Talata VII Paka
- Asa 20,17-27/
- Salamo 67/
- Md Joany 17,1-11
Nanakorontana ny fidiram-bolan’i Demetriosa, mpanefy volafotsy ny fibebahan’ny olona sy ny toritenin’i Paoly ka nampikòmy ny Efezianina izy mba hiaro ny Dianàn’ny Efeziana (Ἄρτεμις – Artemis, izay nadikan’ny Anglisy hoe Dianà, avy amin’ny fahazavana), sarivongana inoan’izy ireo fa nilatsaka avy any an-danitra ka tompoiny sy nataony sary amin’ny takela-bolafotsy mba ho fanajana azy. Niteraka savorovoro tao Efezy izany ka voatery niala tao i Paoly. Naniry ho tonga any Jerosalema ny andro Pantekôty izy, niaraka tamin’ireo solontenan’ny Fiangonana nitondra ny tolo-tanana ho an’ny Fiangonana tany Jerosalema.
Nankany Masedônia izy avy eo ary avy eo kosa nankany Gresy, kanefa nikendry azy ny Jody ka niverina nankany Azia izy saingy tsy nandalo tany Efezy intsony rehefa avy ao Trôasy fa nivantana tany Mileto, ary avy any izy no niantso ny Pretran’ny Fiangonana tao Efezy. Eto no manomboka ny Vakiteny anio. Ny votoatin’ny lahateny nataon’i Paoly tamin’izy ireo ho fanaovam-beloma, dia mikasika ny traikefam-piainany, amin’ny tsy nikelezany aina tamin’ny fitoriana ny Evanjely (vakiteny androany), avy eo manafatra azy ireo mba hitandrina tsara, hazoto hivavaka sy hifankatia (vakiteny rahampitso).
Ampahatsiahivin’i Paoly fa ny Ministera dia noraisina avy amin’i Jesoa. Tsy manira-tena ny Apôstôly fa voairaka hitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra, ka tsy hanafina izay sitrapon’Andriamanitra ary tsy hanafina na inona na inona fa hanoro izay heverina fa mahasoa ny olona rehetra, na dia fanenjehana sy fankahalana aza matetika no hasetrin’ny olona izany. Mitaky fanetren-tena sy fandavan-tena izany. Ny fitondran-tenan’izay mitory no fitaratra hitarafan’ireo mihaino azy ny vokatry ny fibebahana sy ny hafaliana entin’ny finoana na dia manoloana ny fahoriana mampahalatsa-dranomaso aza indraindray.
Ny Evanjely kosa (vakiana ny alahady faha-fito taona A) tonga amin’ilay antsoina antsoina hoe “vavak’i Jesoa Mpisorona” ilay mitalaho amin’ny Rainy ho an’ireo mpianany sy ireo hino Azy (and. 6.11.12.17.19.26)., dia in’enina miverina ny hoe “Ray”: “Ray Masina”, “Ray Marina”. Mialoha ny vavaka anefa, ny fiantombohan’ny toko faha 17 dia lazain’i Joany fa “avy nilaza izany zavatra rehetra izany” Izy no niandrandra ny lanitra.
Tsy inona moa izany nolazain’i Jesoa izany fa ny zavatra rehetra tokony hiainantsika mba hananantsika fiadanana Aminy (Jo 16,33). Nambarany tamin’ny Mpianany fa ny “Fiangonany dia miorina amin’ny fifanompoana (fanasana tongotra), ny fifankatiavana sy ny fiombonana”. Avy eo dia miandrandra ny lanitra Izy ka mivavaka. Ny hoe “miandrandra ny lanitra” moa dia ἐπαίρω – epairô, izay nadika hoe “manopy” ny maso hijery ny vahoaka any amin’ny toko faha-enina (Jo 6,5). Heveriko fa ny antony nampiasan’i Joany teny mitovy amin’ireo toko roa ireo, dia mba hisintonana ny saintsika fa ilay mason’i Jesoa miandrandra mijery ny vahoaka tonga manatona Azy no mitalaho amin’ny Ray mba hananan’izy ireo ny Fiainana mandrakizay, Izy ilay tsy mitsahatra mibanjina ny Endriky ny Ray.
Ny tanjony, araka ny efa nolazaintsika teny ambony, ka manjary tanjon’izay rehetra irahiny hamahana ny andian’ondriny dia ny mba hahanan’ireo rehetra nomena Azy ny fiainana mandrakizay. ἵνα πᾶν ὃ δέδωκας αὐτῷ – hina pan ho dedôkas autôi, ireo “izay” nomenao Azy, dia ὃ [ὅς (Hos) milaza manondro tokana] no ampiasain’i Joany, erreur grammaticale voulue hoentiny milaza ny fiombonan’ireo mino, tonga tena iray ihany ao Aminy.
