Talata faharoa mandavan-taona
- Tsy ankasa: Hebrio 6,10-20/Salamo 110/
- Ankasa: 1Samoela 16,1-13/Salamo 88/
- Md Marka 2,23-28
Mankamasina ny andro alahady, mivavaha fa aza miasa. Izay no nandikàna ny andinin’ny Teny Folo milaza hoe: Tsarovy ny andro sabata mba hanamasinanao azy, ho fahatsiarovana ny fitsaharan’Andriamanitra nahita fa vitany tsara avokoa ny zavaboary ka nitso-drano ny Sabata (Eks 20,8). Tsy izay ihany anefa fa mba hahafahan’ny mpiasa mbamin’ny biby fiompy ihany koa miala sasatra miaraka amin’ny tena (Eks 23,12), fa indrindra indrindra hahatsiarovana fa efa mba nandevozina koa isika tany Ejipta fa navotan’ny tana-maherin’Andriamanitra kosa (Dt 5,12).
Fankalazana ny fandresen’Andriamanitra araka izany ny Sabata, ary rehefa tafatsangana ho velona i Kristy dia mankalaza Azy sy ny fandresentsika miaraka Aminy isika ny Alahady, izay antsointsika hoe Andron’ny Tompo. Fahotana ny malahelo sy ny manjoretra ny alahady hoy ny Didascalie Apostolique (voasoratra ny taon-jato faha-3 tany Siria avaratra), izay nandrara ny fifadian-kanina sy ny fandohalihana amin’ny andro alahady satria fandresena no ankalazaina.
Na tamin’ny andron’i Jesoa aza dia nanjary lalàna manandevo fa tsy manafaka ny lalànan’ny Sabata. Mazava ny fanazavany: tsy ny olona no natao ho an’ny sabata fa ny sabata no natao mba hialan’ny olona sasatra sy hahafahany mankalaza ny fandresena miaraka amin’ny Zanak’olona. Mampalahelo anefa fa raha misy kristianina iray faly sy ravo satria angaha hoe nandresy ny antoko pôlitikany, na nandresy ny mpilalao baoliny, mba jereo anie ny fomba ankalazana izany fandresena izany e, dia mila mandini-tena isika hoe isak’alahady ve mba mifety sy mifaly, mba mi-“poster” ny fandresen’i Kristy eto amin’ny FB sy ny TikTok toy ny ataon’ny sasany amin’ny resaka baolina na pôlitika, na amin’ny fandresena hafa rehetra?
Araka ny lalànan’i Môizy dia azo atao ny mihinana voaloboka izay lany ao amin’ny tanimbolin’ny hafa, ary azo atao koa ny mioty amin’ny tanana salohim-bary eny an-tsahan’ny hafa (Jereo Dt 23,25-26). Ho fitsinjovana ny hafa izay mety ho maty noana no nanaovana izany. I Davida aza hoy i Jesoa nihinana ny mofo voatokana ho an’ny mpisorona irery ihany.
Ny fitiavana no mandavorary ny zavatra rehetra ary raha tsy voahaja ny zo aman-kasina, ny fiainana sy ny fahasambaran’ny tsirairay, dia efa tsy lalàna araka an’Andriamanitra intsony izay. Ny lalàna tsy mitsinjo ny soa ho an’ny hafa dia tsy sitrak’Andriamanitra. Izay nomena andraikitra hitantana sy hiandraikitra ao amin’ny Eglizy sy eo amin’ny fiaraha-monina dia tokony hahatsiaro izany mandrakariva. I Jesoa no tompon’ny Sabata. Raha tsy hovantsika ho “fankalazana ny fandreseny” ny lamesa sy ny fanompoam-pivavahana ataontsika dia ho zary fifanenjehana sy fifampiandaniana no hiafaran’ny fiainantsika ny maha kristianina. Aoriana kely i Jesoa dia hanontany ny mpiandraikitra ny lalàna hoe: Inona no mety hatao amin’ny sabata, ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono? (Mk 3,4).
Tsy hoe manana ny rariny ianao na hanala tsiny tena satria tsy miaina ny maha izy azy ny tompon’andraikitra ka ho afaka manao izay tianao atao ianao. Tsy ny fananana ny rariny manko na ny fitsikerana no hahasambatra sy hanova ny fiainana ho amin’ny tsaratsara kokoa, fa ny fahitana ny asa ataon’Andriamanitra ka hiderana Azy satria fanehoam-pitiavana izany. Tsy ho afaka ny hanova sy hanatsara ary ho tonga hazavana ho an’ny hafa izay tsy mbola nibanjina ny asan’Andriamanitra, ka hahita toa azy fa “tsara indrindra izany” (Jen 1,1—2,3).
Raha sanatria tsy mahatsapa tena ho efa nandevozina isika dia ho mpiavonavona ihany, satria tsy mba mila ny famindram-pon’Andriamanitra ka tsy hankalaza velively ny fitiavany fa handany andro hitsikera sy hanaratsy ny hafa fotsiny ihany. Raha izany dia tsy hisy fandresena hankalazaina akory amin’ny Sabata sy ny alahady. Hotsaroantsika àry fa isika koa dia efa mba nandevozin’ny fahotana, ka midera ny fahafahantsika (Dt 5,12) ary mivavaka kosa mba handresen’ny olombelona rehetra miaraka amin’i Kristy.