Talata faha-30 mandavantaona
- Ankasa Efezy 5, 21-33/Salamo 127
- Tsy ankasa Romana 8, 18-25/Salamo 125
- Md Lioka 13, 18-21
Miaina ny taom-pahasoavana hievoevoana manodidina sy hanasi(v)ana zezika isika. Mbola manazava izany ny Evanjely, mampahatsiaro antsika fa tsy zavatra mety hampieboebo, harantiranty ety ivelany akory ny fomba fiasan’Andriamanitra fa sahala amin’ny tsimok’aina entin’ny voatsinapy, tahaka ny otrik’aina entin’ny lalivay. Izany no mahatonga ny Fanjakan’ny lanitra tsy ho hitan’ny mason’izay mitady ny voninahitry ny tany.
Mba hahafahana mibanjina ny Fanjakan’ny lanitra dia mila mianatra mijery ny zavatra faran’izay madinika isika, mila mahatoky amin’ny kely, hoy i Jesoa. Ireny no entin’Andriamanitra manatanteraka ny fikasany, hoy i Paoly (1 Kor 2, 4ss) ka hahafahantsika manavaka ny lalivain’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny an’ny Farisianina (Lk 12, 1). Tsy mora anefa ny manavaka ny lojikan’ny Fanjakan’Andriamanitra: ny voa kely indrindra no lasa anana lehibe indrindra; izay manandra-tena dia hahetry; izay hahafoy ny ainy no hahavonjy azy izany hoe handalo amin’ny fahafatesana mba ho amin’ny fitsanganan-ko velona.
Raha tsy maty ny voa afafy dia tsy hitsiry ary tsy hitombo. Izay manana finoana tahaka ny “voatsinapy ihany” no ho afaka mamindra tendrombohitra (Mt 17, 19) na hanongotra voaroihazo (Lk 17, 6): finoana kely, saingy afoy “manontolo” ho any ambanin’ny tany mba ho tonga tsimoka ka ho zary hazo ialofan’ny voro-manidina.
Ny zavamaniry, zavaboarin’Andriamanitra, ambolen’ny lehilahy iray, ny koban-dafarinina, asan-tanan’olombelona, asian’ny vehivavy lalivay mba hitombo, dia samy maneho ny endriky ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny lazan’ny Tompo, ambaran’ny lanitra, ny asany torian’ny habakabaka, hoy ny Salamo 18. Saingy tahaka ny voa izay tsy maintsy maty mba hahafahany mamokatra, tahaka ny lalivay, mahafoy ny maha-izy azy ka hitambatra amin’ny lafarinina, dia toy izany koa ny fiainan’izay te hamokatra ho an’ny Fanjakan’ny Lanitra.
I Jesoa koa anefa no Teny tonga nofo, Izy no voa nafafy miandry ny olona haka Azy sy hamboly Azy eo amin’ny tanimboliny, Izy no lalivay miandry ny vehivavy hanafangaro azy amin’ny koba manontolo, hahatonga izay miray aminy ho mofo velona iveloman’ny olombelona rehetra.
Tonga hazo ny voatsinapy, saingy tsy maintsy maty aloha (Jo 12, 24). Tsy ho tonga sahala amin’ny sederan’i Libana tsy akory, saingy hazo hahitan’ny voron-kely rehetra fonenana kosa (Dan 4, 9.18), tahaka ny tempolin’YHWH (Salamo 84, 4). Mamy amin’i Md Lioka io endriky ny Fiangonan’i Kristy mandray ny olon-drehetra io, tandindon’ilay πανδοχεῖον (pandocheion), ilay tranom-bahiny handraisana ny olon-drehetra tsy an-kanavaka, nitondran’ilay Samaritana ilay sisam-paty navelan’ny jiolahy (Lk 10, 34), izany no maha-katôlika ny Eglizy.
Na ny voa na ny lalivay dia samy nafenina, ny iray tao anaty tany, ny iray tao amin’ny koban-dafarinina. Na ny asa any an-tsaha na ny kojakojan-tokan-trano dia samy mampahatsiaro antsika ny endriky ny fanjakan’Andriamanitra avokoa. Ny zavatra iainantsika isan’andro dia tokony hampahatsiaro antsika ny fitiavan’Andriamanitra te hanova ny fiainantsika ho zary Eokaristia, mofo atolotra, miaraka amin’i Kristy. Ka ny zaridaina manome fialofana ny voromanidina, ny trano kosa manome hanina ilay vahiny tonga mandondòna misasak’alina (Lk 11,5). Fa izany rehetra izany dia mba hampibohoka ny koba manontolo, tsy hanjakan’ny lalivain’ny farisianina (fiatsaram-belatsihy) fa hahitan’ilay mpamboly aviavy voa hotazana.