Talata fahafito mandavantaona
- Tsy ankasa Siraka 2, 1-10/Salamo 36/
- Ankasa Jakôba 4, 1-10/Salamo 54/
- Md Marka 9, 29-36
Rehefa tsy mahita havaly ny olona na manahirana azy ny teninao dia hodiany fanina ny zavatra lazainao. Efa fanindroany izao no nilazan’i Jesoa tamin’ny Mpianatra fa hatolotra eo an-tanan’ny olona Izy, hovonoina fa hitsangan-ko velona (izany manko no Kerygme, mistery fototry ny finoantsika), saingy tsy fantatr’izy ireo izany teny izany sady tsy sahy nanontany akory izy ireo, hoy ny Evanjely. Raha ny marina dia tsy te hino ny fahamarinan’izany teny izany izy ireo, saingy kosa tsy afaka ny hilaza ny mifanohitra amin’izany sao hahazo fanakianana tahaka an’i Piera eo indray. Dia aleon’izy ireo niady hevitra amin’ny zavatra hafa.
Hatolotra eo am-pelatanan’ny olombelona ny Zanak’olona. Iza no hanolotra Azy? Raha ny valinteny mifanaraka amin’ny fomba fisainantsika izao dia i Jodasy no hanolotra Azy amin’ny lohandohan’ny Mpisorona, ny Lohandohan’ny mpisorona hanolotra Azy amin’i Pilaty ary i Pilaty hanolotra Azy amin’ny mpamantsika. παραδίδοται (paradidotai) ampiasain’i Marka eto anefa dia “ au temps indicatif présent passif” (παραδίδωμι) izay lazain’ny Mpandalina Baiboly hoe “passif divin”, hilazana fa Andriamanitra no manao ny asa. Ny Ray no manolotra ny Zanany eo an-tanan’ny olombelona. Ary tsy mbola izay ve moa no mitohy mandraka ankehitriny: ny Fiangonany eo am-pelatanan’ny olona, ny Sakramentan’ny Fitiavany eo am-pelatanan’ny olona, tsy hatahotra ny hoviraviraina sy ho faty Izy satria matoky ny herin’ny Fanahy manangan-ko velona, babon’ny fitiavan-drahalahy. Amin’ny Lamesa dia i Jesoa no atolotry ny Ray eo an-tanan’ny pretra mba ho sakafo hamelona ny fanahintsika.
Fitiavana izany saingy famonoana no avalin’ny olona azy. Tsy azon’ny mpianatra anefa izany. Vavaka fanaon’izy ireo ny salamo 36 (Setriny taona tsy ankasa): “Ny Tompo dia tia ny rariny, ka tsy mandao ny mpivavaka aminy; hanafaka azy amin’ny ratsy fanahy”. Ahoana moa no tsy hiarovan’Andriamanitra ny zanany, ilay Voahosony (Mesia) ka hamelany azy hovonoin’ny olombelona? Sanatria anie izany, hoy i Piera (Mk 8, 32).
Araka izany dia naleon’ireo Mpianatra niady hevitra ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy ireo. Manoloana ny fanambaran’Andriamanitra ny halehiben’ny fitiavany dia naleon’ny Mpianatra mifandìtra amin’izay tombontsoa manokana mety ho azo amin’ny fanarahan-dia ny Mesia: handresy manko Izy ka hiara-manjaka Aminy no tanjona, ary samy maniry ny toeram-boninahitra voalohany ao amin’ny Fanjakany.
Mazava anefa ny fampianaran’i Jesoa: ao amin’ny tranon’ny fanalana alahelo (Kafarnaoma) dia tsy ny hibaiko no tanjona sy hifaninanana fa ny hitia, ny hanaiky hatolotr’Andriamanitra eo am-pelatanan’ny olona. Tsy toerana hitadiavana voninahitra sy fahefana ny Eglizy fa fitaovana entin’Andriamanitra mitory ny fitiavany ka hifaninanana ny mba hanandratana ny hafa ho eo alohan’ny tena (Rom 12, 10). Ny fanompoana no lalana hahatanterahana izany.
Tsy afaka handray izany fampianarana izany anefa izay mihevitra ho lehibe sy lalin-tsaina ka afaka miaro tena sy manapaka araka izay tiany. Izay miverina toy ny zaza, miankina tanteraka amin’ny Rainy, ary matoky sy milamina rehefa eo an-trotroan-dreniny (Salamo 130) no afaka mandray ny Fanjakan’ny lanitra. Fanomezana maimaim-poana manko izany ka sarotra ho an’izay manan-karena ny hihevitra hitovy zo amin’ny mahantra. Aleony tsy manana ka mamorona zavatra hafa hampiavaka azy.
Tsy tokony hisaina tahaka ny zaza fotsiny anefa isika fa handray azy ireo koa raha te handray an’i Jesoa. Miala amin’ny maha-zaza saina mba hiaina amin’ny maha-zanaka (1 Kor 14, 20). Ny soa ataontsika araka izany dia ataontsika amin’Andriamanitra rehefa atontsika amin’ny olona tsy manan-kavaly tahaka ny zaza, tsy mamokatra fa velomina, ary velomina am-pitiavana. Ny kisoa no omena hanina mba hatavy hakana hena sy hahazoana tombony, ny zaza velomina mba hanana ny fiainany safidiany araka ny fahafahany. Tsy fanarahana izay tian’izy ireo anefa ny hevitry ny famihinana azy (satria efa nisara-nono, salamo 130) fa fanehoana kosa ny fitiavan’Andriamanitra izay vonona ho hitia hatramin’ny fahafatesana mba haneho amintsika ny lalan’ny fitsanganan-ko velona.