Talata fahaefatra fankalazana ny Paka
- Asa 11, 19-26
- Salamo 86
- Md Joany 10, 22-30
Ny antsika ny fivoriana dia maharitra adiny iray na roa dia itarina raha sendra misy resa-bola mbola tsy mazava. Herintaona maninjitra no nanaovan’i Paoly sy Barnabe fivoriana tao Antiokia, hoy i Lioka, nampianarana olona betsaka. Satria ny fandraisana ny anarana hoe Kristianina dia midika koa hoe fahamatoran’ny finoana an’i Kristy, tsy hoe fanarahana firehan-kevitra fa fomba fiainana araka ny Evanjely, ka ny hatsaram-panahy, ny fanekena hotantanan’ny Fanahy Masina ary ny fahamatoran’ny finoana, tahaka ny an’i Barnabe, no mampikambana ny olona amin’ny Tompo. Tsy ny voninahitry ny tena fa ny an’i Kristy no mampirehareha. Mazava loatra araka izay ny fanamafisan’i Lioka ny fitaran’ny finoana any ivelan’i Jerosalema hatrany Fenisìa sy Sipra ary Antiokia.
Fetin’ny Hanokkàh (Consécration), fitokanana ny Tempoly (ἐγκαίνια enkainia, raha ny marina dia tsy fitokanana fa fanavaozana, fanamasinana indray ny Tempoly), andro ririnina, satria manomboka ny 25 Kisleo ny fety, tapaky ny volana desambra (nahatonga ny fetin’i Mb Lucie any Eoropa) dia ambaran’i Joany koa fa voahodidin’ny Jody i Jesoa, tahaka ny voalazan’ny Salamo 22, 17, ary io no hifanatrehany farany amin’ireo mpifanandrina aminy izay efa im-betsaka no nitady hamono Azy (Jo 7,1.19.25; 8, 37.40.59). Ao an-tranon’ny Rainy Izy (Jo 2, 16) ka mitsangatsangana an-kahalalahana tanteraka. Tsara ny mampahatsiahy fa ho an’i Joany ny Jody dia tsy ny vahoaka Israely fa ireo lohandohan’ny Mpisorona sy Mpanora-dalàna (izay Farisiana ny sasany) mitsipaka ny fampianarany ary manakimpy maso tsy hiaiky ny Asan’ny Ray tanterahin’ny Zanaka amin’ny famantarana maro.
Ambara-pahoviana no ampisalasalanao anay? Izay no fanontanian’ny Jody. Ambaran’ny Mpahay baiboly sasany fa azo adika toy izao koa io fanontaniana io: mandrapahoviana no hanalanao aminay ny aina (Ἕως πότε τὴν ψυχὴν ἡμῶν αἴρεις; Jo 10, 24). Izay tsy manapa-kevitra dia sady tsy maty no tsy velona. Ilay nilaza fa tonga mba hanome ny aina ary hanome azy miavosa (περισσός perissos) dia ampangaina ho mpamono ny aina. Saingy araka ny lazain’i Md Paoly hoe fanafintohinana sy adalana ny fiainan’ilay voahosotr’Andriamanitra: Mpiandry ondry novonoin’ny be saina ary Tompo nofantsihan’ny be sandry (1 Kor 1, 23). Fantatr’ireo Jody tsara ny zavatra tian’i Jesoa ambara: hesorin’Andriamanitra tsy ho eo am-pelatanan’izy ireo ny ondriny (Ezek 34).
Ny fangatahana an’i Jesoa hilaza am-pahibemaso fa Izy no Mesia dia mba hiampangana Azy amin’ny Romanina izay mandringana izay mihevitra ny tenany ho mesia sy mpamory ary mpitarika vahoaka, fanontaniana mitovitovy amin’ny nataon’ireo irak’i Sezara ihany izany (Mk 12, 13-17). Fa i Jesoa koa, amin’ilay Samaritana no nilazany fa Izy no Mesia (Jo 4, 25) satria nino ravehivavy fa Izy no loharano velona mahafantatra ny hetahetan’ny fo rehetra; satria efa nandray ny hazavana avy Aminy ilay teraka jamba dia ilazany fa Izy no Mesia.
Tsy afaka ny hino Azy izay tsy ondriny, izay tsy mahay manavaka ny feony amin’ny feon’ireo mpangalatra sy jiolahy. Fa izay miray aina aminy kosa dia harovany mandrakizay, satria ny Ray izay manolotra ny Zanaka ny ondry dia manakambana ny ondry amin’ny Zanaka ka tonga lehibe noho izao rehetra izao ny fanomezany, ary Izy Mpiandry dia iray ihany amin’ny Ray. Izy no ilay Zanaka mipetraka eo an-kavanan’ny Ray (Lk 22, 69). Iray ny fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka, iray ny Sitrapon’Izy ireo, iray ny Asany.
Izay te hahalala an’Andriamanitra ka hanana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy hihaino ny feon’ny Zanaka ary hanahaka azy. Ary raha toa ka tsy misy maharombaka ny ondry eo an-tanan’ny Ray, dia mazava loatra fa tsy misy zavatra afaka miala eo an-tanan’ny Ray. Ao anatiny no ivelomantsika (fiainana, antoky ny aina) sy ihetsehantsika (zotram-piainana) ary iainantsika (ny maha-izy azy antsika), hoy i Md Paoly tamin’ny tao Atena (Asa 17, 28).
Ambaran’i Joany mazava fa tsy maintsy manazatra ny sofintsika isika raha te hanavaka ny feon’ilay Mpiandry tokana amin’ny feon’ny mpamitaka izay mampanantena tsy misy, hahazoana ny fontsika sy ny fananantsika tahaka ny nolazaiko teny am-piandohana. Tsy mora manko ny manaraka ny feon’i Jesoa satria tsy mampanantena fandresena na voninahitra na harena araka ny fisainan’izao tontolo izao Izy, amporisihiny ny mpianany hifanompo, hifanasa tongotra, handà ny tena sy hitondra ny hazofijaliana isan’andro. Tsy misy lalan-kafa hahatongavana amin’ny fianana mandrakizay ankoatra izany.
Toky ho an’izay te hizotra amin’izany lalana izany ny fitiavan’Izy Ray izay nametraka izao tontolo izao eo ampelatanan’ny Zanaka (Jo 3, 35) fa koa nanolotra ny Zanaka ho an’izao tontolo izao ho aina mamelona azy (Jo 3, 16). Izay nomen’ny Ray an’i Jesoa dia lehibe noho izao rehetra izao, tonga sarobidy eo imasony, satria azy ka tiany (Izaia 43, 3), tsy foiny, nandrian’ny fony ka nahoriny eo ambony vatolampy, nataony mafy orina ary nataony loharano ipoiran’ny fahasoavany (Salamo 86).
Ny maha-iray an’i Jesoa sy ny Ray, ny fiombonany izay iriany mba ho fiombonan’ny mpino Azy koa (Jo 17) dia mampahatsiaro antsika ny lazain’i Md Paoly hoe: tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko (Gal 2, 20). Izay mahalala ny feony ka mino Azy dia tonga iray aina Aminy, mitovy fisainana Aminy, velomin’ny Fanahiny ka hahavita be lavitra noho izay nataony aza (Jo 14, 12).
Hitohy hatrany ao amintsika anie ny vokatry ny fanavotan’ny Paka.