Talata III Karemy
- Daniely 3, 25-43/
- Salamo 24/
- Md Matio 18, 21-35
Amin’ity herinandro ity, manoloana an’ilay nanome taom-pahasoavana mba hikarakarana ny aviavy (maniry eny an-tanim-boaloboka) sao mba hanome vokatra ihany, manome fahasoavana mba hanadio izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fahamasinan’ny Tempoly (Alahady III B) dia omanin’ny Litorjia isika mba hibanjina ny hatsaram-pon’ilay Ray [miandry ny hiverenan’ny zanany mpandany mba hanaovany fety], mandefa ny zanany ho fahazavana hanilo ny lalana hizorantsika, ho lahatra (פִּקּוּד, piqqūd, torolalana, sata) omen’Andriamanitra mba ho antoky ny fahavelomana (Salamo 119, 93). Antitranterin’ny fampianaran’ny Evanjely anefa fa izay mahazo ny hevitry ny famindram-po tsy hanararaotra sanatria ka hanao izay tiany hatao, fa kosa hiezaka ny haka tahaka ilay Ray: ny fitovizantsika endrika Aminy manko no mampitombo ny fahasambarantsika.
Ny Vavak’i Azariasa dia mampahatsiaro antsika fa tsy tambin’ny sorona atolotsika tsy akory ny famindram-pon’Andriamanitra. Ny fanahy torotoro sy ny fanahy manetry tena no sitrak’Andriamanitra. Ny fahatsapantsika ny voka-dratsin’ny fahotana izay nampietry antsika no mampiezaka antsika hiala amin’izany, ka hikatsaka ny tavan’Izy Tompo sy hametraka ny fitokisantsika Aminy.
Tonga vavaka isan’andro ho an’ny Mpisorona moa io vavak’i Azariasa io: “Mietry tena sy torotoro fanahy izahay, ka raiso ry Tompo Andriamanitra, ary ho tontosa soa aman-tsara eto imasonao anie ny Sorona atolotray izao, ka ho sitraky ny Fonao”. Tsy misy antony ny sorona atolotsika raha tsy ny fiainantsika manontolo no atolotra mba ho tonga sorona miaraka amin’i Kristy.
Mora fo sady mpamindra fo Andriamanitra, saingy misy fetra ve? Ho an’izay mahalala ny famindram-pon’Andriamanitra dia mahazo ny lazain’i Jesoa fa tsy misy lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana raha tsy amin’ny fanahafana azy: “aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo ianareo”. Mandrapahoviana anefa no hiainana izany? Ary raha diso impiry amiko ny namako no tokony hamela azy aho?
Araka ny fampianaran’ireo Rabòny tamin’ny andron’i Jesoa dia tokony hamindra fo hatramin’ny fanintelony. Sao kely loatra izany angamba hoy i Piera, ka aleo atao isa masina, manambara ny hafenoana: hatramin’ny im-pito! Raha miverina im-pito koa mifona izy, hoy i Md Lioka, dia avelao (Lk 17,3-49). Tsy impito fa impitopolo fito (tsy tokony hisaina) anefa, hoy i Jesoa.
Mba hanazavany izany dia nandray ohatra Izy. Nisy mpanjaka nanana trosa tamin’ny mpanompony iray, hoy izy. Ny voalohany nentina teo aminy dia olona iray nananany talenta iray alina. Ho an’i Joseph Flavio dia 600 talenta ny karaman’i Arkelao governora mandritra ny herintaona, ary 200 talenta ny an’i Herôda Antipa (Ant. Jud. 17, 318-320). Ny Talenta iray dia karaman’olon-tsotra mandritra ny 16-20 taona (6000 denie, volamena 36 kg). Izany hoe karama mandritra ny 200 taona tsy bangana izany no trosan-dranamana. Tsy ho voalohany mandrakizay izany, araka izany saingy noho izy nitaraina dia navelan’ny Mpanjaka handeha izay sady nafoiny ny trosany rehetra. [1]
Avy aiza izany trosa izany? Taiza no nanangonantsika izany? Ny an’Andriamanitra manko, ny fahasoavany dia fanomezana, ka raha fanomezana dia tsy tokony hampidi-trosa. Inona ary ny trosa voalaza eto? Raha manao kaonty marina tokoa isika, manoloana ny fiantsoany antsika ho masina (izay ombany amin’ny fahasoavana miavosa mandrakariva) sy ny fiezahantsika kosa ho masina dia hando-tratra fa manana trosa tsy ho voaloha eo anatrehan’ilay Mpanjaka izay nanome antsika ny aina sy ny fahasoavana rehetra. Saingy be indrafo Izy ka mamela antsika isaky ny mitaraina tsy manan-kaloha isika. Fa raha sanatria kosa, izay mba manana trosa kely amintsika no tsy hahaizantsika miaina, ho sahintsika ve no mbola hangataka ny hamoram-pon’ilay Mpanjaka?
