Talata II Karemy
- Izaia 1, 10.16-20/
- Salamo 49/
- Md Matio 23, 1-12
Mitohy ny fampianaran’ny Litorjia mikasika ny Endrik’Andriamanitra izay mandio ny fahotantsika hangatsakatsaka na dia izay faran’izay maloto sy mihoson-dra indrindra aza. Ny fiainantsika kosa anefa tsy ho lavorary sy tsy ho tonga lafatra raha tsy misikim-ponitra hizotra ny lalam-pahasambarana isika: hianatra hanao soa. Ny soa atao, tsy levenam-bola fotsiny ihany fa loharanon-kafaliana miboiboika ao anaty, ary ny fizarana ny kely eo an-tanana dia famafazana fanantenana ka “raha zaraina am-pitiavana, dia tsy ho lany na oviana, satria miofo ho tahirin’aina sy fahasambarana”, hoy Papa François (Karemy 2021) . Misy fanaovan-tsoa vitsivitsy moa tanisain’Izaia eto, fa ampahatsiahiviny antsika fa matoa afaka manao soa ny olona iray dia tsy noho isika fa noho ilay mampiasa azy: ny famaky tsy afaka ny hirehareha manoloana izay mampiasa azy, hoy izy (Izaia 10, 15ss).
Tsy fanolorana lamesa na fanaovana vavaka lavareny koa anefa (voalazan’ireo andininy tsy novakiana, ka iverenan’ny Salamo setriny Sal 49). Zavatra mitondra soa ho antsika sy mitondra soa ho an’ny hafa no sitrak’Andriamanitra, ka raha tsy mifanaraka amin’izany ny fiainantsika dia ho fiantsaram-belatsihy, tsy hisy dikany akory ny vavaka. Izay mivavaka marina dia tsy afaka ny tsy hikatsaka ny rariny, tsy afaka ny tsy hananatra ny mpampahory na ny marimarina kokoa, hanoro azy ireo ny lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana ( אַשְּׁר֣וּ חָמ֑וֹץ ashar, asher); izay mivavaka marina dia tsy afaka ny tsy hiaro ny zon’ny kamboty sy ny mananontena.
Ny Evanjely kosa, tsy famelezana ny mpitondra sanatria fa kosa fampianarana mba hahaizantsika miaina ny fahefana izay nomena antsika na amin’ny zavatra vaventy na amin’ny zavatra madinika. Ny fahefana raha tsy mitandrina isika dia mety ho lasa fitadiavam-boninahitra, ka adino ny antony nanendrena anao ho amin’ny andraikitra iray. Nahatsapa izany ny mpanorina ny fikambananay, Md Jean de Matha, ka ao amin’ny “Regulae” (taona 1198), ny fitsipika navelany, dia nanafatra izy fa ato amin’ny Fikambanan’ny Trinite Masina dia “frère” avokoa, mpirahalahy, mitovy zo aman-kasina na samihafa aza ny adidy aman’andraikitra; ny rahalahy natao hitantana kosa dia antsoina hoe: “Minisitra”, mpanompo, na dia nanimba ny hevitr’izany teny izany aza ny fahalovana ara-politika ataon’ireo nofidiana sy nomena andraikitra mba hanompo ny vahoaka.
Izay maniry hiaina ny Evanjely dia tsy hampiasa ny lalàna mba hamaizana fa hanasoavana. Tao amin’ny vakiteny voalohany isika dia naheno ny fampianaran’Izaia manoloana ny mety ho fanamparam-pahefana: mila ampiana hizotra ny lalam-pahasambarana izy ireo (ashar). Matoa ny olona mamoritra olona iray, matoa mahavita mampijaly dia izy voalohany indrindra no jamba, tsy mahita akory izay lalana mitondra amin’ny soa sy ny mahasambatra. Tsy midika ho fanaovana an-tsirambina na baranahiny anefa izany. Teo amin’ny Jody dia manana adidy mamerina amin’ny ankohonany farafaharatsiny im-pito isan’andro ny “decalogue”, Teny folo, ny raim-pianakaviana: “Alatsaho ao an-tsain’ny zanakao izany; ary resaho, na ao an-tranonao hianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry hianao, na hiarina. Afehezo amin’ny tànanao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao. Soraty eo amin’ny tolàm-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao” (Det 6, 7-9).
