TALATA I FIAVIANA
- Izaia 11,1-10
- Salamo 71
- Md Lioka 10,21-24
“Andriamanitry ny fahamarinana ô, mba tolory ny andriana mpitondra sy ny zanak’andriana ho dimbiny ny fahaiza-mitsara ara-drariny” (Sal 71). Izany no vavaka atoron’ny Salamo antsika hatao ho an’ireo mpitondra. Ambaran’i Izaia ao amin’ny vakiteny voalohany tokoa fa ny Fanahin’Izy Tompo no manome fahendrena ny Mpitondra hankafy sy hahita fahafinaretana amin’ny fahatahorana ny Tompo. Loza no mahazo izay firenena na vahoaka entin’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra.
Vokatr’izany fitondrana araka ny lahatr’Andriamanitra izany ny fiadanana sy ny fihavanana mampiombona, eny fa na dia ny bibidia sy ny mety ho mpifahavalo aza. Ny vavaka fisaorana ho fampihavanana faharoa dia manambara fa “ny Fanahy no miasa amin’ny fon’ny olona, ka ny mpifahavalo mifandray resaka, ny mpifankahala mifandray tanana, ny vahoaka mifandrafy manaiky hiara-dalana”.
Raha dinihintsika tsara ny Vakiteny I (Iz 11,1-10): ilay Andriamanitra mamono ny ratsy fanahy amin’ny fofonain’ny molony no mampitoetra ny amboadia hiaraka amin’ny zanak’ondry, mampandry ny pantera eo amin’ny zanak’osy. Tsy ny olon-dratsy araka izany no novonoiny fa ny ratsy tao aminy. Fanirian’ny zanak’ondry ny hahalàny tamingana ny amboadia, saingy fanirian’Andriamanitra ny hiarahan’ny zavaboariny manontolo hiriaria ao amin’ny fiadanany. Tsy afaka ny hahazo izany faniriana izany, ka ho sambatra amin’ny fahatanterahany araka izany izay tsy mahazo ka tsy miaina araka ny fitiavany: famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, hoy ilay tonga mba hiantso ny mpanota (Mt 9,13). Izay matoky ny asan’ny Fanahy Masina ho afaka manova ny fon’ny olona ihany no afaka hiadana ao amin’ny Fanjakan’ny Fitiavana omanin’Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra. Ny fahalalana ny Tompo, hoy Izaia no hameno ny tany ka hahatanteraka izany. Tsy afaka ny ho sambatra manko ny ombivavy, raha mbola misalasala fa mety mbola hiverina amin’ny habibiany ny orsa miara-mirao-bilona aminy. Tsy asan’olombelona izany fa noho ny fahalalàna an’Andriamanitra mameno ny tany.
Ny Evanjely dia manamafy izay herin’ny Fanahy mitondra amin’ny fahalalàna ny hevitr’Andriamanitra izay. Ambaran’i Joany fa ny fahalalàna an’Andriamanitra no fiainana mandrakizay (Jo 17, 1). Tsy fahalalàna vokatry ny ezaka ataontsika anefa izany fa fanomezana omena ny zaza madinika. Izay nahatonga an’i Papa Benoît nilaza fa ny fivavahantsika dia tsy “religion”, izany hoe tsy ezaky ny mahay (sophos amin’ny teny grika) na ny hendry (synétos) fa fanambarana (apekalypsas), avy amin’ny fisehoana ataon’Andriamanitra ka valian’izay mandray izany am-pinoana. Tsy sanatria hoe fanambaniana ny asan’ny sain’olombelona izany sanatria, fa fiekena fa ny sain’ny olona dia tsy afaka ny hahatakatra ny momba an’Andriamanitra raha tsy Izy no miseho hampahafantatra ny tenany amintsika.
Firifiry ny fikarohana sy ny fandinihana ataon’olombelona no mihodinkodina amin’izay tratry ny sainy, ka zary fanompoan-tsampy sy famoronana andriamanitra mifanaraka amin’izay heverin’ny saina ho fahasambarana sy fiadanana no hiafarany. Arakaraka izay endrik’Andriamanitra tompointsika ihany ny toe-po amam-panahy iainantsika. Raha ny vola no tonga andriamanitra, dia mazava loatra fa izay misy vola sy hahazoana vola no hibahan-toerana ao an-tsaina sy ao am-po, raha voninahitra no lalaina dia tsy mampaninona na dia hiankohoka eo anatrehan’i Satana aza hahazoana izany…
Ny fahatsapana anefa fa fitiavana manokana, ambara amin’ny madinika ary tsy tambin’ny fahamendrehana fa maimaim-poana no foto-pahasambarana, dia manentana ny fo hientan-kafaliana ao amin’ny Fanahy Masina tahaka an’i Jesoa. Izany no mahatonga antsika amin’ny vavaka fanolorana hiaiky fa tsy afaka hiantehotra amin’izay soa mba vitantsika isika fa amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra irery ihany.
Angatahontsika ny Fanahy mba hahaizantsika mandanjalanja ny zavatry ny tany ka hampitodika ny fontsika amin’ny tena hasambarana, izay maharitra mandrakizay.