Talata fahasivy mandavan-taona
- Tsy ankasa Tobia 2, 10-23 / Salamo 111, 1-2, 7ab-8.9
- Ankasa 2 Piera 3, 12-15a .17-18/Salamo 89
- Md Marka 12, 13-17
Ny sasany tamin’ny Farisianina sy ny Herôdianina (vokatry ny lalivay efa nasain’i Jesoa nitandremana Mk 8, 15) no nirahin’ireo mpanohitra an’i Jesoa mba hamandrika azy. Mampalahelo rehefa tonga amin’izany ambaratongam-paharatsiana izany ny olona na ny vondron’olona sasany. Tsy vitan’ny be fialonana fa sady mpiatsara velatsihy, mialokaloka ao ambadiky ny hafa, no tsy vanona, fangolika, tsy manan-tsaina intsony afa-tsy ny hanapotika ny hafa.
“Fantatray fa marina ianao ka tsy mampaninona anao ny olona”. Fanasohasoana tsy misy ohatr’izany. tsy azontsika adinoina na oviana na oviana fa tsy izay mandambolambo rehetra akory no tia antsika, ary tsy voatery izay mametraka ny fandrika no tompon’antoka voalohany. Ao am-badimbadika ao, misy lohandohan’ny Mpisorona sy mpikatsaka tombontsoa miandry kendry tohana hamelezana. Saingy ny olo-marina, toa an’i Jesoa, tsy miraharaha izay vavan’ny olona, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, ny hiaina araka ny lalàn’Andriamanitra sy ny hampianatra azy no imasoany. Tandremana rehefa ny lalàn’olombelona no manjary mibahana amin’ny fiheverana sy ny fampianarantsika.
Henontsika tamin’ny Evanjely omaly (alatsinainy faha-9 nozaraiko teto koa) fa i Jesoa no ilay Zanaka lahitokana nirahin’Andriamanitra mba hampahatsiaro amin’ny vahoakany fa hafaliana ho Azy ny fandraisana vokatra avy amin’ny tanim-boalobony. Mety ho Mesia araka ny politika no nandrasan’Israely, saingy Mesia araka ny nampanantenainy kosa no nomen’Andriamanitra. noho izany, fandrika mifanaraka amin’ny fomba fisainana sy ny firehan-kevitra tadiavin’ny vahoaka no apetraka: mety ve sa tsia ny mandoha hetra?[1] Raha tsy mety, dia hahafaly ny vahoaka efa leon’ny fanjanahana ny valin-teny, saingy azo ampangaina ho naman’ny Rômana mpanjana-tany kosa i Jesoa, raha lazainy ho mety kosa, dia vao mainka tsara, satria ny tahotra ny vahoaka no tsy nisamborany Azy henontsika tamin’ny vakiteny omaly.
Ny valintenin’i Jesoa anefa tsy hoe hafetsena hialana amin’ny fandrika fotsiny ihany fa mampianatra antsika ny fomba fiainana araka ny fahendren’olombelona sy ny fahendren’Andriamanitra. Io moa no foto-kevitra hijoroan’ny Konsily Vatikana II, izay lazaina amin’ny teny frantsay hoe “double fidelité: à l’homme et à Dieu”. I Sezara sy ny izay nahazo fahefana hanjaka no mandamina ny tany sy ny fanjakana ka ny fanekena ny drafitra apetrany, raha toa ka tsy mbola fanerena hanao ratsy izany dia tokony atao “mba tsy hisian’ny fanafintohinana” (Mt 17, 16, azo jerena koa ny Rm 13, 1-7; 1 Piera 2, 13 ss). Tsy tokony hafangaro anefa ny antony handoavana hetra sy ny fomba hitantanan’ny sasany izany noho ny fahotana: ny fahalovana sy ny fitiavan-tena. Tsy afaka ny hanamarina ny herisetra na ny fanjakazakana izay mety ho fiheverana hamongotra ny ratsy amin’ny hery sy ny fahaizan’olombelona mandamina ihany, hanimba zavatra ihany izany, ary ny tantara efa mampianatra antsika zavatra betsaka momba izany. Tsy midika ho fanarahan-driandrano anefa izany fa kosa fahavononana na ny marimarina kokoa fivononana hanohitra raha sanatria ny ratsy sy ny tsy rariny hamono ny madinika sy ny daholobe no heverin’ny mpanjakazaka hampanjakàina. Izany moa no antsoina hoe “objection de conscience”.
