Talata Masina
- Izaia 49, 1-6
- Salamo 70
- Md Joany 13, 21-38
Vakiana amin’ny fetin’ny nahaterahan’i Md Joany Batista (24 jona) ity vakiteny I manambara ny Mpanompon’YHWH ity. Amin’ny tononkalo voalohany (omaly) dia Izy Tompo no maneho ny Mpanompony, anio kosa indray, ilay voafidin’ny Tompo no maneho ny tenany amintsika: mihainoa ahy ry nosy, mampandria sofina ry firenena any lavitra. Mila fiezahana mafy anefa izany satria “tsy hiantso mafy izy, tsy hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be”. Mampiasa sarisary roa Izaia hilazana ny teny avoakan’ny vavan’ilay Mpanompo ataon’ny Tompo ho reharehany: sabatra roa lela sy zana-tsipìka maranitra. Tsy miova ny tanjona niantsoana ilay voafidy: ho fahazavana ho an’ny firenena ka hitaran’ny famonjen’Andriamanitra hatrany amin’ny faran’ny tany.
Hatrany am-bohoka no ifidianan’ny Tompo antsika tsirairay avy, tahaka an’i Jeremia (Jer 1,5); i Joany Batista (Lk 1, 15) na i Md Paoly (Galata 1, 15). Israely manontolo no antsoin’Izy Tompo ho mpanompony. Tsy hanana fitaovana hafa afa-tsy ny Teny araka izany ilay Mpanompo-Iraka: tahaka ny sabatra roalela halemy izay eo akaiky ary toy ny zana-tsipìka koa hanakatra izay eny lavitra. Tsy maintsy maka hery avy amin’Izy Tompo anefa izay te hampiasa ny Teny ho fitaovana hanitarana ny famonjeny. Mahatsiaro fa sasa-poana raha tsy toy ny “sabatra alofan’ny aloky ny tanan’Izy Tompo” sy toy ny “zana-tsipìka afeniny ao amin’ny tranon-jana-tsipìkany”.
I Kristy maty teo ambony hazofijaliana, no ilay Mpanompo toa sasa-poana nanangona an’Israely, nitomany an’i Jerosalema hoe “impiry no nitadiavany hanangonana ny zanany tahaka ny hanangonan’ny reniakoho no zanany eo ambany elany fa tsy nety izy” (Mt 23, 37), saingy natsangan’Andriamanitra Rainy kosa ho “fahazavana” hanilo ny vahoaka eran-tany, ho fahazavana “katôlika”, izany hoe ho an’ny olon-drehetra.
Ny Tenin’ny Mpanompon’YHWH dia tsy teny avy amin’ny nahim-pony fa avy amin’ilay naniraka azy (Jo 12, 49). Tsy sanatria zana-tsipìka tsy avy ao amin’ny tranon-jana-tsipìkan’Andriamanitra no hitifirantsika olona. Izay manaraka an’i Kristy, izay te ho mpianany dia tsy maintsy manao toa Azy koa: tsy mitsara mba hanameloka fa mitsara ka hitady izay hamonjena (Jo 3, 17; 12, 47). Izay no mahatonga an’i Md Paoly hamporisika mba hifananatra hifananatra amim-pahendrena amin’ny alalan’ny Salamo aman-tononkira masina (Kol 3, 16).
Tsy afaka hamonjy anefa izay tsy tia ka mankahala. Izay no mahatonga an’i Joany hamerimberina fa notiavin’i Jesoa hatramin’ny farany ireo mpianany (Jo 13, 1). Ho an’i Davida izay nihira ny Salamo 41, 10, nampalahelo fa ny olona niara-nihinana ny mofony no namadika azy, dia i Akitôfela mpanolotsainany izay nitambatra tamin’i Absaloma (2Sam 15, 12). Ho an’i Jesoa kosa, izay fantany fa hamadika Azy no nizarany ny mofony, notiaviny manokana, notolorany fanajana. I Jodasy no notolorany ny mofo natsoboka tao an-dovia niaraka taminy, izy no nanehoany ny tombom-pitiavana tamin’ireo Apôstôly.
Izay manko no fampianarany: tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ho an’izay mankahala anareo, ary misaora an’izay manozona anareo, mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo (Lk 6, 27-28). Dia izay no nataony: notiaviny hatramin’ny farany ilay hamadika (paradidomi, hanolotra) Azy, nomeny fitokisana hatramin’ny farany (“Ataovy haingana izay ataonao”) satria tsy tonga hitsara Izy fa tonga hamonjy. Izay tia ihany no afaka mamonjy, eny fa na izay fantany fa hanainga ny ombalahitongony hamely (hanamavo) azy aza.Tsy afaka ny hanararaotra ny tombom-pitiavana hanaovana izay tiany atao anefa izay mahazo izany. Tahaka an’i Akitôfela, tahaka an’i Jodasy, ho famonoan-tena ihany ny tsy fiezahana mamaly fitia.
Tsy manery anefa ny fitiavana, eny fa na dia hisafidy ny haizina aza ilay notiavina ka hivoaka tsy ho eo anatrehan’ilay “hazavana”, ho any amin’ny alina mikitroka. Tsy tokony hanafintohina antsika araka izany ny mety ho fahadisoam-panantenana ataon’ny olona nohasoavina. Ary tsy azo adino koa fa tsy hisy afaka hihambo ho mahavita tena na ho tsara sitra-po sy be faniriana amin’ny herin’ny tenany isika. Mazava ny fampianaran’i Kristy: “raha tsy izaho, tsy mahefa na inona na inona ianareo”, hoy Izy (Jo 15, 5). Toa an’i Md Piera koa isika, raha mbola ao anatin’ny alina, mialoha ny maneno akoho, mialoha ny andro maraina, dia handà an’i Jesoa, hatahotra ny hanontany Azy mivantana hoe iza moa no hamadika Azy (kanefa ny fanontanian’i Piera dia henon’i Jesoa mivantana raha nifanakaiky i Jesoa sy ilay mpianatra malala), saingy raha matoky ny fitiavany isika dia hahazo hery, tahaka ny Mpanompon’YHWH, na dia nihevi-tena ho niasa maina aza (Vakiteny I) dia hanaraka Azy, ho tonga “fahazavan’izao tontolo izao”.
Hanavaozantsika ny zotom-po hanara-dia an’i Kristy anie ity Herinandro masina ity.