Talata faha-efatra mandavantaona
- Tsy ankasa Hebrio 12, 1-4/ Salamo 21/
- Ankasa 2 Samoela 18, 9-10. 14b. 24-25a 30 – 19,3/Salamo 85/
- Md Marka 5, 21-43
Eny an-dalana mankany amin-tranon’ilay notsilovin’Andriamanitra (Jaïraיָאִיר ) dia indro nisy vehivavy nitsi-drà, izay “maloto” araka ny lalan’i Moizy (Lv 15, 25-27) naniry hikasika an’i Jesoa mba ho sitrana. I Jesoa moa nampanantena an’i Jaira fa hametra-tanana amin’ny zanany vavy mba ho velona. Ilay vehivavy kosa mahalala tsara fa efa roa ambin’ny folo taona izy izao no tsy velona, tsy afaka hiaina am-pahalalahana araka ny lalàna, roa ambin’ny folo taona tahaka ilay zanak’i Jaira.
Te hikasika an’i Jesoa izy satria efa roa ambin’ny folo taona no naniry ho sitrana nandany izay nananany rehetra tamin’ny mpanao fanafody maro saingy niha-ratsiratsy kokoa. Na dia ny fitafiany ihany aza no ho voakasiko hoy izy, dia ho sitrana aho. Ny finoany no nanentana tao am-pony izany filàna “hikasika” an’i Jesoa izany. ἅπτομαι moa, “hapto” dia azo ilazana ihany koa ny fandrehetana afokasoka, ny fikasihany an’i Jesoa no hanome aina azy, handrehitra indray ny afom-pitiavany.
Manodidina an’i Jesoa dia marobe ny vahoaka, tsy fahavalo fa mpianatra sy mpanara-dia, kristianina, saingy tsy mba nanana izay faniriana sy finoana mba hikasika Azy izay: mahatsiaro ho efa masina manko izy ireo, mihevitra matetika fa tsaratsara kokoa noho ny hafa, tsy manana sampona manakana tsy handraisana an’i Jesoa… tsy afaka ho velona marina anefa izay tsy mandray ny aina sy ny fahadiovana avy amin’i Jesoa. Ny finoana no mahavonjy ka manome fiadanana ho enti-miaina. Izay tsy maniry hikasika an’i Jesoa dia hanery azy (nifanety taminy moa ny dikan-teny), fa συνθλίβω (synthlibo) dia entina ilazana ny fitangoronana tahaka ny fiazakazahan’ny ankizy mifandrombaka bonbons ho azy ka manaporitra ilay mpizara ao am-povoany ao.
Ny fanambaran’ny iraka nilaza fa maty ny zanak’ilay lehiben’ny Sinagoga dia hahafahantsika mahazo ny tenin’i Jesoa amintsika rehetra manoloana ny fahafatesana: Aza matahotra, mitozoa amin’ny finoana. Ny mpitondra hafatra manko nahita ny fahafatesana nandrombaka ny aina, izay miaraka amin’i Jesoa kosa mahita ny aina mandresy ny fahafatesana. Izay manam-pinoana ihany, izay manana andry itokiana no afaka handresy ny tahotra. Tsy hatahotra ny haizina izay manana ny hazavana.
Rehefa tonga tao an-tranon’i Jaira dia efa nitomany ny olona satria maty razavavavy. Angamba fahadisoan’i Jesoa satria mbola nilaozany nitady ilay vehivavy “nikasika” azy? Tsy maty izy fa matory. Azon’ny kristianina izany fampianarana izany ka nampitoviziny ny fiantsoana ny trano hatoriana amin’ny alina sy ny trano hampandriana ireo nodimandry (coemeterium, avy amin’ny grika koimeterion: dortoire; sepulcrum ho an’ny teny andavanandro). Rehefa avy nandroaka ireo “mpikarama mitomany” i Jesoa (fomban’ny Jody ny manakarama mpitomany mba hampalaza ny fandevenana), izany hoe efa tao amin’ny trano niandrasana ny razana, dia nandroaka ny olona hivoaka. Naka ireo vavolombelona sy ny raiamandrenin-drazazavavy dia niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy. Efa tao an-trano ka hiditra ho aiza indray?
Niampatra (κειμαι, keimai) moa no nandikana azy, fa ny voambolana ampiasain’i Marka dia hoe ἀνάκειμαιanakeimai, izay entina hilazana ny olona mandrimandry miandry sakafo. Averiny ampiasaina io voambolana io amin’ny Mk 14, 18 sy Mk 16, 14, ilazana ny apostoly teo am-pihinanana. Tao amin’ilay efitrano voaomana hiandrasany ny fanasan’ny Zanak’ondry araka izany no nitondran’i Jesoa azy ireo. Tao amin’io toeram-pisakafoanana io no nandraisan’i Jesoa an-dazazavavy tamin’ny tanany, niantsoany azy ho amin’ny fampakarana ka nananganany azy hijoro sy hanohy ny diany ho any amin’ny mandrakizay.
Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy: ἀνίστημι (anistemi, anistanai) no voambolana entin’i Md Marka hilazana ny fitsanganan-ko velona. Ao amin’ny dikan-teny grika ny hoe Talitha kum moa dia ny matoanteny “egeiro” no ampiasainy. Efa hitantsika io (rafozam-bavin’i Piera, ilay malemy..). Nitsangan-ko velona razavavavy ka izay manam-pinoana ihany no afaka mahita izany fiainam-baovao izany ka afaka miara-mihinana amin’ireo havana efa nodimandry amin’ny fanasan’ny Tompo.
Izay tafiditra amin’izany fandalinam-pinoana izany no afaka hahazo ny hasin’ny Batemy, izay tandindon’ny fitsakàna ny ranomasina mba hidirana amin’ny fiainam-baovao. Izay mitsangan-ko velona amin’ny fiainam-baovao no afaka higoka ny tsiron’ny hanina aroson’i Jesoa ho an’izay manaiky handray anjara amin’ny fanasany.
Hampisy heviny ny fanolorantsika lamesa ho an’ireo nodimandry anie izany fampianaran’ny Evanjely izany.