Mpahazo ny olona matetika ny mampahatsiaro ny hafa ny hadisoany sy izay mety ho tsy fahamendrehany, ny mandray azy amin’ny tendany (κρατέω krateo, mihevitra ho ambony noho izy) ka manambany azy ary manao izay tsy hahavelon’aina azy, ka hanasazy azy mandrapahalohany ny trosa. Fanampiana ny hafa mba hahaloha ny trosa no tanjona, saingy indraindray aza (mba tsy hilazana hoe matetika mihitsy) isika no ananan’ny hafa trosa amin’ny adidy tsy vita. Firifiiry no mitaky adidy amin’ny hafa nefa tsy mahavita ny adidiny akory izay zon’ny hafa amin’ny tenany. Tsy diso fotoana ny “rakitra miakatra” fa indraindray atao hala safay ny “rakitra midina”. Ary na mahavita ny adidintsika aza isika, raha oharina amin’ny elanelan’ny fahamasinantsika sy Andriamanitra ny fahadisoan’ny hafa manoloana antsika dia zava-poana ihany. Hamela azy ve isika? Indraindray manko ny sazy tsy manampy ny hafa hihatsara fa vao mainka aza mandenndika azy hamkamin’ny ratsiratsy kokoa.
Raha tsy mamela ny rahalahitsika amin’ny fontsika tokoa isika, hoy i Jesoa, dia ny Ray no hanolotra antsika ny mpampijaly, ambara-pandohantsika ny trosa rehetra. Tsy mbola nisy olona mitana an-dolom-po sambatra. Ny famelana ny hafa no hahafahantsika mifaly amin’ny famindram-pon’Andriamanitra asehony antsika isan’andro, izany no hahafahantsika manandrana ny hafalian’Andriamanitra, izay hafaliana maharitra mandrakizay sady hanahafantsika ihany koa ny fahamasinany. Izay no letsin-trosa angatahiny amintsika. Izay mety ho tsy famelàna (lolom-po) dia fandavahana hantsana manelanelana antsika sy ny fahamasinan’Andriamanitra. Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrany fa hialany amin’ny ratsy ka ho velona. Izay mihevitra hanasazy araka izany dia hampiasa izay fomba hanalana ny hafa amin’ny ratsy.
Ho zanaky ny fahavelomana tokoa anie isika ka hitady izay fomba rehetra hialana amin’ny ratsy, ka hahay hamindra fo, tsy hitaky trosa amin’izay tsy manana haloa, fa hahatsiaro kosa fa na isika aza tsy hitakian’Andriamanitra izay tsy vitantsika, fa antsoiny kosa mba ho tonga taratry ny fahamasinany, Izy ilay “mpamindra fo sady antra” (raHùn ve Hannùn, Eksody 34, 6).
[1] τάλαντον talanton {tal'-an-ton} (BIbleworks)
Meaning: 1) le plateau d'une balance, une balance, une paire de balances 2) ce qui est pesé, un talent 2a) un poids variant selon les lieux et le temps 2b) une somme d'argent du poids de un talent et variant selon les états et selon le change entre les monnaies 2b1) le talent égal à 60 mines ou 6000 drachmes 2b2) un talent d'argent en Israël pesait environ 45 kg 2b3) un talent d'or en Israël pesait environ 90 kg