Tsy mora ny mamerimberina ireo lalàna ireo, tsy ny vesatry ny famerimberenana ireo lalana ireo tsy akory no enta-mavesatra fehezin’ny Mpanora-dalàna sy Farisiana, fa ny fombafomba sy ny fanazavana mivilana entin’izy ireo mampita ny Lalàna mba hamoretana fa tsy hanafahana ny hafa. Ilaina ny lalàna ary “ny fisaintsainana azy andro aman’alina” no mitondra amin’ny fahasambarana, hoy ny salamo. Misaora an’Andriamanitra raha mbola misy mampahatsiaro mandrakariva anao ny lalàna sy ny lalana tokony hizorana. Mandiniha tena kosa raha zavatra mitovy foana no hananarana anao. Saingy ho an’izay manana adidy hananatra kosa, mila mitandrina mandrakariva satria ny “fomba”, ny “fotoana” ary ny “antony” hitenenana no mahatonga ny teny lazaina “hamelona” na “hamono”, ho fahasoavana na ho enta-mavesatra. Tsy tompon’ny lalàna manko izay miteny fa iraka, ka hahatsiaro fa ny Lalàna dia nomen’Andriamanitra mba hampitombo bebe kokoa ny fiombonantsika aina Aminy sy ny fifankatiavantsika samy isika. Izay lazaintsika am-pitiavana mba hikatsahana ny soa ho an’ny hafa ihany no lalàna mamelona satria araka ny Fanahy (Gal 5, 1ss).
Izay efa nanandrana niaina ny Lalàna ihany no hahay hampita azy tsy ho vesatra fa ho “jioga maivana” tahaka an’i Kristy.
Hitantana ny diantsika hahazo ny famonjena anie ny Fanahin’izy Tompo, ka ny hafaliana vokatry ny Evanjely no tiantsika hozaraina amin’ny hafa amin’ny asa fitoriana ataontsika.
Md Matio 23, 1-12
Aza miantso olona ety an-tany hoe “mompera”, ho rainareo, fa iray ihany ny Rainareo dia izay any an-danitra. Aza mety atao hoe ῥαββί (mon grand, “Ngahy lehibehiko” raha ara-bakiteny, anaram-panajana entin’ny Jody maintso ny mpampianatra azy), fa iray ihany no mpampianatra (διδάσκαλος araka ny LXX[1]) anareo dia i Kristy izay miantso ny mpanara-dia azy rehetra ho “rahalahy” (Ny vahoaka sy ny mpianany no nilazan’i Jesoa izany fampianarana izany. Ny antony voalohany moa dia ny mba tsy hahatafintohina izay mahita ny fiatsaram-belatsihy sy ny “incohérence” afitsok’ireo izay mipetraka eo amin’ny “sezan’i Moizy”.
Izay mihevitra ny hifehy ny hafa amin’ny fampiarana ny lalàna sy ny famaizana dia mamita-tena ihany ary mandoto ny endrik’ilay Ray niantso an’i Moizy hanafaka ny olona amin’ny fanandevozana. Izay manaiky an’Andriamanitra ho Ray dia mahatsapa fa ny Fanahin’Izy Tompo ihany, ilay Fanahy Fitiavana no afaka mitondra ny olona amin’ny marina ary ny fahamarinana no hanafaka azy ireo.
Antsoin’ny Evanjely isika mba handini-tena sao sanatria ny fahefana eo am-pelatanantsika ampiasaintsika hamoretana sy hampitondrana enta-mavesatra ny olona, satria “milaza fotsiny fa tsy manao”. Ny an’i Jesoa dia maivana ny entany ary ny jiogany no asainy entina.[2] Rehefa miaina izay ampianarintsika isika no mitombo ao amin’ny fitiavana, tahaka an’Andriamanitra manome ny didiny ho antsika. Ny hoe nadika hoe “Didy” moa dia ἐντολή izay avy amin’ny hoe ἐντέλλομαι (entellomai: “en” – miaraka – sy “telos”), ka ny τέλειος (teleios) dia izay lavorary. Ny didy araka izany dia ny fahalavorarian’Andriamanitra miara-dalana amintsika satria te hizara ny fiainany amintsika ka ny fitiavana no hahafahana manatanteraka izany. Ho an’ny Mpianatr’i Jesoa, ny Evanjely toriany dia ny hafaliana vokatry ny fiainany araka ny fampianarana sy ny ohatra nomen’i Kristy, ary mahatsapa tena mandrakariva fa tsy tompony ka “tsy manao jàdona fa mpandray anjara amin’izany fampandrosoana ny hafaliana izany fotsiny” (2 Kor 1, 24).