Ny “fahalalana” an’Andriamanitra ho Ray, Ray Masina sy Marina no fiainana mandrakizay, satria izany no manova ny fon’ny olona sy ny fomba fiainany hifanaraka amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny maha zanany antsika. Fahalalana tsy mihanona amin’ny ara-tsaina anefa izany fa fahalalana entanin’ny fitiavana satria nahatsapa fa tiana ka te hahalala ny endrik’ilay nitia mialoha. Ny voninahitra nananan’i Kristy mialoha ny nahariana izao tontolo izao, dia ny voninahitra maha zanaka, ny voninahitra hahalala ny Ray, voninahitra ho velona mandrakizay no omeny antsika. Tanteraka etoana araka izany ny fanirian’i Adama, te hitovy amin’Andriamanitra, satria irin’i Jesoa hitovy Aminy isika. Tsy hofandrihan’ny bibilava amin’ny fanahafana andriamanitra mpanjakazaka, hihevitra ho tompo mandidy amin’izay tsara sy ratsy anefa, fa hanahaka kosa ny Andriamanitra mahafoy ny Zanany lahitokana ho Sorona, antsoiny ho lavorary toy ilay Rainy any an-danitra.
Tsy ny fandavana ny teniny araka ny torohevitry ny bibilava araka izany no hitovizana amin’Andriamanitra fa ny fandraisana ny Anaran’ny Ray notorìn’i Jesoa amintsika ka hahafahantsika miaina araka ny Tenin’Andriamanitra, Teny mitondra amin’ny fiainana “mandrakizay”. Izany fiainana araka ny Teny izany no hahafahana mahalala ka manompo Andriamanitra “tokana”, sy manesotra ny sampy sy ny endriky ny andriamanitra tsy izy, noforonin’ny fisainan’olombelona ihany. Izany no hahafahan’ny fo ho iray, tsy voazarazara, hadio (tsisy fangarony, tokam-po sahala amin’ny siny ka tsy mahalala afa-tsy rano) ka ho afaka hibanjina an’Andriamanitra. Ny madio fo no afaka hibanjina ny tavany ka hahalala Azy marina.
Tsy mivavaka ho an’izao tontolo izao i Jesoa. Tsara avahana eto ny “tontolo” (κόσμος – kosmos) tian’i Joany lazaina, tsy ny tontolo itambaran’ny zavaboary rehetra, izay tian’Andriamanitra fatratra ka nanirahany ny Zanany mba hanavotra azy (Jo 3,16), fa ny tontolon’ny lainga sy ny avonavona izay manimba ny fiaraha-monina sy mandrava ny fihavanan’ny olona. Io “tontolo” io no noravan’i Jesoa, noresen’ny Fanahiny lahatra ny amin’ny fahotana, nanehoany ny fahamarinana sy ny fitsarany (Jo 16,8snm), io ilay tontolo noreseny (Jo 16,33). Aza matahotra fa efa nandresy an’izao tontolo izao aho, hoy Izy.
Eo amin’izao tontolo izao isika, ka na miandrandra ny lanitra aza dia tsy ho variana hibanjina azy fa hahatsiaro mandrakariva ny andraikitra nankinina amin’izay maniry handova ny fiainana: miaina amin’ny maha zanaka amin’ny fiezahana hahalala bebe kokoa hatrany an’Andriamanitra. Fiombonana Izy, Trinite Masina, ka ao amin’izay hihariharian’ny fitiavana no hahafahana mibanjina ny Endriny marina, hoy i Md Augustin.
Tsy ho sanatria hivavaka ho an’ny firaisan’ny Mpino isika kanefa tsy hiezaka akory handravona ny disadisa sy ny tsy fifankahazoana na dia ao an-tokantrano aza. Tsy ho sanatria ny mpianatr’i Kristy no hisara-bazana. Tsy ho sanatria ny voninahitra, ny hafinaretana na ny haren’izao tontolo izao no himatimatesana ka hatakalo ny fiainana mandrakizay. Hiezahantsika ny hiaina ny fiombonana telo sosona dia ny fiombonana amin’Andriamanitra, ny fiombonantsika amin’ny zanany rehetra sy ny fiombonana amin’ny zavaboary.
Honina ao am-pontsika anie ny Fanahy Masina ka handavorary antsika ho Tempolin’Andriamanitra, ho fanomezam-boninahitra an’i Kristy (vavaka fangatahana).