Noho izany, raha sarin’i Sezara no ao amin’ny denie nasehon’izy ireo, dia tokony hanaraka ny lalàna napetrak’i Sezara izy ireo. Fantany rahateo ny hevitry ny sary mipetraka amin’ny zavatra iray (צֶלֶם tselem), miampy ny anarana ihany koa, ary nanaovany lalàna ny tsy hampidirana ny volan’ny Romàna tao amin’ny Tempoly, ka sady hahazoana tombony ihany (amin’ny fanakalozana), no entina hampahatsiarovana ny olona fa tsy tokony hisy zavatra hafa homem-boninahitra afa-tsy Andriamanitra sy ny Anarany Masina, ao amin’ny Tempoly.
Dia izay no zava-dehibe kokoa, ho an’i Jesoa. Miverina amin’ny asa nanirahana Azy Izy, dia ny hampahatsiaro an’ireo nanankinana ny tanim-boaloboka, ireo naniraka ny Farisianina sy ny Erodianina, fa tokony homena an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Ho an’ny Jody dia tsy azo atao ny manao sarin’Andriamanitra. Ny olona tsirairay dia nohariana mba hitovy endrika amin’Andriamanitra (צֶלֶם tselem), ka tokony hahatsiaro mandrakariva fa voaantso handoha ny vokatry ny fitiavana, hetra tokony aloha amin’ny fanarahana ny Lalàny, ka izay no hahafahana kosa hanahaka Azy (דְּמוּת demout), ho zanaka mpandova miombona amin’ilay Zanany tokana, ilay nampiseho ny famirapiratan’ilay Endrik’Andriamanitra nahariany antsika (Jenezy 1, 27).
Ny fandoavana izay an’i Sezara dia tsy fatiantoka velively ho an’izay mahatsapa fa ny fahantrana no hahafahana mandova ny fanjakan’Andriamanitra (Mt 5, 3/Lk 6, 20), ny fanomezana an’Andriamanitra izay azy kosa dia manova ny fiainana manontolo, na ho an’ny tena manokana na amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, fa indrindra amin’ny fiezahana manoratra izay tiantsika mba hovakian’ny olona sy izay hambaran’ny Raintsika rehefa handray antsika eo am-pelatanany Izy indray andro. Ho an’i Jesoa: “Jesoa Kristy Mpanjakan’ny Jody” no nosoratan’i Pilaty, ilay Kapiteny kosa nanamafy ny tenin’ny Ray, fa “tena zanak’Andriamanitra tokoa” ilay nihatona teo amin’ny Hazofijaliana.
Hanampy antsika hahatsapa ny fahamboniana nahariana antsika anie ny fandinihana ny Evanjely anio ka hahitantsika mandrakariva ny Endrik’Andriamanitra sy maneho ny maha-fitiavana Azy eo amin’ny olombelona rehetra, fa indrindra eo amin’ireo noana, mangetaheta, tsy nitafy, marary, migadra sy mpivahiny sitrak’i Kristy mba hisehoana.
[1] dare il tributo. Era il “censo”, imposta personale e fondiaria. Pagarla significava riconoscere la signoria dei romani. Gli zeloti la consideravano idolatria e si ribellavano con le armi, perché l’unico Signore è Dio. I farisei l’accettavano, fino alla redenzione finale del messia, da ottenere con le preghiere. Agli erodiani invece la cosa non faceva problema, anche se il loro rapporto di dipendenza da Roma non era sempre pacifico (S. Fausti).