Talata fahafolo mandavan-taona
- Ankasa: 1Mpanjaka 17,7-16/Salamo 4
- Tsy ankasa: 2Kôrintianina 1,18-22/Salamo 118
- Md Matio 5,13-16
Izay te ho mpianatr’i Kristy dia antsoiny hanaraka ny lalana lavorary mitondra amin’ny Fahasambarana.Ireo sambatra sy faly ary manantena ny valisoa lehibe any an-danitra -ilay denie iray itovizana amin’ny rehetra (Mt 20,10)- dia antsoiny hanandrana ny fahasambarana amin’ny fijoroana ho vavolombelony manoloana ny fanenjehana sy ny habibian’ny mpanohitra ny Mpaminany (Mt 5,11-12).
Antsoin’i Kristy ho Fanasina sy Fahazavana ireo Mpianany ireo. Fomba fiainana mifototra amin’ny Evanjeliny no takian’izanyka izay mahita ny hatsaran’izany ihany ary resy lahatra fa io no hany fahasambarana no hanana herim-po hivarotra ny voahangy rehetra nangoniny hatrizay ka hividy ilay voahangy tokana aman-tany. Izay mahita ny hasarobidin’ny rakitra no hahafoy ny fananany mba hahazoana ny saha (Mt 13,44-45).
“Ianareo no fanasin’ny tany. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.”
Ianareo. Tsy ny tsirairay fa ny mpianatra miombona no afaka ho “sira” sy “fahazavana”.
Misy zavatra telo farafahakeliny tokony ho tsaroantsika amin’ny asan’ny sira eo amin’ny fiainana:
- ny fanomezana tsiro ny sakafo (Jb 6,6) ka noho izany, izay zavatra tsy fihinana na mety hanimba ny tsiron-tsakafo dia tsy afaka hifangaro amin’ny sira raha tsy izany dia very ny maha fanasina azy;
- ampiasaina ihany koa ny sira mba hitahirizana ny sakafo tsy ho simba (jereo ny henatehirizina ambany sira ataon’ny vadin’ny mpisorona ao amin’ny taratasin’i Jeremia, Bar 6,27) ka mazava loatra fa misy fombafomba arahina mba hahafahany miasa amin’izany fitahirizana izany;
- ny sira ihany koa dia nampiasaina mba hanaovana fanekem-pihavanana (alliance de sel, fanekena voasira, jereo Fan 18,19), mitovitovy amin’ny fati-dra aty amintsika izany,entina hilazana ny fitokisan’izay nianiana fa tsy hivadika amin’ny teniny na inon-kidona na inon-kihatra (jer. 2Tan 13,5, fanekena tsy azo dikaina nolazain’i Abià); ka isika araka izany no sitrak’Andriamanitra haneho amin’ny olona ny fanekem-pihavanany tsy mivadika mandrakizay.
Izany rehetra izany no antony hanasiana sira ny rano hasinina hampahatsiarovana antsika ny Hasin’ny Batemy, nananganana antsika ho zanaka, ka mahatonga antsika ho fanasina sy fahazavana.
Ianareo no Fanasin’ny tany. Ny laoka no asiana fanasina ary izay no mahazatra antsika. Eto dia ny tany (γῆ – gè) no ilàna ny sira. Ny sira manko (ἅλας – halas) dia entina ilazana ny akora masirasira entina manamasaka ny tany azo ambolena ihany koa. Tokony hampisy tsirony ny fiainan’ny tany izay nandray ny aina avy amin’Andriamanitra izany, tsy amin’ny fanaraham-bolontany anefa fa amin’ny fiarovana ny tany tsy ho tratry ny fahalovana, mba hahalonaka ka hampamokatra azy. Antsoina isika mba hampamiratra eo amin’ny zanak’i Adama, avy amin’ny tany, ilay endrik’Andriamanitra nahariana azy.
Ny hoe sira, ἅλας (halas) amin’ny teny grika, dia entina hilazana ihany koa ny fahendrena amam-pahasoavana ampitaina amin’ny fomba fitenenana. Tsy azo adinoina na oviana na oviana anefa fa ny laoka no hitan’ny olona fa tsy ny sira. Tsy misy mihitsy nahay nanisy sira amin’ny laoka ka ny sira no lazaina hoe tsara, fa na ny laoka no matsiro na ny mpahandro no mahay.
Na mahay tahaka ny inona aza anefa ny mpahandro, rehefa very tsiro ny sira, satria nifangaro amin’ny zavatra hafa (tadidiko ny sira avy novidiana norarahan’ny pétrole tamin’ny mbola kely), dia tsy misy ilàna azy intsony. Ariana any alantrano, hoy i Jesoa satria tsy hahasoa ny tany ary tsy hahasoa ny zezika (Lk 14,35).
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany, i Jesoa dia milaza fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao (Jo 8,12) raha mbola eto amin’izao tontolo izao (Jo 9,5). Lasa niakatra any amin’ny Ray Izy ka ny mpianany nirahiny tahaka ny nanirahan’ny Ray Azy (Jo 20,21) eto no antsoiny mba ho fahazavan’ny fiainana ho an’izao tontolo izao.
Indraindray misy olona mimenomenona fa tsy misy azo atao intsony manoloana ny olana mianjady amin’ny fiainany. Matetika tsy ny lalana ivoahana no tsy misy fa ny olona no miraparapa ao anatin’ny haizina ka rehefa sasatry ny midòna etsy midòna eroa, dia mamoy fo. Antsoin’i Jesoa ho fahazavana ny mpianany mba hahafahan’ny olona manome voninahitra an’Andriamanitra, izay tsy mivadika amin’ny Fanekem-pihavanana nataony, ka manohy izany amin’ny asa ataontsika zanany.
Na ny sira na ny jiro dia mampahatsiaro antsika fa nantsoina hanajary ny tany sy izao tontolo izao isika ho sehatra hamirapiratan’ny voninahitr’ilay Mpahary izay nahita fa “tsara indrindra” ny zavatra rehetra nohariany (Jen 1). Tsy ny hampisy tsirony na ny hampazava na tsia anefa no tokony himatimatesantsika. Tsy anjaran’ny sira sy ny jiro izany. Ny ho fanasina sy ho fahazavana no iantsoana antsika. Anjaran’ny mpahandro sy ny mpitan-jiro ny sisa. Tsy ny ho hita na ny hobanjinina koa no himasoana, ka tsy handà ny tsy ho jiro hanazava, eny fa na dia hahantona eny ambony fanaovan-jiro, eny ambony lakroà, tahaka ilay Fahazavana tokana hahazoantsika ny hazavana aza (Sal 36,9), fa sahala amin’ny volana sy ny kintana ihany isika, tsy afaka ny hamiratra sy hanazava raha tsy tarafin’ilay Masoandro avy any ambony hanazava ny firenen-drehetra (Lk 2,32).
Ho voninahitr’Andriamanitra anie ny asantsika rehetra, ka tsy hiheverantsika ho“ho mpanisy sira” fa ho fanasina sy fahazavana marina tokoa.