Talata II Paka
- Asa 4,32-37/
- Sal 92/
- Md Joany 3,7-15
Ny Vakiteny voalohany moa dia famintinana faharoa mikasika ny fiainan’ny Kristianina tany am-boalohany (Asa 2,42-47 ny voalohany, ary Asa 5,11-16 ny fahatelo). Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra. Ny finoana no mampiombona, hoy i Md Fulgence de Ruspe, ary tsy fiombonana am-bava fa amin’ny fiainana manontolo: tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy fa niombonana avokoa ny zavatra rehetra. Fahasoavan-dehibe izany. I Josefa izay atao hoe Barnabe, zanaky ny fanalana alahelo koa dia nametraka ny vidin’ny taniny teo an-tongotry ny Apôstôly. I Barnabe moa raha adika ara-bakiteny dia zanaky ny faminaniana no dikany (נָבִיא – nābhî’ mpaminany, nāba’), saingy adikan’i Lioka ho zanaky ny teny fankaherezana, fanalana alahelo avy any ambony (παράκλησις – paraklesis), avy amin’ilay “paraklèto”, ny Fanahy Masina, izay manambara ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra izay “lalina, marina sy tsy mivaona” (Sal 92). Tsy mahagaga raha nantsoin’i Jesoa hoe Bar-Jona, zanaky ny voromahailala, i Piera (Jo 21,15), hoy i Md Bède le Venerable, satria izay mahafoy ny zavatry ny tany no afaka hahazo ny fanalana alahelo amin’ny zavatry ny lanitra, ary izay manaiky hoentanin’ny Fanahy Masina ihany no afaka hitory ny fanalana alahelo, vokatry ny fanantenana, izany hoe ny fahitana ny zava-misy araka ny hevitr’Andriamanitra.
Ahoana anefa no hahafahana manala alahelo an’izay tsy àry nalahelo, tsy àry nahafoy, tsy mahafoy satria tsy te hino fa izay mahafoy dia hahazo zato heny? Ambaran’ny Salamo setriny fa tsy mivena fa tsara orina ny teny voalazan’Andriamanitra.
Eto amintsika, na ny anjara litorjia aza mampiady (mpamaky teny, mpanadio sy mpandamina sns), na ny zavatra faran’izay tokony hampiombona aza mbola manasaraka, ary ny an’ny sasany aza, toa heverina ho toy ny “ody” ny fivavahana ka ampivadiana amin’ny fomba amam-panao mahazatra, ka hanafangaroana ny fanompoan-tsampy sy ny finoana ka hihevitra hoe tsy hahavonjy ve izay andriamanitra mahery kokoa.
Mandinika ny momba an’i Barnabe, Levita avy any Sipra aho, dia mahatsiaro fa ny Levita raha ny marina dia tsy mba manana zara lova, tsy manana tany amidy. Vavak’izy ireo ny alina ny Sal 15, hiventesany fa i YHWH no hany zara lova (מָנָה mānāh) ho azy ireo (Sal 15,5). Ny fivarotana ny tany, araka izany ho an’i Barnabe, dia fidirana ao amin’ny hasambaran’ny Evanjely, fidirana ho “mahantra” (μακάριος – makarios, béni de Dieu) araka ny Evanjely, ka tsy ho azon’ny fakam-panahin’ny fitahirizana ny harena ho zavatra azo ianteherana: “Andriamanitra irery ihany no azo hifefena (חָסַה – ḥāsah, hiafenana mba hiarovan-tena), Izy irery ihany no tena fananana (טוֹב – ṭōbh, Izy no soa fanaperana)” (Sal 15,1-2), izany hoe tsy misy soa mihoatra noho Andriamanitra.
Amin’ny Evanjely dia mbola averin’i Joany ihany ny maha zava-dehibe ny Eglizy, endrika sitrak’Andriamanitra hisehoan’ny maha Iray ny Ray sy ny Zanaka, atambatry ny Fanahy. “Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay”. “Izahay” izay arafitr’ireo izay manaiky ateraka indray tamin’ny Rano sy ny Fanahy. Fa inona no fantatr’izy ireo ary inona koa no hitany?
Ny Evanjely moa manohy ny fampianaran’i Joany mikasika an’i Jesoa, tena Andriamanitra fa tena olombelona koa. Tsy afaka hahazo ny zavatry ny lanitra isika raha tsy mifandray Aminy, miray aina Aminy, miara-maty Aminy mba hiara-belona Aminy koa. Izy irery ihany no “nidina avy any an-danitra”, ka afaka manoro antsika ny lalana. Ny finoana entina mijery Azy nahantona tamin’ny hazo dia midika fanarahan-dia Azy. Ny Fanahy nomeny tamin’Izy nolefonina no manome antsika izany fanalana alahelo izany (Jo 19,30).
Hijery izay nolefonina izy! (Jo 19,37).
