Talata fahatelo fankalazana ny Paka
- Asa 7, 51-59/
- Salamo 30/
- Md Joany 6, 30-35
Tantarain’i Md Lioka ny famonoana an’i Etiena sy ny toe-po nasehony izay mifanaraka amin’ny ohatra navelan’ilay Mpampianatra. Ny fijoroana ho vavolombelon’ny marina dia maha-be fahavalo. Satria ratsy ny asany, hoy i Kristy ka tsy afaka ny handray ny fahazavana izy ireo. Saingy i Jesoa tafatsangan-ko velona no eo anilan’ireo “martiriny”, maty any ivelan’ny tanàna. Ny fanolorana ny fanahy eo am-pelan-tanan’Andriamanitra sy ny famelana ny helok’ireo izay namono azy, dia itovizan’i Etiena amin’i Jesoa. Ireo olona mafy hatoka sy tsy voafora fo aman-tsofina, manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva: ireo no nangatahan’i Etiena famelana. Izany no fahalavorarian’ny fitiavana.
Ahoana no hahatongavana amin’izany? Manohy manampy antsika hizotra amin’izany lalam-pahalavorariana izany ny Evanjely. Ilana fahagagana ve mba hinoana? Tsara ny mitanisa ny asa nataon’Andriamanitra tamin’ny razana fa tian’ireo vahoaka nitady an’i Jesoa ny mba hahazoan’izy ireo fahagagana hitan’ny masony anio. Ny Razana nihinana ny mana, isika kosa inona no hohanintsika?
Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany moa, dia ato amin’ity toko faha-6 ity no hampianarany antsika ny fomba handresena ny fakam-panahy telo izay anombohan’ny Evanjely sinôptika ny ministeran’i Jesoa: fifandraisana amin’ny zavaboary (mofo), fifandraisana amin’ny namana (fanjakazakana) ary fifandraisana amin’Andriamanitra (finoana).
- Tsy avy amin’ny vato na “avy amin’ny” (πόθεν pothen) vola no hahazoana ny mofo fa avy amin’Andriamanitra, ary tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny izay avy Aminy (Mt 4,3) ka nirahiny mba hamelona mandrakizay an’izao tontolo izao (Jn 6, 5). Izay manadino fa avy amin’Andriamanitra ny sakafo ivelomany dia mazava loatra fa hanao ny vola ho andriamanitra ka tsy ny hizara fa ny hanangona no ho masaka ao an-tsainy.
- “Homeko anao izao tontolo izao raha miankohoka hivavaka amiko ianao” (Mt 4, 9). Izy Tompo ihany anefa no ivavahana ka manoloana an’ireo nitady haka Azy an-keriny hatao mpanjaka, i Jesoa nandeha irery tany an-tendrombohitra mba hivavaka (Jn 6, 15).
- “Raha zanak’Andriamanitra ianao dia mianjerà any ambany any” (Mt 4, 6). Nolazain’i Jesoa fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombon-kase, ka ny finoana Azy no hampidiran’Andriamanitra antsika amin’ny fiainana. Ny hanao ny asan’Andriamanitra no nangatahin’i Jesoa ataon’ireo te hiditra amin’ny fiainana fa tsy ny haka fanahy an’Andriamanitra hitsambikina avy eny amin’ny tampon’ny zoron’ny tempoly. Ny valin-tenin’ireo tsy te hino anefa dia ny hangataka famantarana mba hinoana: “inona no ataonao mba ho hitanay ka hinoanay anao?” (Jn 6, 30).
“Sambatra izay tsy nahita nefa mino”, hoy i Jesoa. Tsy i Moizy no nanome ny mofo avy any an-danitra… Izay mino dia tsy hikatsaka ny voninahiny fa ny voninahitr’Andriamanitra. Ny olona rehefa mahita ny asa soa ataonareo, hoy i Jesoa, dia hanome voninahitra ny Ray any an-danitra (Mt 5, 16).
Ny mofo moa dia fanomezana mandrakariva, tsodranon’Andriamanitra amin’ny fahasasaran’ny olombelona, saingy ambaran’i Jesoa fa tsy mitsahatra ny manome hanina ny vahoakany Andriamanitra, ary tsy ny hahavoky ny vatana ihany, fa ilay Teny hamelona ny faniriana ka hizorana amin’ny lalan’ny fahasambarana. Ny Teniny no manoro antsika ny lalan’ny Fiainana, io Teny io no nahariany an’izao misy rehetra izao ary nanomezany antsika ny aina. I Jesoa no ilay “mofon’aina” manome ny fiainana ho an’izao tontolo izao.
“Izaho” (YHWH) no mofon’ny fiainana. I Jesoa no mofon’Andriamanitra manome ny fiainana ka izay te hanana ny fiainana dia mila manatona Azy, mila miala amin’izay mahazatra mba hihinana sy hisotro Azy. Tsy mora ny miala amin’ny sakafo amokisan’izao tontolo izao ny fo amam-panahintsika (haino aman-jery, resadresaky ny mpinamana, fandresen-dahatra politika, FB, sns), ka hiraiketan’ny fo amin’izay mandalo kanefa mety tsy hampisy heviny akory ny fiainana.
Ny hanoanana sy ny hetaheta tena izy dia ny faniriantsika ho velona, ny faniriana ho sambatra. Amin’ny fanomezana ilay mofo tena izy, “avy any an-danitra”, dia ny Tenany no hanatanterahan’i Jesoa ny faniriantsika te-ho tonga tahaka an’Andriamanitra (Jen 3, 5). Izy mihitsy no mamelona antsika mba hahafahantsika mahalala ny tena endrik’Andriamanitra ka miaina araka ny maha-zanany antsika.
Hitombo ao amintsika anie ny faniriana hivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra ka hivavaka mba hanomezany antsika mandrakariva ny “mofon’ny fiainana” (Jn 4, 15; 6, 34).