Talata fahavalo mandavan-taona
- Tsy ankasa: Ekleziastika 35,1-15/Salamo 49/
- Ankasa: 1Piera 1,10-16/Salamo 97
- Md Marka 10,28-31
Mandehana amidio ny fanananao rehetra dia omeo ny mahantra mba ho rakitra any an-danitra dia rehefa izany dia avia manaraka ahy. Ny Mpianatra dia nandao ny haratony, nandao ny mahazatra azy, mba hanokan-tena hanara-dia an’i Jesoa, hivonto ny fampianarany ary hanohy ny asa fitoriana natombony. Asan’Andriamanitra izany fa tsy misy hireharehan’olombelona. Rariny raha niteny i Piera hoe: indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. Sambatra izy satria tsy ny nofo aman-drà fa ny Ray izay any an-danitra no nanambara taminy fa i Jesoa no Kristy (Mt 16,17) ka izay no nanarahany Azy.
Tsy fireharehana amin’ny zava-bita araka izany no hilazan’i Piera izany. Tsy mifampitohy manko ny resaka raha izay, satria ireo Apôstôly nisalasala amin’ny mety ho famonjena ny olombelona manan-karena dia nilazàn’i Jesoa fa hain’Andriamanitra atao ny misarika ny fon’ny olona handao ny harena mba hanaraka Azy. Porofoin’i Piera fa vavolombelon’izany asan’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra izany izy ireo. Izay voaantso dia tokony hanana mandrakariva izany “réflexe” izany,hahatsiaro tena fa “fanaka voafidy” haneho ny asa maherin’Andriamanitra ny fiainany, ka sadymitoky no mahatoky amin’ilay niantso azy.
Ambaran’i Jesoa fa tsy ho very valisoa izay mahafoy. Tsy ao anatin’ireo voalaza fa hafoy ny vady. Mazava loatra fa sady tsy manaja ny maha olona no tsy ara-dalana ny hanariana ny vady. Manaporofo izany moa ny lazain’i Md Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Kôrintianina: “Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan’ny mino va izahay, tahaka ny Apôstôly sasany koa sy ny rahalahin’ny Tompo ary i Piera?” Mazava loatra araka izany fa niarahan’ireo Apôstôly (efa nanambady) misalahy tamin’ny vadiny ny fitoriana ny Evanjely. Amin’ireo valisoa miampy fanenjehana kosa, dia tsy ao intsony ny “ray”, satria ilay ray nafoy dia nanjary Ray iombonana, mampitombo isa ny rahalahy sy anabavy. Fahafoizana noho ny fitiavana an’i Jesoa sy ny Evanjely no valian’Andriamanitra amin’ny fiainana mandrakizay.
Mampifamadika ny fomba fisainana izany, ka tsy azon’izay tsy mahay mandray ny fahasoavana. Tsy hoe Andriamanitra manko no tsy manome ny fahasoavany, fa isika no mandraraka ilo mby an-doha indraindray. Ny tsy fahaizana mandinika ka miaina araka ny fahasoavana, hitadiavana ny toerana voalohany sy ny voninahitr’izao tontolo izao no mety hampitotongana any amin’ny farany, satria mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany.
Angatahontsika mba hahaizantsika mibanjina mandrakariva ny zava-mahagaga tanterahiny eo amin’ny fiainantsika, hahaizantsika manesotra ny fontsika amin’ny firaiketana amin’ny zavatry ny tany ka hahatonga antsika ho fanomezan-tsarobidy, hanolo-tena hanara-dia azy hitory ny Evanjely eo am-pihirana lalandava ny halalin’ny fitiavany mitsimbina ny fahantrana sy ny fahalementsika.