Tsy sanatria ny fitondrana “filakitera” lehibebe kokoa noho ny hafa no hilazantsika fa tia ny Soratra Masina isika. Raha ny voninahitra eo imason’ny olona anefa no katsahintsika dia hamita-tena ihany isika satria na ho ela na ho haingana dia hanalavitra ny fitiavana ny fontsika, satria tsy ny hahasambatra ny hafa no hokatsahina fa ny hisehoana ho ambony noho ny hafa.
Ny κράσπεδον (kraspedon, צִיצִת – tsytsit, en hébreux) izay tiana ho lavalava kokoa (μεγαλύνω megaluno, mirentirenty) dia ny sahondran’akanjo jaky volomparasy didian’ny lalàna mba hatao amin’ny zorony efatry ny akanjo mba hahatsiarovana fa voaantso ho masina ho an’Andriamanitra ny vahoaka Izy no Tompo Andriamanitra nanafaka azy ireo avy amin’ny tanin’ny fanandevozana, ka tsy misy lalana hafa hahamasina afa-tsy ny fitandremana ny Lalàna (Fanisana 15, 37-41, Det 22, 12). Sao sanatria mampiasa rano voahasina isika, miambozona lakroà, saingy tsy te hiala amin’ny olona tranainy nodiovin’ny batemy ary mandà mafy ny hitondra ny hazofijaliana takian’ny antsom-pitiavana amintsika isan’andro vaky. Tsy manao fahagagana ny zava-masina fa mampahatsiaro antsika kosa ny fahasoavana efa narotsak’Andriamanitra ao am-pontsika, fahasoavana tsy hiasa raha tsy miara-miasa amin’ny sitrapontsika.
Raha mba ho hitan’ny olona kosa no hanaovana izany rehetra izany dia tsara hotsaroana mandrakariva ny hafatr’i Md Paoly hoe: mifananinana hifanaja, προηγέομαι (proegeomai), hifaninana hanao tsara laza ny hafa noho ny tena (Rom 12, 10). Sarotra izany raha toa ka ny hantsoina hoe “Rabbì”, “mon grand” no himatimatesana. Tsy azo adinoina fa ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio dia i Jodasy irery ihany no niantso an’i Jesoa hoe “Rabbì” (Mt 26, 25) fa ny mpianatra rehetra kosa niantso Azy ho “Tompo” (Κύριος, Mt 26, 22).
Hivelomantsika isan’andro anie ny tsiokan’ny Fanahy manangana antsika ho zanaka mpandova, ka handraisantsika sy hitiavantsika toy ny iray tam-po ny olombelona rehetra, ka hifaninanantsika ho lehibe, hanahaka ny halehibeazan’i Kristy Jesoa izay tsy nanao ho zavatra nobaboiny ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra fa naneho ny haben’ny fitiavany tamin’ny nietreny ho tonga olombelona mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra (Fil 2, 6-7). Tsy sanatria amintsika no hisy hihevitra ho ambony noho ny hafa ka hanadino fa “mpirahalahy avokoa isika rehetra”, miantso ilay “Ray any an-danitra”.
[1] καθηγητής kathegetes, (avy amin’ny ἡγέομαι= mitarika, mialoha lalana) izay adika hoe “docteur” moa amin’ny teny frantsay no ampiasain’ny grika sasany (BYZ, par ex.), fa noho io teny io, anaram-boninahitra fampiasan’ny Farisiana dia tsy tian’i Md Matio ampiasaina ao amin’ny Eglizy manara-dia an’i Kristy.
[2] ὁ γὰρ ζυγός μου χρηστὸς καὶ τὸ φορτίον μου ἐλαφρόν ἐστιν (Mt 11,30 Byz)ara-bakiteny : fa mifanaraka amin’ny zava-misy (mora entina) ny jiogako, ary maivana ny entako, satria Izy no mitondra azy mialoha antsika.