Talata III Karemy
- Daniela 3,25-43/
- Salamo 24/
- Md Matio 18,21-35
Amin’ity herinandro ity, manoloana an’ilay nanome taom-pahasoavana mba hikarakarana ny aviavy (maniry eny an-tanim-boaloboka) sao mba hanome vokatra ihany, manome fahasoavana mba hanadio izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fahamasinan’ny Tempoly (Alahady III B), dia omanin’ny Litorjia isika mba hibanjina ny hatsaram-pon’ilay Ray [miandry ny hiverenan’ny zanany mpandany mba hanaovany fety], mandefa ny zanany ho fahazavana hanilo ny lalana hizorantsika, ho lahatra (פִּקּוּד – piqqoudh, torolalana, sata) omen’Andriamanitra mba ho antoky ny fahavelomana (Sal 119,93). Antitranterin’ny fampianaran’ny Evanjely anefa fa izay mahazo ny hevitry ny famindram-po dia tsy mba hanararaotra sanatria ka hanao izay tiany hatao, fa kosa hiezaka ny haka tahaka ilay Ray: ny fitovizantsika endrika Aminy manko no mampitombo ny fahasambarantsika.
Ny Vavak’i Azariasa dia mampahatsiaro antsika fa tsy tambin’ny sorona atolotsika tsy akory ny famindram-pon’Andriamanitra. Ny fanahy torotoro sy ny fanahy manetry tena no sitrak’Andriamanitra. Ny fahatsapantsika ny voka-dratsin’ny fahotana izay nampietry antsika no mampiezaka antsika hiala amin’izany, ka hikatsaka ny tavan’Izy Tompo sy hametraka ny fitokisantsika Aminy.
Tonga vavaka isan’andro ho an’ny Mpisorona moa io vavak’i Azariasa io: “Mietry tena sy torotoro fanahy izahay, ka raiso ry Tompo Andriamanitra, ary ho tontosa soa aman-tsara eto imasonao anie ny Sorona atolotray izao, ka ho sitraky ny Fonao”. Tsy misy heviny ny sorona atolotsika raha tsy ny fiainantsika manontolo no atolotra mba ho tonga sorona miaraka amin’i Kristy.
Mora fo sady mpamindra fo Andriamanitra, saingy misy fetra ve? Ho an’izay mahalala ny famindram-pon’Andriamanitra dia mahazo ny lazain’i Jesoa fa tsy misy lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana raha tsy amin’ny fanahafana azy: “aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo ianareo”. Mandra-pahoviana anefa no hiainana izany? Ary raha diso impiry amiko ny namako no tokony hamela azy aho?
Araka ny fampianaran’ireo Rabòny tamin’ny andron’i Jesoa dia tokony hamindra fo hatramin’ny fanintelony. Sao kely loatra izany angamba hoy i Piera, ka aleo atao hatramin’ny im-pito! Raha miverina im-pito koa izy mifona, hoy i Md Lioka, dia avelao (Lk 17,3-49). Tsy impito fa impitopolo fito (tsy tokony isaina) anefa, hoy i Jesoa.
Mba hanazavany izany dia nandray ohatra Izy. Nisy mpanjaka nanana trosa tamin’ny mpanompony iray, hoy izy. Ny voalohany nentina teo aminy dia olona iray nananany talenta iray alina. Ho an’i Joseph Flavio dia 600 talenta ny karaman’i Arkelao governora mandritra ny herintaona, ary 200 talenta ny an’i Herôda Antipasy (Ant. Jud. 17, 318-320). Ny Talenta iray dia karaman’olon-tsotra mandritra ny 16-20 taona (6000 denie, volamena 36 kg). Izany hoe karama mandritra ny 200 taona tsy bangana izany no trosan-dranamana. Tsy ho voaloany mandrakizay izany, araka izany saingy noho izy nitaraina dia navelan’ny Mpanjaka handeha izy sady nafoiny ny trosany rehetra .
Avy aiza izany trosa izany? Taiza no nanangonantsika izany? Ny an’Andriamanitra manko, ny fahasoavany dia fanomezana, ka raha fanomezana dia tsy tokony hampidi-trosa. Inona ary ny trosa voalaza eto? Raha manao kaonty marina tokoa isika, manoloana ny fiantsoany antsika ho masina (izay ombany amin’ny fahasoavana miavosa mandrakariva) sy izay mba fiezahantsika ho masina dia handon-tratra fa manana trosa tsy ho voaloa eo anatrehan’ilay Mpanjaka izay nanome antsika ny aina sy ny fahasoavana rehetra. Saingy be indrafo Izy ka mamela antsika isaka ny mitaraina tsy manan-kaloa isika. Fa raha sanatria kosa, izay mba manana trosa kely amintsika no tsy hahaizantsika miaina, ho sahintsika ve ny mbola hangataka ny hamoram-pon’ilay Mpanjaka?
Mpahazo ny olona matetika ny mampahatsiaro ny hafa ny hadisoany sy izay mety ho tsy fahamendrehany, ny mandray azy amin’ny tendany (κρατέω – krateô, mihevitra ho ambony noho izy) ka manambany azy ary manao izay tsy hahavelon’aina azy, ka hanasazy azy mandra-pahaloany ny trosa. Fanampiana ny hafa mba hahaloa ny trosa no tanjona, saingy indraindray aza (mba tsy hilazana hoe matetika mihitsy) isika no ananan’ny hafa trosa amin’ny adidy tsy vita. Firifiiry no mitaky adidy amin’ny hafa nefa tsy mahavita ny adidiny akory, izay zon’ny hafa amin’ny tenany. Tsy diso fotoana ny “rakitra miakatra” fa indraindray atao alasafay ny “rakitra midina”. Ary na mahavita ny adidintsika aza isika, raha oharina amin’ny elanelan’ny fahamasinantsika sy Andriamanitra ny fahadisoan’ny hafa manoloana antsika dia zava-poana ihany. Hamela azy ve isika? Indraindray manko ny sazy tsy manampy ny hafa hihatsara fa vao mainka aza mandentika azy hankamin’ny ratsiratsy kokoa.
Raha tsy mamela ny rahalahitsika amin’ny fontsika tokoa isika, hoy i Jesoa, dia ny Ray no hanolotra antsika ny mpampijaly, ambara-pandoantsika ny trosa rehetra. Tsy mbola nisy olona mitana an-dolom-po ka hoe sambatra. Ny famelana ny hafa no hahafahantsika mifaly amin’ny famindram-pon’Andriamanitra asehony antsika isan’andro, izany no hahafahantsika manandrana ny hafalian’Andriamanitra, izay hafaliana maharitra mandrakizay sady hanahafantsika ihany koa ny fahamasinany. Izay no letsin-trosa angatahiny amintsika. Izay mety ho tsy famelàna (lolom-po) dia fandavahana hantsana manelanelana antsika sy ny fahamasinan’Andriamanitra. Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrany fa ny hialany amin’ny ratsy ka ho velona. Izay mihevitra hanasazy araka izany dia hampiasa izay fomba hanalana ny hafa amin’ny ratsy.
Ho zanaky ny fahavelomana tokoa anie isika ka hitady izay fomba rehetra hialana amin’ny ratsy, ka hahay hamindra fo, tsy hitaky trosa amin’izay tsy manana haloa, fa hahatsiaro kosa fa na isika aza tsy hitakian’Andriamanitra izay tsy vitantsika, fa antsoiny kosa mba ho tonga taratry ny fahamasinany, Izy ilay “mpamindra fo sady antra” (raḥùn veḥannùn, Eks 34,6).