Teo amin’i Israely dia fahotana lehibe ny fanompoan-tsampy sy ny fanaovana sarin’andriamani-tsy miteny hotompoina (Hitantsika ao amin’ny Tenifolo – Didin’Andriamanitra izay). Tsy sasatry ny mandika lalàna anefa ny vahoaka “mafy hatoka” (Eks 32,9). Rahefa nanao sarivongana miendrika zanak’omby ho an’ny vahoaka nimenomenona i Aarôna, izay noheverin’ny Israelita fa tahaka ny andriamanitra Ptah (sarin’ombalahy, barea) tao Memphis ihany, dia noheverin’izy ireo fa hamaly izay nanaraka ny didiny amin’ny fahasoavana sy ny fahavokaran’ny tany ary hanafay kosa ny mpanota io sampy io. Nandritra an’i Môizy nivavaka tamin’i YHWH tany an-tendrombohitra no nanefen’izy ireo an’izany (Eks 32,1-6). “Nahatezitra” an’Andriamanitra izany, fa nitalaho ho an’ny vahoaka kosa i Môizy mba tsy hanafaizan’ny Tompo azy ireo. (Eks 32,7-14). Tsy azo hadinoina fa mbola nanjavozavo tao amin’ireo vahoaka ireo ny endrik’Ilay Andriamanitra “Ray”, izay asehon’i Jesoa antsika.
Tsara hotsarovana ny tonom-bavaka nataon’i Môizy mba hangatahana fifonana ho an’ny vahoaka: tsy fialan-tsiny amin’izay ota be vava nataon’izy ireo, fa fitanisana kosa ny fitiavana mandrakizay nasehon’ilay nampanantena ny fahasambarana ho an’ny vahoakany. Izany no atao hoe mivavaka: mametraka ny fitokisana eo am-pelatanan’ilay Tia tsy misy tambiny, ilay tonga hitsara mba hanavotra fa tsy hamono (Evanjely).
Matoky ka manaraka ny Torolalana omeny. Na i Môizy aza anefa mba nanao sary hivavahana ihany koa (Fan 21), inona no mahasamihafa ny sariomby sy ny bibilava varahina? Nampahatsiahiviko tamin’ny fetin’ny nanandratana ny hazofijaliana fa i Ezekiasa, mpanjaka nanao izay mahitsy teo imason’i YHWH dia nanamontsana ny bibilava varahina nataon’i Môizy satria fanompoan-tsampy ho an’ny zanak’Israely izany (2Mp 18,4), heverin’ny olona fa sazy avy amin’Andriamanitra ny vokatry ny hadalany sy ny fahotany; indraindray koa ny andraikitra tsy vitany na tsy tiany hatao dia heveriny hovahan’Andriamanitra amin’ny fahagagana vokatry ny fikasihana na ny fiambozonana zava-masina na vokatry ny vavaka piliavava; indraindray koa adino fa ny zava-masina dia famantarana ihany: tsy ny zavatra hitan’ny masony fa ilay Andriamanitra mpamonjy ny olona no nahasitrana ireo nibanjina ny bibilavan’i Môizy, hoy ny Bokin’ny fahendrena (Fah 16,7), manome ny fanazavana ny amin’ny maha samihafa ny bibilava varahina sy ny sarin-tsampy rehetra.
Izany no tokony havalintsika izay milaza fa manompo sampy isika amin’ny sary sy sarivongana mameno fiangonana: tsy ny zavatra hitan’ny masony fa ilay Andriamanitra mpamonjy ny olona no nahasitrana ireo mibanjina ireny sary mitory ny asan’Andriamanitra ao amin’ny olomasiny ireny. I Jesoa nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana no famantarana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra antsika, ka amin’ny fibanjinana Azy no hidirantsika amin’ny fiainana mandrakizay (izay lazain’i Joany fa ny Fahalalàna an’Andriamanitra – Jo 17,3) raha hinoantsika fa Izy no hafenoan’ny fanambarana ny Ray (révélation): Andriamanitra manaiky ho faty, toy izay hamaly faty. Izay mino (πιστεύω – pisteuô) Azy, izany hoe izay mametraka ny fitokisany rehetra Aminy no hanana ny fiainana mandrakizay, hanandrana ny fiainam-pahasambarana ao amin’Andriamanitra, tsy aorian’ny fahafatesana (satria tsy ho faty intsony, evanjely amin’ny herinandro manontolo) fa dieny izao “anio” izao.
Anjarantsika ary ny mandray an-tanana ny fiainantsika, sao sanatria mbola fitadiavana ny haren’izao tontolo izao no mameno ny faniriantsika, ka mazava loatra fa ny fahazoana izany harena izany no ho fanalana alahelo avy eo. Raha fitadiavana ny Fanjakan’ny Lanitra kosa no imatimatesantsika dia ny harena avy amin’ilay Fanahy, tsy hita maso na ren’ny sofina fa miasa eo anivon’ny Eglizy no ho fanalana alahelo omeny, satria ny Fiainana Mandrakizay, ny tsy fahafatesana mandrakizay no valisoan’ny finoana.
Mila mandinika araka izany hoe aiza no hahazoana fanalana alahelo, ka hahaizantsika mizara ny haren’ny tany, hampanan-karena ny hafa sy hahazoana ny hafalian’i Barnabe, nahafoy ny taniny mba handovany ny harena tokana, dia Izy Tompo (Sal 15).